ECOUTEZ LA RADIO :  

Tohiny( FITOKANANA FOTODRAFITRASA) [0822]

Fifanampiana Centre Rassoul Akram (FCRA)

FITOKANANA FOTODRAFITRASA MARO MIFOTOTRA AMIN’NY FANABEAZANA SY NY FAHASALAMANA TAO AMIN’NY KAOMININA AMBANIVOHITRA SAKOANA DEPARTEMANTAN’I AMBAHIVE DISTRIKA MANAKARA FARITRA FITOVIGNANY

Tontosa ny talata 28 jona 2022 teo ny fitokanana ireo fitodrafitrasa maro manome lanja ny fanabeazana sy ny fahasalamana tao amin’ny kaominina Ambanivohitra Sakoana izay nataon’ny fikambanana mpanao asa soa ny « fifanampiana Centre Rassoul Akram (saw), FCRA », izany moa dia nahitana fotodrafitrasa toy ny « Ecole privée la sagesse », ny ivon-toerana natokana hitaizana ireo zaza kamboty, ny efitrano lehibe iray fanaovana sehatra ara-kolotoraly natokana ho an’ny tanora (salle culturelle pour le developpement de la jeunesse fitovignany), nisy koa ny fitokanana ny efitranom-pianarana vaovao miisa 3 ho fanitarana ny EPP ao antoerana, nahazo efitrano vaovao miisa 10 ihany koa ny tao amin’ny CSB II sakoana, ary izany dia natokana handraisana an-tanana ireo vehivavy avy niteraka, ka fokontany miisa 8 no hisitraka izany ao an-toerana.

Angady nananana sy vy nahitana izao fotodrafitrasa goavana izao moa ny malala-tanana iray Atoa ZAYD na ny fianakavian’i Atoa HEDARALY DAYA, izay miara-miasa amin’ny fikambanana FCRA tarihin’i sheikh Haniphe Akbaraly, ireto farany izay nanambara fa mendrika ny tanora aty amin’ny faritra atsimo atsinanana aty ny mahazo fotodrafitrasa toy izao , mba ho fanosehana azy ireo amin’ny lafiny fampianarana sy mba hisitrahan’izy ireo ny fahasalamana araka ny tokony ho izy. Ny finoana Islamo hoy ny filoha tale jeneraly ny FCRA shk Haniphe dia tsy mba manavaka finoana na karazana, fa olombelona natambatry ny Zanahary iray isika ka mendrika eo anatrehan’Andriamanitra raha mifanohana sy mifanampy tahaka izao.

Tonga nanome voninahitra sy nitokana izany fotodrafitrasa izany tao Sakoana ny governora ny faritra fitovignany Jly Razafitsotra Lucien Laurel, ny prefet ny Manakara Rtoa RAHANTAMALALA Beatrice Hortance, depute ny Manakara Atoa Rasidimanana, ny ben’ny tananan’i Manakara Atoa Ramara Paulin, ny ben’ny tananan’i Sakoana Atoa Rabefibirana, ary ireo talem-paritra nahitana ny avy ao amin’ny mponina, ny fahasahalamana, fa anisany nanatrika izao lanonam-pitokanana izao ihany koa ireo olobe ampanjaka sy to-teny avy tao amin’ny departemantan’i Ambahive iny ary ireo vahoaka amanarivony manodidina ny tananan’i Sakoana.

Nambaran’ny ben’ny tananan’i Sakoana fa mendrika fisaorana mitafotafo ny malalatanana izay nahafoy vola aman-karena nanamboatra izao fotodrafitrasa izao, ary tetsy andininy nilaza ny Governoran’ny faritra Fitovignany fa anisan’ny faritra mbola manan-karena eto Madagasikara raha i Fitovignany koa niantso ireo mpanambola sy malalatanana izy mba hiditra antsehatra amin’ny fampiroboroboana ny toe-karenan’ny faritra izay tantanany, dingana lehibe manampy ny fampandrosoana aty aminay izao ezaka fanolorana fotodrafitrasa tahaka izao hoy hatrany izy, koa mendrika fisaorana ny FCRA sy ny fianakavian’Atoa Zayd.

Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo nofo-kena mitampihavanana moa ny lanonam-pitokanana.

 

Serasera FCRA