ECOUTEZ LA RADIO :  

Gazety volana Aprily[2023]

 

Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021] || Gazety volana aprily [2021] || Gazety volana mey [2021] || Gazety volana Jona[2021] || Gazety volana Jolay[2021] || Gazety volana Aogositra[2021] || Gazety volana Septambra[2021] || Gazety volana Oktobra[2021] Gazety volana novambra [2021] || Gazety volana desambra [2021] || Gazety volana Janoary [2022] || Gazety volana Febroary[2022] || Gazety volana Marsa[2022] || Gazety volana Aprily[2022] || Gazety volana Mey[2022] || Gazety volana Jona[2022] ||  Gazety volana Jolay[2022] || Gazety volana Aogositra[2022] || Gazety volana Septambra[2022] || Gazety volana Oktobra[2022] || Gazety volana Novambra[2022] || Gazety volana Desambra[2022] || Gazety volana Janoary[2022] || Gazety volana febroary[2023] || Gazety volana mars[2023] || Gazety volana Aprily[2023]




  

EntteJournalAril2023

       eid2023

 

FAMARANANA NY VOLANA MASINA RAMADANY 1444 hegire/2023 .

Niara-niombom-po amam-panahy tamin’ireo mpino silamo eto Madagasikara ny filoham-pirenena malagasy Andriamatoa Andry Nirina Rajoelina nandritra ny fankalazana ny famaranana ny volana masina Ramadany ny zoma faha 21 Aprily 2023 lasa teo, tetsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona.

Niavaka dia niavaka ny famaranana ny volana Ramadany tamin’ity taona ity. Sambany no nisy filoham-pirenena nanotrona ireo mpino silamo amin’ny fankalazana toy izao. Olom-boafidy sy manan-kaja maro eto amin’ny firenena ary mpikambana ao amin’ny governemanta malagasy ihany koa no tonga nanome voninahitra izany fotoana izany.

Henin-kaja sy henim-boninahitra tokoa ireo mpino silamo satria nahitana mpitondra fiangonana kristianina sy masoivohom-pirenena maro ny andro famaranana ny volana Ramadany. Nandritra ny fandraisam-pitenenana nifandimbiasana dia samy naneho ny fankasitrahany amin’ny fo feno hafaliana ny finiavan’ny filoham-pirenena malagasy amin’ny tsy fanavahany ny finoana. Ireo nandray fitenenana dia samy nanasongadina ny firahalahiana eo amin’ny samy mpino na samy hafa finoana.

Ny filohan’ny mpino silamo eto Madagasikara Abdoul Hady dia nanambara fa ho raketina anaty soratra volamena ny andron’ny faha 21 Aprily 2023 satria voalohany teo amin’ny tantaran’i Madagasikara no noraketina tamin’ny didim-panjakana ny andro fankalazana sy manan-danja ho an’ny famaranana ny volana Ramadany mba tsy hiasana nefa handraisana karama. Nanamafy  hatrany ny tenany fa ity no filoha malagasy voalohany manatrika sy manome voninahitra ny fotoan-dehibe toy izao.  Naneho ihany koa ny tenany fankasitrahana ny filoha amin’ny ezaka ataony eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, ny fanampiana ny sahirana sy eo amin’ny sehatra maro eto amin’ny firenena.

Tohiny


NY SOHIKA NA NY ASTHME EO AMIN’NY ZAZA MADINIKA

asmeZaza0423

Anakalazaina isaky ny faharoan’ny volana mey ny andro iraisam-pirenena ho an’ny asthme na sohika ka hasongadina manokana ny mahakasika izany eo amin’ny ankizy sy ny zaza madinika.

Noho ny fikorontanan’ny toetry ny andro izay iainantsika amin’izao fotoana izao, tsy ny tontolo iainana ihany no misedra ny fiantraikan’izany fa ny ara-pahasalamana ihany koa. Ny olona marefo no tena lohalaharana mizaka ny vokatr’izany ; indrindra ireo zaza vao teraka sy ny ankizy madinika. ..

Tohiny

NY ZAZA SY NY TORIMASO.

EnfantSomeil0423

Anisan’ny miantoka ny fahasalaman’ny olombelona ny torimaso, na ho an’ny zaza na ho an’ny lehibe. Manana ny lanjany kokoa anefa ny torimaso eo amin’ny zaza vao teraka hatramin’ny faha telo  taonany. Ny mahakasika izay indrindra no ho entina indray ato anaty lahatsoratra.

Tsy azo atao tsinotsinona ny torimaso noho izy mantoka ny hery sy ny fahasalaman’ny vatana. Anisan’ny voalohany mampiasa ny sain’ny ray aman-dreny vao tera-bao ny torimason’ny zaza indrindra raha zanaka voalohany....

Tohiny

 

RESAKA FANANAN-TANY: FANTATRAO VE FA NY 20% N’NY TANY  ETO MADAGASIKARA IHANY NO MBA  MISORATRA AMIN’NY MALAGASY ?

titreFoncier0423

Maro ny miloa-bava fa mangetaheta ambony lakana ny Malagasy, tompony mangataka atiny izy amin’ny taniny .Voalaza ho manana zaratany « parcelle» 10 tapitrisa ity tanin’i Madagasikara ity. Ny 20 isan-jato monja no voasoratra amin’ny tompony. Tsy misoratra amin’ny taniny, araka izany, ny 80 isan-jaton’ny Malagasy. Tena marina maro ny Malagasy no efa manana tany saingy tsy misoratra aminy izany ka isan’ny manahirana io teboka io eny anivon’ny fiarahamonina eny .Anaovan’ny fanjakana ezaka, noho izany, ny fanomezana sy fanoratana ho an’ny Malagasy,.......

Tohiny

ETO MADAGASIKARA… ANTONY MAHATONGA NY TSY FANARAHAN-DALANA HOAN’NY MALAGASY MARO ANISA NY TSY FAHAFANTARANA AZY .

Justice0423

Maro ny mitaraina amin’ny vahoaka malagasy manoloana ny lalana mifehy ny zavatra iray. ‘‘ Tsy mahafantatra noho ny antony maro samy hafa ny Malagasy amin’ireo pitsopitsony amin’ny lalàna natao hifehezana azy’’ hoy ireo izay nanaovanay ny fanadihadiana.Tsy tara ny fitondram-panjakana amin’ny fanarenana izany, ankehitriny manao ezaka entina hampafantarana ny lalana ny Ministeran’ny fitsarana. Natao hiainga avy any ifotony ny fampahafantarana izany hoy ny fanazavana azo avy eny anivon’ny Ministeran’ny fitsarana hatrany..........

Tohiny

FAHATAPAHAN-JIRO MIFANDIMBY: TSY FAHAMPIAN’NY SOLIKA MAVESATRA SY MILINA NO ANTONY HOY NY JIRAMA.

jiramaPxOk

Distrika maro eto Madagasikara no mitaraina amin’ny fahatapahan-jiro efa ho lava. Raha ny fanadihadiana nataonay eto anivon’ny gazety FAHENDRENA dia antony maro no tsy maintsy idiran’ny orinasa Jirama amin’ny fanapahan-jiro mifandimby amin’izao. Ny fanatsaharan’ny orinasa Henri Fraise et Fils ny milina mpihary herinaratra no antony ho an’ny any amin’ny faritra. Ho an’ny Antananarivo manokana kosa, ny tsy fahampian’ny solika mavesatra no olana. Ankoatra izay ny tsy fandoavan’ny orinasa maro ny trosan’ny orinasa Jirama izay miteraka tsy fahafahana manefa ny volan’ny mpamatsy solika.

Tohiny