ECOUTEZ LA RADIO :  

Gazety volana Aogositra[2021]

Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021] || Gazety volana aprily [2021] || Gazety volana mey [2021] || Gazety volana Jona[2021] || Gazety volana Jolay[2021] || Gazety volana Aogositra[2021]


FINOANA || TOE-KARENA  || SOSIALY



  

EntteJournalAogositra 2021

Télécharger notre calendrier islamique 1442H en format pdf


IZA MOA IMAMO HOUSSEIN (AS)?

Houssen 2021

 IMAMO HOUSSEIN (AS), ILAY SAMBOFIARAN'NY FANAVOTANA

 Amin'ny anaran'Andriamanitra ilay be fiantrana, ilay be indrafo.

Maro ireo olona eran'izao tontolo izao no mahalala an'ny imamo Houssein (as), ary tsy voatery ho mpanaraka ny finoana islamo ihany izy ireo, fa maro koa ireo hafa finoana no tena mahalala sy manaja fatratra azy. Fa inona moa no anton’izany?

Olona masina sy manan-kaja miavaka ny imamo Houssein (as) satria nitsinjo ny zanak'olombelona tsy ankanavaka. Nijoro mba hanohitra ny tsindrihazolena, nanipaka ny tsy ara-drariny ary nanao sorona ny tenany sy ny fianakaviany tao Karbala ho an'ny fahamarinana ny imamo Houssen (as), ka nahatonga azy nomena ny anaram-boninahitra hoe : Raim-panorina ny fahafahana ( أبو الأحرار)........................

Tohin'ny lahatsoratra


ETO MADAGASIKARA ‘‘NIAKATRA AVO ROA HENY NY VIDIN’NY SARIBAO , FAMBARA LOZA AMIN’NY FAHAPOTEHAN’NY ALA VE IZY ITY ?

CharbonPetit 2021

Manaiky satria manao ny tsy mety ny mampiasa arina fandrehitra manerana ny Madagasikara saingy misy antony izany. Ankehitriny , mikaikaika ny mpampiasa saribao fa tena midangana ny vidiny amin’izao fotoana izao ka tsy rariny hoy izy ireo ary miantso vonjy amin’ny tompon’andraikitra voakasika izany.

…FA MANINONA NO MIAKA-BIDY NY SARIBAO, INONA NY FEPETRA NORAISIN’IREO TOMPON’ANDRAIKITRA ?

Araka ny fanambarana nataon’ny mpisolo-tena ny mpitrandraka ala ao amin’ny orin’asa Fanalamanga dia tokony hidina 20 000 ariary ny arina kesika fandrehatra iray gony (250kg) eny amin’ny mpamongady rehefa natao ny kajikajy.

...Tohin'ny Lahatsoratra

FARITRA MENABE : MIDANGANA NY ISAN’IREO ZAZA NIALA AN-DAHARANA ANTSEKOLY, HAVERINA IZANY HOY NY MINISITRA TOMPONANDRAIKITRA , EFA MANOMBOKA NY ASA.

EcolPetit

Maro amin’ireo zaza, ireo olom-pirenena  no mahita fa tsy ilaina ny fianarana , ny fidirana an-dakilasy amin’izao fotoana izao satria ireo tanora izay nahavita fianarana aza tsy mahita asa raha ny fanazavan’izy ireo. Raha ny faritra menabe manokana no hasian-teny maro ireo zaza no miala an-daharana amin’izay noho ny antony maro samy hafa , ao ny vokatry ny tsy fahampian’ireo ray amandreny ao ihany koa ny tsy fahazotoan’ireo zaza mihitsy amin’izay . Saika ny ray amandreny no mahazo tsiny sy ........

Tohin'ny lahatsoratra

FARITRA DIANA: MAMPITENY NY MOANA NY FIAKARAN’NY VIDIM-PIAINANA ,NIFAMPIDINIKA NY OMC SY IREO VONDRON’NY MPANDRAHARAHA.

PPNDIANAPetit 2021

Saika efa nahazatra ny mponina any amin’ny faritra DIANA ny fiakaran’ny vidim-piainana isan-taona fa efa tafahoatra izany ka mba nampiaka-peo izy ireo amin’ny farany . Raha araka ny fantatra dia niakatra avokoa ny vidin’ny entana ilain’ny mponina andavanandro any amin’ny faritra DIANA amin’izao fotoana izao. Tafakatra 9000 Ar hatramin’ny 10000 Ar ny litatry ny menaka raha 5000 Ar teo aloha. Ny siramamy dia tafakatra 3000 Ar ny kilao raha 2500 teo aloha, niakatra 3000 Ar ny kilaon’ny lafarinina, izay avy novidina 2000 Ar..…......................

Tohin'ny lahatsoratra



Tohin'ny gazety