ECOUTEZ LA RADIO :  

Gazety volana novambra [2021]

Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021] || Gazety volana aprily [2021] || Gazety volana mey [2021] || Gazety volana Jona[2021] || Gazety volana Jolay[2021] || Gazety volana Aogositra[2021] || Gazety volana Septambra[2021] || Gazety volana Oktobra[2021] Gazety volana novambra [2021]




  


FANKALAZÁNA NY MAOLIDY NIARAHANA TAMIN’NY GFCMM : NIFAMPITAONA TENY AMIN’NY KIANJAN’NY CHEMINOS  ANTANANARIVO, NY  1er NOVAMBRA 2021 LASA TEO IREO MPINO ISLAMO.

WiladNbiCheminos

Toy  ny  mahazatra isan-taona amin’ny fankalazàna ny andro nahaterahan’ny Mpaminany Mohamad (saw), ny fianakaviambe ny mpino silamo rehetra eto Madagasikara na  ny ‘‘Association de la grande famille de la communauté Musulmane de Madagascar’’ no nikarakara izany, izay niombonan’ny Sounit, shiite , Khodja, Bohra, ... Araka izany dia nifampitaona teny amin’ny  kianjan’ny cheminos  ny mpino islamo mba hankalaza ny andro nahaterahan’ny MpaminanyMohamad (saw). Nizara fifaliana araka izany ny fianakaviam-ben’ny mpino silamo nentina indrindra nameloma-maso ity andro nahaterahan’ny Mpaminany (saw) ity izay tokony hifalian’ny rehetra.

Tombanana ho  maherin’ny 1000, teo ho eo ny mpino silamo tonga  teny antoerana , ary nahitana ny solontenan’ireo mpino avy any amin’ny faritra ny mpanotrona ity fety ity, anisan’izany ny avy tany Mahajanga sy ireo vahiny avy any ivelany toy ny masoivohon’ny firenena iranianina izay miasa sy.................

Lahatsoratra rehetra


ARETINA CORONA VIRUS ETO MADAGASIKA ...NY HAMEHANA NO NOFOANANA FA NY FEPETRA DIA TOKONY HITOHY MANOLOANA NY FIRONGATRIN’NY ARETINA  ATY AMIN’NY FARITRA MENABE AMIN’IZAO.

covidPetit

Ahiana ny mety hiverenan’i Madagasikara amin’ny fihibohana fahatelo raha tsy asiana fitandremana ny zava-mitranga  aty amin’ny faritra Menabe amin’izao fotoana izao manoloana ny firongatrin’ny aretina corona virus aty antoerana. Napetraka eto Morondava ny “Centre Régional Opérationnel D’urgence” (CROU) izay andraisan’ ny OMC, ny fitaleavam-paritry ny  minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka,.........

Lahatsoratra rehetra


Ny nahariana ny tontolo.

Izy no nahary ny voahary tamin’ny fiatombohan’ny fahariana,  sy nanomboka izany tamin’ny famoronana voalohany, tsy nisy hevitra nodinihina, no sady tsy nisy fanandramana nampiharina, na fihetsika notanterahina, na ahiahy nampitebiteby Azy tamin’izany. Nomeny fotoanany avy ireo zava-boahary, ary narindrany mba hifanaraka ny fahasamihafan’izy ireo, sy nataony samy manana ny fombany avy izy ireo,......

Lahatsoratra rehetra

FAMBOLEM-BARY ATY AMIN’NY FARITRA MENABE ‘‘ MITAKY NY ANDRAIKITRY NY FANJAKANA AMIN’NY FAMETRAHANA LAMINA NY VAHOAKA MPAMPIASA NY LAKANDRANON’NY DABARAHA .

DecentralisationDevMadaPetit 1021

Ny faritra MENABE dia isany faritra lavitra ny kere noho ny fisian’ny Dabara manondraka ny velarantany an’hektaran’ny maro ato amin’ny faritra natao hambolem-bary.Mamokatra isan-taona ny faritra handalovan’ity lakandrano mikodana ity. Olana anefa ny disadisan’ny fokonolona mpampiasa azy sy ny faharatsian’ny fotodrafitr’asa ihany koa. Efa maro ny ezaka natao mba handaminana ny disadisa misy, tsy maharitra anefa ny vahaolana naroso hatr’izay matoa mbola hita taratra izany hatramin’izao. Misy fiantraikany amin’ny famokarana aty antoerana anefa ny olana misy eo amin’ity vavarano ity raha ny fanadihadiana nataonay.

Lahatsoratra rehetra


ETO MADAGASIKARA FARITRA MARO NO MBOLA AHITANA NY ‘‘FANGERENA AN-KALAMANJANA’’  MBOLA MITOHY NY ADY HATRAMIN’IZAO.

Efa an-taonan’ny maro izay no nampisy ireo rafitra ara-pahasalamana manokana misahana ny ady atao amin’ny fangerena an-kalamanjana eto Madagasikara. Maro ny vokatra efa azo fa mbola mitaky ezaka goavana izany amin’ny tsirairay fa indrindra amin’ny tomponandraikitra hatramin’izao raha ny fanadihadiana nataonay mikasika ity tranga iray ity. Ny zava-misy mantsy, saika isan-taona dia ahitana valan’aretina hafahafa izao eto Madagasikara , mbola mahazo lapa ihany koa ny aretim-pivalanana etsy ankilany vokatr’io tay sy .......Lahatsoratra  rehetra(Hady WC)


ETO MADAGASIKARA ....OLONA MAHERIN’NY 450 NO NIDAOSIN’NY FAHAFATESANA SAIKA ISAN-TAONA VOKATRY NY TAZOMOKA.

Tsy hoe nanamaivana ny aretina ‘ ‘ CORONA VIRUS’’ akory ny fitondrana nampitaha ny taha-pahafatesan’ny tazomoka sy ny corona fa tena zavatra iainana eto amintsika no nambara. Ady mangatsiaka tsy tokony hampatoritory manan-draharaha ny tompon’andraikitra misahana ny fahasalamam-bahoaka eto amintsika ny firongatrin’ny tazomoka izay tena mbola mahafaty olona an-jaton’ny maro eto amintsika.......Lahatsoratra rehetra



Tohin'ny gazety