ECOUTEZ LA RADIO :  

Gazety volana Jona

Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021] || Gazety volana aprily [2021] || Gazety volana mey [2021] || Gazety volana Jona[2021]


FAHASALAMANA  || SOSIALY || TONTOLO IAINANA 



  

EntteJournalJona2021

Télécharger notre calendrier islamique 1442H en format pdf


FANATSARANA NY FAHASALAMANA ETO MADAGASIKARA, MPIRAHALAHY MIANALA NY GOUVERNEMANTA MALAGASY SY NY AMERIKIANINA , AZO TSAPAIN-TANANA NY VOKATRA AZO .

sante0621

Nanatsara ny fahasalaman’ny mpiara-belona  tamin’ny faritra fito teto Madagasikara ny tetikasa ara-pahasalaman’ny USAID. Rehefa niasa mandritra ny dimy taona ny tetikasa ‘‘Mahefa Miaraka’’ dia nahatsangana rafitra ara-pahasalamana matanjaka ho an’ny fiarahamonina tany ambanivohitra.

Nomarihan’ny Tale Jeneralin’ny USAID, Atoa John Dunlop, sy ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr. Rakotovao Hanitra Jean-Louis,  izay samy nihaiky fa nanomboka tamin’ny taona 2016 ity tetikasa fantatra amin’ny anarana hoe ‘‘Mahefa Miaraka’’ ity no nanohana ara-teknika ny Minisiteran’ny Fahasalaman-bahoaka eo amin’ny fanatanterahana ny politika nasionaly momba ny fahasalaman’ny mpiara-belona (PNSC) tany amin’ny faritra fito teto amintsika dia ny faritra  Analanjirofo, Boeny, DIANA, Melaky, Menabe, SAVA ary Sofia,  dia izao nifarana izao...............

(Hijery ny lahatsoratra rehetra)


HAFATRA HOAN’NY MPIASA TENA ….ATAOVY TSARA NY ASA NOVOKARINAO,  RY TANORA NAMANA AZA AMIDY MORA NY FAHAIZANA.

artisanatPetit0621

Voaresaka matetika ny antony mahatonga ny fahantrana eto Madagasikara. Efa maro ny vahaolana naroso teto amin’ny pejy , ary saika manodidina ny amin’ny famoronana asa hoan’ny tena no efa imbetsaka miverimberina eto. Tsy reraka ny mamerina izany fa  miankina amin’ny fiezahan’ny tsirairay ny fandrosoana sy ny fananan’asa hoan’ny rehetra. Tsy olana eto amintsika mihitsy amin’izao ny tsy fahaizan’ny tanora.

Mamokatra firy moa ny oniversite ankehitriny amin’ny tanora Malagasy izay nahavita fianarana?........(Hijery ny lahatsoratra rehetra)


KERE ANY AMIN’NY TAPANY ATSIMON’I MADAGASIKARA ‘’ MITOHY NY ASA SOSIALY IARAHANA AMIN’NY FCRA, NY CROI, NY MINISTERAN’NY MPONINA SY NY MINISTERAN’NY FAHASALAMANA.

KerePetit0621

Fizaràna vary, sakafo masaka sy kojakoja ilaina entina hiadiana amin’ny kere any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara no nataon’ireo mpisehatra ara-tsosialy nanao rodobe tany amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara tamin’ny tapakin’ny volana Mey  lasa teo.  Mamely mafy ny kere any atsimon’ny Nosy, tsy mijery fotsiny anefa ny tompon’andraikitra manoloana izany fa manao ny ezaka rehetra hiadiana amin’ny kere izay iarahana amin’ireo malala-tanana sy tsara sitrapo eto amintsika........

(Hijery ny lahatsoratra rehetra)

TONTOLO IAINANA ETO MADAGASIKARA ‘‘MIHA-MANJAKA NY HAINTANY, RITRA NY RANO ….MITAKY FANDRAISANA ANDRAIKITRA NY ZAVA-MITRANGA.

tanyMaikyPetit0621

Raha nosy maintso no anaran-tsamirery nentin’i Madagasikara teo aloha, mijanona ho tnatara izany satria efa nivalona vokatry ny hetraketrak’ireo mpandripaka ala.Amin’ny maha 80% ny mponina mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana ny mponina eto  Madagasikara, ny orana dia isan’ny tena ilaina aminin’ny sehatra rehetra entin’ny mponina hivelona eto. Amin’izao fotoana izao, miha-mihena ny habetsahan’ny orana, maina ny tany, …......................

(HIjery ny lahatsoratra rehetra)