ECOUTEZ LA RADIO :  

Gazety volana mars[2023]

 

Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021] || Gazety volana aprily [2021] || Gazety volana mey [2021] || Gazety volana Jona[2021] || Gazety volana Jolay[2021] || Gazety volana Aogositra[2021] || Gazety volana Septambra[2021] || Gazety volana Oktobra[2021] Gazety volana novambra [2021] || Gazety volana desambra [2021] || Gazety volana Janoary [2022] || Gazety volana Febroary[2022] || Gazety volana Marsa[2022] || Gazety volana Aprily[2022] || Gazety volana Mey[2022] || Gazety volana Jona[2022] ||  Gazety volana Jolay[2022] || Gazety volana Aogositra[2022] || Gazety volana Septambra[2022] || Gazety volana Oktobra[2022] || Gazety volana Novambra[2022] || Gazety volana Desambra[2022] || Gazety volana Janoary[2022] || Gazety volana febroary[2023] || Gazety volana mars[2023]




  

EntteJournalMartsa2023

       Ramadan01Grand

 

VOLANA MASINA RAMADANY , VOLAN’NY FIOVANA SY FIVERENANA AMIN’ILAY MPAHARY.

Toriteny nataon’ny Mpaminany Mohammad(saw) mialohan’ny volana Ramadany.

Niteny ny Irak’Andria­manitra Mohammad (saw) manao hoe: Ô ry olona ! Tonga aminareo tokoa ilay volana an’Andriamani­tra miaraka amin’ny fahasoavana sy ny fiantrana ary ny fame­lana. Ilay volana tsara indrindra amin’ireo vo­lana rehetra eo anatre­han’Andriamanitra, ny andro amin’izany volana izany dia tsara noho ireo andro rehetra, ny alina amin’izany volana izany dia tsara noho ireo ali­na rehetra, ary ny ora amin’izany volana izany dia tsara noho ireo ora rehetra. Ilay volana izay hiantsoana anareo ho vahinin’Andriamanitra, ka ahatonga anareo ho isan’ireo manam-bonina­hitra eo anatrehany, ny fofon’ainanareo dia efa fiderana, ny torimasona­reo dia efa fanompoana, ny asa soa izay ataonareo dia voaray, ary ny fan­gatahanareo dia voavaly amin’izany volana izany. Tsarovy ny hanohanana­reo sy ny hetahetanareo amin’izany volana izany, amin’ny hanohanana sy ny hetaheta amin’ny andro fitsanganana, ary miantrà ireo mahantra sy ireo fadiranovana ami­nareo.

Tohiny


IREO ZAVATRA MANAPAKA NY FIFEHEZANA AMIN’NY VOLANA MASINA RAMADHAN

RamadanLois0323

Anisan’ny tsara ho fantatry ny mpino silamo ireo zavatra manimba na manapaka ny fifehezana izay ataony mandritra ny volana masina Ramadhan, ka ireto avy ny tsara ho fantatra mikasika izany :

  1. Ny fihinana sy ny fisotrona an-tsitra-po

Ny zavatra tsara ho marihina amin’izany dia tsy misy ny mahasamy hafa ireo zavatra fihinana sy fisotro rehetra, na betsaka na kely, na amin’ny alalan’ny ..

Tohiny

VOLANA MASINA RAMADANY ETO MADAGASIKARA.

ANKOATRAN’NY MAHA VOLAN’NY FIBEBAHANA AZY, NY FIFADIAN-KANINA NO FAMANTARAN’NY  MARO AZY.

RamadanKareemOk0323

 

Volana ramadan, volana faha 9 izy io ato anatin’ny finoana islam. Ny fifehezana na fifadian-kanina no famantarana izay hamantaran’ny maro azy hatrizay. Ny faritra avaratra, andrefana sy atsimo no tena ahitana silamo maro indrindra raha ny eto amintsika. Miova tanteraka ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny isaky ny volana masina ramadany amin’ireo faritra ireo, toy ny fahamaroan’ny olona miditra ny moske, ny tanora mampiaka-bady, sns….

Tsy ny mpino silamo ihany no manaja ny volana masina ramadany any amin’ny faritra avaratry ny nosy, na dia ireo ........

Tohiny

 

FAMARITANA NY TSINAMBOLANA AMIN’NY FIATOMBOHAN’NY VOLANA RAMADAN SY FAMARANANA AZY, MITARIKA RESABE IZANY ETO AMINTSIKA, MISY FIFANOHERANA INDRAINDRAY.

RamadanKareemOk0323

Na amin’ny andron’ny Idd, na amin’ny fidirana amin’ny volana masina ramadany, mitarika resa-be ny fahitana na tsia ny tsinam-bolana raha ny eto Madagasikara no asiana resaka. Matetika dia latsaka ao anatin’ny lakan’ny fisalasalana ny rehetra amin’io toe-draharaha io manoloana ny fifehezana na tsia amin’izany volana masina izany. Nitondra fanadihadiana manoloana ity toe-javatra ity ny mpanao gazety eto amin’ny gazety fahendrena tamin’ireo tompon’andraikitra ara-pinoana ny amin’ny mahakasika ny lalàna mifehy sy ny tokony hatao mba tsy hisalasalan’ny tsirairay amin’ny manaraka.

Tohiny

VAVAKA FAMAKY AORIAN’NY FIVAVAHANA IN-DIMY ISAN’ANDRO MANDRITRA NY VOLANA RAMADHAN

RamadanVavaka0323

AMIN’NY ANARAN’ANDRIAMANITRA, ILAY BE FIANTRANA, ILAY BE INDRAFO

Tompo ô, tahio Mohamad sy ny fianakaviany

Ô r’Ilay avo indrindra! Ô r’ilay lehibe indrindra!

Ô r’ilay be fiantrana! Ô r’ilay be famindram-po! Ianao no Tompo ilay

lehibe indrindra tsy manam-paharoa! Ilay mandre sy mahita, ity ilay..........

Tohiny

NY FANINTONA EO AMIN’NY ZAZA LATSAKY NY DIMY TAONA, IZAY TSY MITOVY SY TSY MISY IFANDRASANY AMIN’NY ANDROBE.

enfant malade0323

Tranga roa matetika afangaron’ny olona maro ny androbe sy ny fanintona. Ny fanintona no asiana resaka manokana ato anaty lahatsoratra satria betsaka ireo zaza sy ankizy no mety ho voan’izy ity manolona ny fiovaovan’ny toetr’andro ka maha betsaka ny zaza sy ankizy manavy.

Maro ny fanontaniana mety hipetraka mahakasika ny fanintona sy ny androbe ; ny amin’izay antony sy ny hifandraisany. Ny valiny dia ny fanintona miverimberina amin’ny olona iray ny androbe. Nefa kosa, tsy midika izany fa ireo zaza manavy tsy mahazaka ny fiakaran’ny maripàna be loatra

Tohiny

NY SOVOKA SY NY HEVI-DISO MAHAKASIKA AZY

sovokaFemme 0323

Mbola hevi-diso mipetraka matetika ny mahakasika ny sovoka. Maro ireo mihevitra fa vokatry ny hatsiaka eo amin’ny vehivavy avy niteraka no mahatonga azy ity. Raha ny marina anefa aretina vokatry ny loto no tena mahatonga azy ary mety hitarika amin’ny fahafatesana raha tsy voatsabo tsara.

Tohiny

FANARAHAN-DALANA AMIN’NY FANANAN-TANY,  NISITRAKA TANY “Titre Vert Menabe Antimena”. IREO MPIFINDRA MONINA ANY AMIN’NY FARITRA MENABE.

Titre verrt 0323

Fanomezana tany ireo mpifindra monina avy any Atsimo nanorim-ponenana ao amin’ny faritra arovana Menabe Antimena ny tetikasa «titre vert». Tanjona amin’izany ny analana azy ireo amin’io toerana io. Tsy esorina fotsiny amin’izao fa omena tany hiariany ireo olona ireo. Rehefa hita fa voajariny ny tany dia tolorana  karantany. Ao Bezeky araka izany no nametrahanan’ny fitondram-panjakana ireo tokantrano mpifindra monina miisa 500. Ankoatra azy ireo dia hisitraka an’ity tetikasa ity  koa ireo mpamboly miisa 1000 monina manodidina an’i Menabe Antimena. Hamboly amina velaran-tany mirefy 1 700 Ha  izy rehetra ireo.

Tohiny