ECOUTEZ LA RADIO :  

Gazety volana aprily 2021

Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021] || Gazety volana aprily [2021]


FINOANA ||  FAHASALAMANA 



  

EntteJournalMars2021

Télécharger notre calendrier islamique 1442H en format pdf


Ireo zavatra manapaka ny fifehezana amin’ny volana masina Ramadhan

ramadan2021GrandOK

Anisan’ny tsara ho fantatry ny mpino silamo ireo zavatra manimba na manapaka ny fifehezana izay ataony mandritra ny volana masina Ramadhan, ka ireto avy ny tsara ho fantatra mikasika izany :

  1. Ny fihinana sy ny fisotrona an-tsitra-po

Ny zavatra tsara ho marihina amin’izany dia tsy misy ny mahasamy hafa ireo zavatra fihinana sy fisotro rehetra, na betsaka na kely, na amin’ny alalan’ny fomba hafa ankoatran’ny vava, ka na dia ohatra ary hoe nampiditra rano amin’ny alalan’ny orona an-tsitra-po dia manimba ny fifehezana izany.

  • Ary mbola manimba ny fifehezana ihany koa ny fitelemana an-tsitra-po ny potika sakafo tavela amin’ny vava na amin’ny nify.
  • Tsy manimba ny fifehezana kosa anefa ny fihinanana sy ny fisotrona tsy an-tsitra-po, ohatra nanadino ny mpino iray fa hoe izy dia ao anatin’ny fifehezana ka tafahinana na tafasotro dia tsy manimba ny fifehezana izay ataony izany.
  • Tsy manimba ny fifehezana ny fitsindromana amin’ireo fanafody amin’ny vatana, mitovy amin’ny mampiasa fanafody atao min’ny maso na amin’ny sofina.............(hijery ny lahatsoratra rehetra)

VOLANA MASINA RAMADANY 1442/2021 VOLAN’NY FIOVANA SY FIVERENANA AMIN’ILAY MPAHARY.

ramadanVolana2021Petit

Toriteny nataon’ny Mpaminany Mohammad(saw) mialohan’ny volana Ramadany

Niteny ny Irak’Andria­manitra Mohammad (saw) manao hoe: Ô ry olona ! Tonga aminareo tokoa ilay volana an’Andriamani­tra miaraka amin’ny fahasoavana sy ny fiantrana ary ny fame­lana. Ilay volana tsara indrindra amin’ireo vo­lana rehetra eo anatre­han’Andriamanitra,(Tohijery ny lahatsoratra rehetra)


44- دُعَاؤُهُ لِدُخُوْلِ شَهْرِ رَمَضَانَ

(44-TONOMBAVAKA FANAONY AMIN’NY FIDIRAN’NY VOLANA RAMADHAN)

doanOk01Petit04

Anisan’ny tonombavaka fanaony (fiadanana anie ho azy) rehefa miditra ny volana Ramadhân,dia hoe:

الْحَمْدُ لِلَّهِ الَّذِي هَدَانَا لِحَمْدِهِ ، وَ جَعَلَنَا مِنْ أَهْلِهِ لِنَكُونَ لِإِحْسَانِهِ مِنَ الشَّاكِرِينَ ، وَ لِيَجْزِيَنَا عَلَى ذَلِكَ جَزَاءَ الْمُحْسِنِينَ  .

Dera ho an’i Allâh izay nitarika anay amin’ny fiderana Azy, sy nametraka anay ho mendrika izany mba hahatonga anay anisan’ireo mpankasitraka ny Fanasoavany, sy mba hamaliany soa anay noho izany amin’ny valisoan’ireo mpanao asa soa.

............hijery lahatsoratra rehetra


45- دُعَاؤُهُ لِوَدَاعِ شَهْرِ رَمَضَانَ(45-TONOMBAVAKA FANAONY HO FANAOVAM-BELOMA NY VOLANA RAMADHAN)

doanOk01Petit04

وَ كَانَ مِنْ دُعَائِهِ عَلَيْهِ السَّلَامُ فِي وَدَاعِ شَهْرِ رَمَضَانَ

Anisan’ny tonombavaka fanaony (fiadanana anie ho azy) amin’ny fanaovam-beloma ny volana Ramadhân, dia hoe:

اللَّهُمَّ يَا مَنْ لَا يَرْغَبُ فِي الْجَزَاءِ  وَ يَا مَنْ لَا يَنْدَمُ عَلَى الْعَطَاءِ  وَ يَا مَنْ لَا يُكَافِئُ عَبْدَهُ عَلَى السَّوَاءِ . مِنَّتُكَ ابْتِدَاءٌ ، وَ عَفْوُكَ تَفَضُّلٌ ، وَ عُقُوبَتُكَ عَدْلٌ ، وَ قَضَاؤُكَ خِيَرَةٌ.......................Tohijery ny lahatsoratra rehetra


46- دُعَاؤُهُ فِي عِيدِ الْفِطْرِ وَ الْجُمُعَةِ(46-TONOMBAVAKA FANAONY AMIN’NY FETIN’NY “AL-FITR” SY NY ZOMA)

doanOk01Petit04

وَ كَانَ مِنْ دُعَائِهِ عَلَيْهِ السَّلَامُ فِي يَوْمِ الْفِطْرِ إِذَا انْصَرَفَ مِنْ صَلَاتِهِ قَامَ قَائِماً ثُمَّ اسْتَقْبَلَ الْقِبْلَةَ ، وَ فِي يَوْمِ الْجُمُعَةِ ، فَقَالَ :

Anisan’ny tonombavaka fanaony (fiadanana anie ho azy) amin’ny andron’ny “al-Fitr”, (rehefa vita ny salât nataony dia eo amin’ny toerany ihany izy no nitsangana sy nitodika any amin’ny “Qiblah”), sy amin’ny andro Zoma, ka hoy izy hoe:

يَا مَنْ يَرْحَمُ مَنْ لَا يَرْحَمُهُ الْعِبَادُ وَ يَا مَنْ يَقْبَلُ مَنْ لَا تَقْبَلُهُ الْبِلَادُ وَ يَا مَنْ لَا يَحْتَقِرُ أَهْلَ الْحَاجَةِ إِلَيْهِ

 hijery ny lahatsoratra rehetra


Hijery ny tohin'ny gazety