ECOUTEZ LA RADIO :  

tohinVaticanFsm

FIHAONAN’NY FIKAMBANAN’NY SILAMO MALAGASY(FSM) SY NY KHOJA TAMIN’NY PAPA FRANÇOIS TANY VATICAN.

Nanao tatitra mahakasika ny dian’izy ireo tany Vatican ny fikambanan’ny Silamo Malagasy (FSM) sy ny Communauté KHOJA ; ny 13 novambra 2023 teny amin’ny toeram-piasan’ny Nonce Apostolique Ivandry.

 

Nitafa tamin’ny mpanao gazety teny Ivandry; ny fikambanan’ny silamo Malagasy (FSM) mahakasika ny dian’izy ireo tany Vatican izay nihaonany tamin’ny Papa François ny fahasivin’ny volana novambra lasa teo ka nitondrany ny feon’ny finoana silamo eto Madagasikara. Fihaonana izay manamafy ny firahalahiana sy firaisan-kiana misy eo amin’ny finoana silamo sy ny finoana kristianina.

Ho avy tsy ho ela araka ny nambaran’izy ireo ny « conférence inter-religieuse » na ny fihaonana eo amin’ny musulman sy ny kristianina izay entina manamafy hatrany  ny firaisan-kina eo amin’ny finoana silamo sy ny finoana krisitianina. Entina indrindra ihany koa hanatsara ny  fiaraha-monina eto Madagasikara izay fototry  hiaingan’ny fampandrosoana.

Isan’ny tanjon’ity dia ity ny nampahafantarana ny asa soa izay ataon’ny communaté KHOJA ho an’ny mpiara-belona eto Madagasikara. Satria miara-miasa amina fikambanana mpanao asa soa, sekoly ary fiangonana maro izy ireo mba hanampiana ny mpiara-belona.

 Ny hafatra mafonja avy amin’ ny Papa dia ny fitiavana, ny fanajana ny hafa, ny fahaiza-miaina, izay miaraka hatrany amin’ny fanajana ny kolontsaina sy ny finoan’ny hafa.  Hafatra izay tsy natokana ho an’ny mpino silamo na kritsianina ihany fa ho an’ny mpino rehetra. Samy miantso ny amin’ny fiaraha-miasa avokoa ireto finoana roa ireto.

Nisongadina nandritra ity fihaonana ity ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miaina sy ny fitsinjovana ny hafa. Ny olan’ny firenena no tokony ho jerena hoy izy ireo dia ny olan’ireo tsy  manana, ny olan’ireo izay ao anaty fahasahiranana sy mila fanampiana, ny olan’ny fampianarana, ny olan’ny olona amin’ny fiainana andavanandro.

Teo am-pamaranana dia nanambara izy ireo fa ny fanatsarana ny fiaraha monina eto Madagasikara no anton’izao satria tsy misy mahavitra tena na ny kristianina na ny silamo.  Raha ny finoana silamo eto Madagasikara manokana dia anisan’ny mitady ny firahalahiana sy ny firaisan-kina sy manaja ny finoan’ny hafa. Samy nanambara na ny avy eo anivon’ny finoana katôlika izay nisoloan’ny Nonce Apostolique tena ; na ny avy ao amin’ny finoana silamo izay nisoloan’ny FSM sy ny KHOJA tena fa zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny finoana samihafa ankoatra ny mahazava-dehibe ny firahalahiana sy ny firaisan-kina eo amin’ny finoana tsy mitovy izay tsy voatery ho ny finoana silamo na katolika ihany fa na ny finoana hafa ihany koa aza.

Sheikh Abou Mounir