ECOUTEZ LA RADIO :  

Gazety volana mey [2021]

Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021] || Gazety volana aprily [2021] || Gazety volana mey [2021]


FINOANA || FAHASALAMANA || TOE-KARENA || SOSIALY



  

EntteJournalMai2021

Télécharger notre calendrier islamique 1442H en format pdf


FAMARITANA NY TSINAMBOLANA AMIN’NY ANDRON’NY IDD FITR : MITARIKA RESA- BE IZANY ETO AMINTSIKA, MISY FIFANOHERANA INDRAINDRAY.

ramadan2021 01

Na amin’ny andron’ny Idd, na amin’ny fidirana amin’ny volana masina ramadany, mitarika resa-be ny fahitana na tsia ny tsinam-bolana raha ny eto Madagasikara no asiana resaka. Matetika dia latsaka ao anatin’ny lakan’ny fisalasalana ny rehetra amin’io toe-draharaha io manoloana ny fifehezana na tsia amin’izany volana masina izany. Nitondra fanadihadiana manoloana ity toe-javatra ity ny mpanao gazety eto amin’ny gazety fahendrena tamin’ireo tompon’andraikitra ara-pinoana ny amin’ny mahakasika ny lalàna mifehy sy ny tokony hatao mba tsy hisalasalan’ny tsirairay amin’ny manaraka. Ferana amin’ny ‘‘maha-wadjib’’ izany hoe ny  tsy maintsy hanaovana  ny fifehezana mandritra ny volana Ramadany ny fahatsinan’izany volana izany araka ny anankiray amin’ireto fomba manaraka ireto:

1-Ny fahitan’ny izy tenany izay iharan’ny didy mivantana ilay tsinambolana.

2-Fananana fahatokisanana sy fahatoniana nohon’ny vaovao miely na ny ankoatr’izany amin’ny fahitana ilay tsinambolana ao amin’ny tanànany na ao amin’ny tanàna hafa izay mitovy famantaranandro, araka ny fahitan’ny As-sayed As-sistanï azy.

..............(hijery ny lahatsoratra rehetra)


VOLANA MASINA RAMADANY ETO MADAGASIKARA. ANKOATRAN’NY MAHA VOLAN’NY FIBEBAHANA AZY, NY FIFADIAN-KANINA NO AHAIZAN’NY MARO AZY.rmadanpetit2021 02

Volana ramadan, volana faha 9 izy io atao anatin’ny finoana islam. Ny fifehezana na fifadian-kanina no famantarana izay hamantaran’ny maro azy hatrizay. Ny faritra avaratra, andrefana sy atsimo no tena ahitana ny silamo maro indrindra raha ny eto amintsika. Miova tanteraka ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny isaky ny volana masina ramadany amin’ireo faritra ireo, toy ny fahamaroan’ny olona miditra ny moske, ny tanora mampiaka-bady, sns….(Hijery ny lahatsoratra rehetra)


ARETINA CORONA VIRUS ANY ETATS-UNIS : AFAKA MANALA AROVAVA ORONA IREO AMERIKANINA VITA VAKSINY, TAFAVOAKA NY ALA VE NY BEKINTANA?

 

covidPetit

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny filoha amerikanina Joe Biden, ny alakamisy 13 mey 2021, fa ireo Amerikanina vita vaksiny tanteraka dia afaka manala arovava orona, afaka tsy manisy elanelana intsony, na ato anatiny na ivelan’ny firenena.   

Andro lehibe izao, hoy hatrany izy satria hiverina amin’ny fiainana an-davanandro, na amin’ny resaka fiaraha-monina na resaka ara-pitadiavana sy ny toe-karena.............

(Hijery ny  lahatsoratra rehetra)

FIRENENA SINOA, MIAZAKAZAKA AMIN’NY FAMPIAKARANA NY TOEKARENY‘‘IO FA MANAMBOATRA SAMBO LEHIBE HANDRAY MPIZAHATANY 5 TAPITRISA ISAN-TAONA.’’

ecoSinoa0521Petit

Miatrika fifaninanana ara-toekarena izao tontolo izao. Tsy manaiky lembenana hatreto ny firenena sinoa fa manao izay hoafany mba hametrahany ny tanjan’ny fireneny manerantany. Ankoatra ireo orinasa maro izay efa mampisongadina azy manerana an’izao tontolo izao, hisehatra ao anatin’ny fizahantany ny firenena sinoa manomboka izao. Ny fitaterana andranomasina no nahasarika ny sinoa amin’ny alalan’ny fanamboarana ny titanicland : Sambo Titanic «vita sinoa» izy io,  handray mpizahatany 5 tapitrisa isan-taona manerana an’izao tontolo izao......................(hijery ny lahatsoratra rehetra)


ETO MADAGASIKARA BETSAKA NY TANORA TE-HANANGANA NY ORINASANY NEFA TSY MAHAFANTATRA NY TOKONY HATAO.

ecoMadaPetit0521

Isan’ny sehatra entina mampandroso ny firenena iray ny fanentanana ny tanora hanangana ny orinasany. Azo atao izany raha eto Madagasikara manokana no jerena. Ny maha variana eto amintsika mantsy, maro ny vita fianarana, maro ireo mitady asa, ary misy ny mirona amin’ny finiavana hanangana orinasa nefa saika tsy mahita lalana avokoa satria tsisy  olona mirotsaka antsitrapo ho mpitarika ireny tanora ireny. Fanapahan-kevitra tsara izy io, indrindra ho an’ny Firenena toa an’i Madagasikara.(Hijery ny lahatsoratra rehetra)



Hijery ny tohin'ny gazety