ECOUTEZ LA RADIO :  

Gazety volana Aprily[2022]

Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021] || Gazety volana aprily [2021] || Gazety volana mey [2021] || Gazety volana Jona[2021] || Gazety volana Jolay[2021] || Gazety volana Aogositra[2021] || Gazety volana Septambra[2021] || Gazety volana Oktobra[2021] Gazety volana novambra [2021] || Gazety volana desambra [2021] || Gazety volana Janoary [2022] || Gazety volana Febroary[2022] || Gazety volana Marsa[2022] || Gazety volana Aprily[2022]




  

EntteJournalAprily2022


Ramadan01Grand

VOLANA MASINA RAMADANY VOLAN’NY FIBEBAHANA SY FIFAMELANA

TORITENY NATAON’NY MPAMINANY MOHAMMAD (SAW) MIALOHAN’NY VOLANA RAMADANY

Niteny ny Irak’Andriamanitra Mohammad (saw) manao hoe: Ô ry olona ! Tonga aminareo tokoa ilay volanan’Andriamanitra miaraka amin’ny fahasoavana sy ny fiantrana ary ny famelana. Ilay volana tsara indrindra amin’ireo volana rehetra eo anatrehan’Andriamanitra, ny andro amin’izany volana izany dia tsara noho ireo andro rehetra, ny alina amin’izany volana izany dia tsara noho ireo alina rehetra, ary ny ora amin’izany volana izany dia tsara noho ireo ora rehetra. Ilay volana izay hiantsoana anareo ho vahinin’Andriamanitra, ka ahatonga anareo ho isan’ireo manam-boninahitra eo anatrehany, ny fofon’ainanareo dia efa fiderana, ny torimasonareo dia efa fanompoana, ny asa soa izay ataonareo dia voaray, ary ny fangatahanareo dia voavaly amin’izany volana izany. Tsarovy ny hanohananareo sy ny hetahetanareo amin’izany volana izany, amin’ny hanohanana sy ny hetaheta amin’ny andro fitsanganana, ary miantrà ireo mahantra sy ireo fadiranovana aminareo.

Tohiny


VOLANA MASINA RAMADANY ETO MADAGASIKARA. ANKOATRAN’NY MAHA VOLAN’NY FIBEBAHANA AZY, NY FIFADIAN-KANINA NO AHAIZAN’NY MARO AZY.Ramadan0322kotba

Volana ramadan, volana faha 9 izy io ato anatin’ny finoana islam. Ny fifehezana na fifadian-kanina no famantarana izay hamantaran’ny maro azy hatrizay. Ny faritra avaratra, andrefana sy atsimo no tena ahitana ny silamo maro indrindra raha ny eto amintsika. Miova tanteraka ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny isaky ny volana masina ramadany amin’ireo faritra ireo, toy ny fahamaroan’ny olona miditra ny moske, ny tanora mampiaka-bady, sns….

Tohiny


FINOANA SILAMO ETO MADAGASIKARA :   NIANTSO FIRAISAN-KINA AO ANATIN’NY  FAHASAMIHAFANA NANDRITRA NY FIARAHA- NISAKAFO TAMIN’IREO ANTOKOM-PINOANA  SY NY VONDROMPINOANA MISY TETO  MADAGASIKARA NY ALIN’NY  16 APRILY LASA TEO.

radisonPetit270421

Firenena miavaka i Madagasiraka amin’ny fananan’ireo karazana finoana sy kolontsaina mandoko ny fiarahamonina ao anatiny. Iray amin’ireo finoana ireo izay efa mila hivadika kolontsaina mihitsy eto amintsika dia ny finoana Silamo. Any amin’ny tapany avaratra sy any andrefana no tena ahitana taratra izany. Porofo iray dia ny fomba atao rehefa mamono omby any amin’ireo faritra ireo ka hovarotina eny antsena dia tsy maintsy miantso silamo no manapaka azy.

HARENA NY FAHASAMIHAFANA FA TSY NATAO HIFANDIRANA HOY NY FILOHAN’NY CROI...........

Tohiny

FAMARITANA NY TSINAMBOLANA AMIN’NY ANDRON’NY IDD FITR : MITARIKA RESABE IZANY ETO AMINTSIKA, MISY FIFANOHERANA INDRAINDRAY.’’

eidPetit270422

Na amin’ny andron’ny Idd, na amin’ny fidirana amin’ny volana masina ramadany, mitarika resa-be ny fahitana na tsia ny tsinam-bolana raha ny eto Madagasikara no asiana resaka. Matetika dia latsaka ao anatin’ny lakan’ny fisalasalana ny rehetra amin’io toe-draharaha io manoloana ny fifehezana na tsia amin’izany volana masina izany. Nitondra fanadihadiana manoloana ity toe-javatra ity ny mpanao gazety eto amin’ny gazety fahendrena tamin’ireo tompon’andraikitra ara-pinoana ny amin’ny mahakasika ny lalàna mifehy sy ny tokony hatao mba tsy hisalasalan’ny tsirairay amin’ny manaraka. 

Tohiny


FIZAHAN-TANY ETO MADAGASIKARA....EFA MANOMBOKA HIVERINA AMIN’NY LAONINY, TAFAPAKA ANY AMIN’NY MPISEHATRA NY EZAKA NATAON’NY FANJAKANA .

tourismMadaPetit270422

Efa miditra tsikelikely amin’ny famerenana amin’ny laoniny amin’ny sehatra ny fizahantany i Madagasikara taorian’ny fepetra noraisina ny tamin’ny fanidiana ny sisintany izay naharitra roa taona teo.

Nitaraina naharary nandritra ny fotoana nanakatonana ny sisintany ny mpisehatra ao anatin’io seham-pihariana io , ankehitriny kosa faly izy ireo satria efa miroso tsikelikely amin’ny fiverenan’ny sidina iraisam-pirenena i Madagasikara. Fanamby napetraky ny minisiteran’ny Fizahantany  ny mba hamelona indray ny asa fizahan-tany, mba hampiroborobo ....

Tohiny