ECOUTEZ LA RADIO :  

Tohiny( MPAMINANY MOHAMMAD (saw) TAO GHADIR KOUM) [0722]

SOMBINY AMIN’NY TORITENY NATAON’NY MPAMINANY MOHAMMAD (saw) TAO GHADIR KOUM

Hafatra masina iray mikasika ilay raharaha lehibe

Manaiky ny ho andevony aho sy mankasitraka ny fanjakany, ary hanambara ny hafatra izay nampitainy tamiko aho, fa raha tsy manao izany aho dia voavinaniko fa hisy loza tsy hay tohaina izay hianjady mafy amiko ka tsy misy na iza na iza afaka hiaro ahy amin’izany. Izy no mpandahatra lehibe sy sakaiza mendrika. Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy. Nampitandrina ahy Izy fa raha tazomiko tsy hambarako izay hafatra nampitainy tamiko mikasika an’i ‘Ali, dia tsy azo heverina ho nahatante­raka ny iraka nanirahana ahy hatrizay aho. Nilaza tamiko ihany koa Izy fa hampiala ahy handao an’ireo vahoaka. Izy no Allâh, Ilay Mahefa sy Mpamindrafo.

Izao no hafatra nampitainy tamiko : « Amin’ny Anaran’I Allâh, Ilay Be Fiantrana, Ilay Be Famindram-po. Ry Iraka, ambarao izay­nampitaina taminao avy tamin’Ilay Tomponao. Fa raha tsy ataonao izany, dia midika fa tsy nahatanteraka ireo iraka nanirahana anao ian­ao. Ary i Allâh no hiaro anao amin’ny olona ».

Ry vahoaka ! Izaho dia tsy nanao tsirambina tamin’ny fanambara­na ireo hafatr’I Allâh Avo Indrindra izay nampitainy tamiko. Hazavaiko avy eo ny antony nandefasana an’io andinin-tsoratra masina io. Niseho tamiko in-telo ilay Anjely Jibrâil. Nitondra ireo didy avy amin’Andri­amanitra Tompoko tsara indrindra izy, mba hijoroako eo anatrehan’ir­eo vahoaka marobe tahaka izao, ka hanambarako amin’ny olombelona tsirairay, na fotsy izy na mainty, fa i ‘Ali Ibn Abi Tâlib dia rahalahiko, mpandova ahy, mpandimby ahy amin’ity firenena ity, sy Imâm aoria­ko. Ny toerany eo anatrehako dia toa an’I Harona eo amin’I Mosesy, fa saingy tsy hisy mpaminany intsony avy aoriako. Izy no lehibenareo manarakaraka an’I Allâh sy ilay Irany. Izany indrindra no nahatonga an’I Allâh Ilay Lafatra sy Avo Indrindra nandefa ilay andinin-tsoratra masina ao amin’ny Bokiny milaza manao hoe : «Marina dia marina fa ny lehi­benareo dia tsy misy afa-tsy i Allâh sy ilay Irany sy ireo izay nino, izay nanao salât sy nanome zakât teo am-piondrehana (teo anatrehan’i Allâh)». ‘Ali Ibn Abi Tâlib no nanao sesilany ny fanaovana salât sy ny fanomezana zakât nandritra ny fiondrehany. Izany rehetra izany dia nato­lotra ho an’i Allâh tao anatin’ny fihetsika rehetra.

Niangavy an’i Jibrâil aho mba hangataka amin’i Allâh izay fomba tsy hanaovako izany fanambarana izany noho ny fahitako ny havitsian’i­reo mpino ary ny hamaroan’ireo mpihatsaravelatsihy sy ny tsikeran’ireo mpanakiana ary ireo hafetsen’ireo mpananihany ny finoana Islâm izay voalaza ao amin’ny Bokin’i Allâh fa : «Izy ireo dia miteny eo am-ba­van’izy ireo fotsiny izay tsy avy ao am-pon’izy ireo akory», ary ataon’izy ireo tsirambina izy na dia manan-danja tokoa aza eo amin’i Allâh. Izy ireo dia matetika maniratsira ahy ka nahatonga azy ireo indray andro, niantso ahy hoe « ilay tia mihaino loatra». Nilaza izany izy ireo rehefa tsikaritr’izy ireo ny firaiketany amiko im-betsaka sy ny fitiavako azy ary ny fankatoavany ahy. Allâh Ilay Tsitoha Ilay Be Voninahitra, dianande­fa andinin-tsoratra masina iray mikasika izany manao hoe: « Ary misy amin’izy ireo no manaratsy an’ilay Mpaminany ka milaza hoe: “Tia mihaino loatra izy” - izany hoe, olona mora mino izay zavatra he­nony - . Lazao hoe: “Fihainoana tsara ho anareo izany”. Fa mino an’i Allâh izy ary matoky an’ireo mpino». Lazaiko marina fa afaka mitanisa ny anaran’izy ireo sy maneho ny endrik’izy ireo aho. Nefa, noho i Allâh, dia tsy mendrika amin’ny voninahitro ny hanao izany.

Araka izany, i Allâh dia tsy hankasitraka ny asa nanirahana ahy raha toa ka tsy hambarako ny hafatra izay nampitainy tamiko mikasika an’i ‘Ali. « Ry Iraka, ambarao izay nampitaina taminao avy tamin’Ilay Tomponao. Fa raha tsy ataonao izany, dia midika fa tsy nahatanteraka ireo iraka nanirahana anao ianao. Ary i Allâh no hiaro anao amin’ny olona ».

ny anaran’izy ireo sy maneho ny endrik’izy ireo aho. Nefa, noho i Allâh, dia tsy mendrika amin’ny voninahitro ny hanao izany.

Araka izany, i Allâh dia tsy hankasitraka ny asa nanirahana ahy raha toa ka tsy hambarako ny hafatra izay nampitainy tamiko mikasika an’i ‘Ali. « Ry Iraka, ambarao izay nampitaina taminao avy tamin’Ilay Tomponao. Fa raha tsy ataonao izany, dia midika fa tsy nahatanteraka ireo iraka nanirahana anao ianao. Ary i Allâh no hiaro anao amin’ny olona ».

 

Maka Nicolas