ECOUTEZ LA RADIO :  

Gazety volana Novembre[2022]

 

Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021] || Gazety volana aprily [2021] || Gazety volana mey [2021] || Gazety volana Jona[2021] || Gazety volana Jolay[2021] || Gazety volana Aogositra[2021] || Gazety volana Septambra[2021] || Gazety volana Oktobra[2021] Gazety volana novambra [2021] || Gazety volana desambra [2021] || Gazety volana Janoary [2022] || Gazety volana Febroary[2022] || Gazety volana Marsa[2022] || Gazety volana Aprily[2022] || Gazety volana Mey[2022] || Gazety volana Jona[2022] ||  Gazety volana Jolay[2022] || Gazety volana Aogositra[2022] || Gazety volana Septambra[2022] || Gazety volana Oktobra[2022] || Gazety volana Novambra[2022]




  

EntteJournalNovambra2022


ImamAliGrand

ANISAN’NY TORITENY NATAON’IMAM ALI (HO AMINY ANIE NY FIADANANA)[IZAY MIFONO FAMPIOFANANA AN’IREO MAHANTRA MBA HANANA FIONONAM-PO SY FANABEAZANA AN’IREO MPANAN-KARENA MBA HANAM-PIANTRANA.]

[Fampiofanana an’ireo mahantra.]

Manarak’izany, tena marina fa ny didin’Andriamanitra dia mirotsaka avy any an-danitra mankeo amin’ny tany sahala amin’ny firotsahan’ny orana eo amin’ny olona tsirairay arakaraka ny anjarany no fahazoany izany mihoatra na tsy ampy, koa raha ny iray aminareo no mahita eo amin’ny rahalahiny ny fahabetsahana ara-pianakaviana na amin’ny harena na amin’ny voninahitra dia aoka izany mba tsy hampisianao olana ho azy, fa tena marina ny olona silamo raha mbola tsy nanao fihetsika ampahibemaso izay hahatonga azy hitanondrika noho ny hena-maso rehefa naharihary aminy izany, ka amin’ny alalan’izany no mahatonga ireo olon-dratsy ho sahisahy, dia tahaka ny mpifanamby izay miandry ny fanamby ataony voalohany mba hahomby, ary amin’ny alalan’izany no handrakofany ny fatiantoka nisy teo aminy teo aloha.

Tohiny


FAHASALAMANA SY NY FITSINJOVANA NY MAHA OLONA...MIARADALANA MANOMBOKA IZAO NY « FONDATION AKBARALY SY NY ASSOCIATION FCRA».

FCRAfondationAkbaraly

Efa tanyamin’ny taona 1995 no nifototra tamin’ny fanaovana asa sosialy ny Fondation Akbaraly. «Association Fihavanana» no niantombohany tamin’izay. Efa maro ireo tobimpahasalamana nahorin’ny fikambanana. Nitsabo ireo aretina maro mpahazo ny vehivavy ny fikambanana, toy ny homamiadana izay isan’ny aretina mitarika fahafatesana betsaka indrindra eto Madagasikara sy ny faritra Afrika amin’ny ankapobeny. Mbola manohy ny asa izy ireo amin’izao fotoana izao izay tohizan’ny “fondation Akbaraly”raha toaka ny“association Fihavanana” no nanombohana ny asa tany amin’ny voalohany. Ankehitriny, .........

Tohiny

FITSABOANA IREO TSY SALAMA ARA-TSAINA, MBOLA VITSY NY MANAM-PAHAIZANA MANOKANA MALAGASY MISAHANA IZANY

psychatrie28112022Ok

 

Raha atao ny tombatombana, mitovy tsy misy azo hamaivanina ny aretina mpahazo ny olombelona. Aretina tsy dia misy miresaka nefa tena loza ny aretin-tsaina, raha ny hita anefa, vitsy ny manam-pahaizana manokana mandray an-tanana ny fahasalaman’ny saina eto Madagasikara. Araka ny fanadihadiana natao dia miisa 16 izy ireo ary saika mivangongo aty andrenivohitra avokoa.

47% ny malagasy anefa dia ahitana ny singan’ny fikorontanan-tsaina. Ankilany , 0,01% ny teti-bola ho an’ny fahasalamana ihany no natokana ho an’ny fahasalaman’ny saina,

Tohiny

 

TOE-KARENA ETO MADAGASIKARA  VINAVINAINA HIAKATRA 4,9% AMIN’NY TAONA  2023  NY TAHAN’NY HARIKARENA FAOBE

madaEconomie

Ny fivoaran’ny toe-draharaha maneran-tany sy nasionaly dia nahazoana vinavina vaovao ho an’ny fitomboan’ny harikarena ho 4,2% ny taona 2022. Vinavinaina ho 4,9% kosa ny tahan’ny harikarena faobe ny taona 2023 araka ny voalaza ao amin’ny volavolan-dalàna laharana faha 017/2022 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna ho amin’nytaona 2023.

Araka ny fanazavana dia « Ireo fampiasam-bola maro isan-karazany izay hanomboka na hifarana ny taona 2023.............

Tohiny

AMBOARA ERAN-TANY HOAN’NY BAOLINA KITRA, TSY AN’IZA NO DISO FA   NY « PAY TV » IHANY NO MANDEFA NY LALAO MIISA 64 HOY NY FIFA.

coupeDuMonde

Fepetra napetraky ny Federasionina iraisam-pirenena misahana ny baolina kitra (FIFA) ny hoe ny fahitalavitra andoavam-bola na « Pay TV » ihany no afaka mividy ny zo ahafahana mandefa ny lalao 64 ao anatin’ny amboara eran-tany amin’ny baolina kitra, izay atao any Qatar. isan’ireny ny Bein Sports, ny Supersport International.

Ny Televiziona « free to air » na ireo tsy andoavam-bola dia lalao 28 ihany no azon’izy ireo alefa, araka ny tolotra namidin’ny FIFA ho azy ireo. Manodidina ny 200 eo, .......

Tohiny