ECOUTEZ LA RADIO :  

Gazety volana novambra (2023)

 

Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021] || Gazety volana aprily [2021] || Gazety volana mey [2021] || Gazety volana Jona[2021] || Gazety volana Jolay[2021] || Gazety volana Aogositra[2021] || Gazety volana Septambra[2021] || Gazety volana Oktobra[2021] Gazety volana novambra [2021] || Gazety volana desambra [2021] || Gazety volana Janoary [2022] || Gazety volana Febroary[2022] || Gazety volana Marsa[2022] || Gazety volana Aprily[2022] || Gazety volana Mey[2022] || Gazety volana Jona[2022] ||  Gazety volana Jolay[2022] || Gazety volana Aogositra[2022] || Gazety volana Septambra[2022] || Gazety volana Oktobra[2022] || Gazety volana Novambra[2022] || Gazety volana Desambra[2022] || Gazety volana Janoary[2022] || Gazety volana febroary[2023] || Gazety volana mars[2023] || Gazety volana Aprily[2023] || Gazety volana novambra [2023]




  

EntteJournalNovambra2023

       fsmpap 

FIHAONAN’NY FIKAMBANAN’NY SILAMO MALAGASY(FSM) SY NY KHOJA TAMIN’NY PAPA FRANÇOIS TANY VATICAN.

Nanao tatitra mahakasika ny dian’izy ireo tany Vatican ny fikambanan’ny Silamo Malagasy (FSM) sy ny Communauté KHOJA ; ny 13 novambra 2023 teny amin’ny toeram-piasan’ny Nonce Apostolique Ivandry.

Nitafa tamin’ny mpanao gazety teny Ivandry; ny fikambanan’ny silamo Malagasy (FSM) mahakasika ny dian’izy ireo tany Vatican izay nihaonany tamin’ny Papa François ny fahasivin’ny volana novambra lasa teo ka nitondrany ny feon’ny finoana silamo eto Madagasikara. Fihaonana izay manamafy ny firahalahiana sy firaisan-kiana misy eo amin’ny finoana silamo sy ny finoana kristianina.

Tohiny


I MADAGASIKARA : NANDRAY ANJARA TAMIN’NY FIVORIAN’IREO GOVERINORAN’NY TAHIRIM-BOLA IRAISAM-PIRENENA ATY  AMIN’NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA.

economie02

Na dia eo aza ny ezaka te-hanorina sy hanangana fotodrafitr’asa eto amintsika, tsy afaka atao tiankano tsy tiankano izany fa miankina amin’ny eo ampelantanana. Etsy ankilany ihany koa, ny mpitantana dia efa nametrahan’ny maro anisa ny safidiny ka anjarany no mametraka ny laharapahamehana hatao amin’izay misy sy voafaritra ao amin’ny teti-bola ampiasaina. Tsy misy ‘‘ ABRAKA –ABRAKA’’ io fa tena tokony efa voafaritra ao anatin’ny ( LFI) Lois de Finance Initial ) avokoa izay rehetra hatao mandritra ny fanombohan’ny taona.........

Tohiny

ETO MADAGASIKARA: RAIKITRA NY TSENAN’NY LETCHI, MARO IREO ASA MIFORONA, MISITRAKA IZAY TANDRIFY AZY NY ISAM-BATANOLONA.

letchi

Fotoana fiakaran’ny vokatra letchi izao, manome asa na mivantana na ankolaka fa indrindra any amin’reo faritra misy azy ity vokatra iray ity. Efa ela no niandrasana ny daty hisokafan’ny fiotazana ka izao nisokatra nanomboka ny talata 21 novambra ny taom-piotazana letchi 2023 ho an’ny faritra Analanjirofo sy Atsinanana izao. Tao Ambinany , Ambodimanga II, distrika Fenoarivo Atsinanana no nanamarihana izany ho an’ny faritra Analanjirofo, notarihin’ny goverinora Randriamanantena Marcellin.....

Tohiny

 

NY ANDRO MAFANA SY NY TEVI-DOHA

EnfantMalades

Ny andro mivadibadika indrindra raha sendra ny hafanana miakatra be no mahabetsaka ny trangana tevi-doha indrindra eo amin’ny ankizy.

Ny vanim-potoanan’ny main-tany izay mampafana ny andro dia maro ny fitandremana tokony atao satria somary ambany kokoa ny hafanana ny maraina raha miakatra ambony dia ambony ny hafanana amin’ny mitataovovonana hatramin’ny telo tolakandro. Izany no antony voalohany mahatonga ny tevi-doha........

Tohiny

NY FATRAN’NY RANO ILAIN’NY VATAN’NY ZAZA AO ANATIN’NY IRAY ANDRO.

EnfantEau

Miovaova arakaraky ny taona ny fatran’ny rano ilain’ny olombelona, na ny zaza vao teraka hatramin’ny fahatelo volana aza dia mila rano ihany koa.

Zava-dehibe eo amin’ny fahasalaman’ny olombelona ny rano na ho an’ny kely na ho an’ny lehibe. Manodididna ny 300ml isan’andro ho an’ireo latsaky ny 3 volana. Tsy midika izany fa azo hampisotroina rano avy hatrany ny zaza latsaky ny 3 volana.  Amin’ny alalan’ny nonon-dreny no idiran’izany anaty vatany. Tokony hisotro rano betsaka kokoa ireo reny mampinono noho izany hialana amin’ny tsy faham-piandrano...........

Tohiny

LALAO FIFANINTSANANA HIDIRANA AMIN’NY MONDIALY, TSY NAVELAN’I Barea HITSANGA-MENATRA I MADAGASIKARA.

barea



Afaka ny tebiteby, nisinda ny sento, nisava ny tahotra tamin’ny Malagasy satria nibata fandresena nanoloana an’i Tchad ny Barea an’i Madagasikara tany Maroc. Nandrombaka ny isa telo tamin’ny alalan’ny fandresena telo noho ny tsy misy manoloana ny « Les Sao » ny malagasy. Tafiditra ao anatin’ny andro faharoa amin’ny fifanintsanan’ny lalao eran-tany 2026 ity lalao ity. Nahafaty baolina roa i Njiva, tolotra avy any amin’ny Metanire sy El’Hadari. I Loïc Lapoussin kosa no nanamarika ny baolina fahatelo, izay mbola tolotra avy any amin’ny El’Hadari hatrany.

Tohiny

NY ATY AMIN’NY FARI-DRANOMASIMBE INDIANINA ANDREFANA (WIO) : RESY LAHATRA AMIN’NY TOKONY HANANANA PAIKADIM-PANDRINDRANA NY RANOMASINA.


OceanI

Ny ranomasina, harena foin’Andriamanitra omena ny olombelona. Miavaka ireo firenena sy ireo faritra ahitana ny ranomasina eto amin’izao tontolo izao. Mitsiriritra azy avokoa ireo mpizahatany satria mizy ny mampiavaka azy arakaraky ny kaontinanta misy azy, ny firenena misy azy sns… Raha i Madagasikara manokana dia manana ny lakadranon’i Mozambika sy i pangalana, ary izy io dia reharehantsika tokoa. Harena hitambarana amin’ny hafa ireo fa saingy manana isika ka miaro izany miaraka.

Tohiny