Gazety volana septambra 2020
- Détails
- Catégorie : Non catégorisé
- Publication : lundi 19 octobre 2020 08:14
- Écrit par Super Utilisateur
- Affichages : 1627
Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021]
RAHA NY FAMBOLENA NO VAHA OLANA ETO AMINTSIKA… ‘‘TSY ILÀNA ZAVATRA LAVITRA IZANY, HATOMBOY AMIN’IZAY MISY ALOHA, SAMY TOKONY HANANA NY ZAVATRA MAMPIAVAKA AZY NY FARITRA REHETRA ETO AMINTSIKA’’.
Télécharger notre calendrier islamique 1442H en format pdf
Manoloana ny fahatrana efa nitarazoka nandritra ny taona maro teto amintsika ,ny fanadihadian natao nilàza fa vaha olana eto madagasikara ny fampiroboroboana ny sehatra eny ambanivohitra amin’ny alalan’ny fanatsràna ny fambolena izay ataon’ireo tantsaha.Tsy isafidianana izay tokony hatao fa mety avokoa ny vokatra misy eto amintsika , sady ialiana amin’ny sehatra iraisam-pirenena avakoa izy rehetra amin’ny ankapobeny.Ny ilany antsinanan’i Madagasikara no hita fa mamaly ny filàantsika amin’ny resaka fambolena. Toy ny efa misy any antoerana amin’izao no sady efa azo lazaina fa miroborobo ny fampolena ny papaye solo. Miroborobo tokoa satria mora ny efa vita voly any no sady efa mamokatra ary mifanaraka amin’iny toe-tany amin’ny tamany atsinanana iny ny Papaye solo. {hijeery ny lahatsoratra rehetra}
RAHA NY FAMBOLENA NO VAHA OLANA ETO AMINTSIKA… ‘‘TSY ILÀNA ZAVATRA LAVITRA IZANY, HATOMBOY AMIN’IZAY MISY ALOHA, SAMY TOKONY HANANA NY ZAVATRA MAMPIAVAKA AZY NY FARITRA REHETRA ETO AMINTSIKA’’. Manoloana ny fahatrana efa nitarazoka nandritra ny taona maro teto amintsika ,ny fanadihadian natao nilàza fa vaha olana eto madagasikara ny fampiroboroboana ny sehatra eny ambanivohitra amin’ny alalan’ny fanatsràna ny fambolena izay ataon’ireo tantsaha{hijeery ny lahatsoratra rehetra} |
NY FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA SY NY FITRANDRAHANA HAZO ETO MADAGASIKARA : MITSINJO LAVITRA NY MINISITRA TOMPON’ANDRAIKITRA ETO AMINTSIKA, ‘‘ALEO HATAO TERY OMBY RIRININA NY FITRANDRAHANA’’. Manao ny ainy tsy ho zavatra ny mpiaro ny tontolo iainana eto amintsika manoloana ny fandripahana ataon’ireo mpanao izany. Na eny amin’ny faritra arovana aza, tsy tahotra tsy henatra dia manao izany ireo mihevi-tena fa ho ambonin’ny lalàna. Ny fikorotanan’ny tontolo iainana hiaraha-manana anefa efa hiaraha-mahita amin’izao vokatr’io asa ratsy io. {hijeery ny lahatsoratra rehetra} |
AKON’NY VOLANA MOHARAM ...NIOMPANA TAMIN’NY ASA SOSIALY NY HETSIKA NATAON’NY CRA TAMIN’ITY TAONA ITY, ANY MANAKARA NO HATAO NY FAHATSIAROVANA NY FAHA 40 ANDRO. Tsy mitsaha-mitombo isa-taona ny olona manerantany mamaly ny antson’Imam Houssein tao karbala amin’ny fahatsiarovana ny naha maritiora azy. Tsy ambakain’ny any karbala isika mpino silamo raha ny eto madagasikara amin’ny faritra izay nandalovan’ny mpanao gazety ‘‘NY FAHENDRENA’’ tamin’ny fanadihadiana natao tamin’ity taona 2020 ity. Ankehitriny ny famaliana ny antso nataon’i Imam Houssein (as) tao karbala dia efa azo sokajiana ho amin’ny dingana rehetra tandrify azy ny tsirairay, na amin’ny resaka fampianarana sy fanitarana ny finoana, na amin’ny resaka fiarovana azy fa indrindra amin’ny fifampitsinjovana amin’ny samy mpiara-belona amin’ny resaka sosialim-bahoaka. Manomboka mihamiroborobo ny fitiavana ireo fianakavian’ny Mpaminany, ary efa mihamahazo toerana ao ampon’ny mpino ny fandraisana anjara izay tokony hataony, ka tsy navelan’ny mpino silamo Shian teto Antananarivo ( CRA) handalo ny andro fahatsiarovana izay nahalavo maritiora ny zafin’i Mpaminany sy ny fianakaviany.{hijeery ny lahatsoratra rehetra} |