ECOUTEZ LA RADIO :  

FINOANA(1021)

Mpaminany Mohammad, Indrafo sy fahasoavana ho an’izao tontolo izao

kaaba

Iza moa ny Mpaminany Mohammad ?

Ny Mpaminany MOHAMMAD (saws) dia teraka tamin’ny taona malaza antsoina hoe AMOUL FIL; izay azo adika amin’ny teny malagasy manao hoe « taonan’ny elefanta », tamin’ny faha fito ambiny folo ny volana RABIL AWAL (volana fahatelo amin’ny fanisan’andro silamo),570 taona taorian’ny Jesoa kristy, misy koa moa ireo mpahay tantara sasany milaza hoe tamin’ny faharoa ambinifolon’ny volana RABIL AWAL no nahaterahany tao LAMEKA.

Ireo mpahay tantara ihany koa moa dia milaza fa ny Mpaminany MOHAMMAD (saws) dia teraka roa volana taorian’ny nahafatesanan’ny Rainy antsoina hoe ABDOULLAH, izany hoe ny Mpaminany MOHAMMAD (saw) dia teraka kamboty tsy mba nifankahita tamin’ny Rainy niteraka azy .

Ny Mpaminany Mohammad (saws) dia taranaky ny Mpaminany Abrahama (as), satria izy dia taranaky ny Mpaminany Ismael zanaky ny Mpaminany Abrahama (as), izay nifindra-monina tany Lameka niaraka tamin’ny Reniny Hagar, noho ny baiko avy amin’Andriamanitra.

Avy amin’ny foko Kouraish antsoina hoe bani Hachim ny fiavian’ny Mpaminany, izay foko arabo nanana ny maha izy azy indrindra tao Lameka tamin’izany fotoana izany.

Indrafo sy fahasoavana ho an’izao tontolo izao ny fahatongavan’ny Mpaminany Mohammad (saws)

 

Milaza ny Tompontsika Andriamanitra ao amin’ny “hadith al qodsi” (fanambarana masina avy amin’Andriamanitra) manao hoe :“raha-tsy noho ianao dia tsy nohariako izao tontolo izao.”Ka araka izany tenin’Andriamanitra izany dia mazava fa ny faharian’Andriamanitra ny Mpaminany Mohammad no antony voalohany indrindra nahatonga Azy nahary izao tontolo izao sy nahary antsika olombelona, ka zava-dehibe sy fahasoavana tsy misy toa azy ho an’izao tontolo izao ny fahatongavany, satria ny fisiany ny antom-pisian’ny zavaboahary rehetra.

Milaza ihany koa ny Irak’Andriamanitra Mohammad (saws) hoe, “ny zavatra voalohany indrindra noharian’Andriamanitra dia ny hazavan’ny Mpaminany, ary avy tamin’izany hazavana izany no nahariany ny hatsarana rehetra.”Ka izay hatsarana rehetra misy ety an-tany sy any an-danitra dia avy amin’ny hazavan’ny Mpaminany avokoa. Ka ny fisian’ny Mpaminany sy ny fahatongavany tety ambonin’ny tany dia fahasoavana sy hatsarana tsy misy toa azy ho an’ny zavaboahary rehetra, satria izy no endrika azo tsapain-tanana maneho mivantana izany famindram-po sy hasoavana avy amin’ilay Mpahary izany.

Ary ny finoana Islamo izay noentin’ny Mpaminany Mohammad (saws) dia famindram-po sy hasoavana ho an’izao tontolo izao, satria ny fampianarana rehetra napetraky ny finoana Islamo dia misy fitsinjovana ny zavaboahary manontolo, na eo amin’ireo samy mpino silamo izany, na ho an’ireo olona ivelan’ny finoana Islamo, eny fa na ho an’ireo biby sy ny zavamaniry. Milaza ny Mpaminany hoe : “izay olona manao ratsy ireo olon’ny boky (kristianina sy Jiosy) dia nanao ratsy tamiko.” Izany hoe ny Mpaminany dia sarotiny ary nanohitra tanteraka ny fanenjehana sy ny fanaovana ratsy ireo olona hafa ivelan’ny finoana Islamo, ka nambarany mazava fa izay olona manao ratsy azy ireny dia nanao ratsy taminy.

Ary nilaza ihany koa ny Imam Ali (as) manamafy izany hoe, ny olombelona dia mizara anankiroa, na izy rahalahinao amin’ny finoana na izy olombelona mitovy aminao.” Ka ny olombelona rehetra izany dia tokony hifankatia sy hifanaja avokoa, na dia samy manana ny finoany sy ny fiaviany, satria samy taranak’i Adama avokoa, ilay Raiben’ny olombelona rehetra.

Eny fa na manoloana ireo biby sy zavamaniry dia nametraka fampianarana ny finoana Islamo izay maneho fitiavana sy fiantrana azy ireny, ka ho an’ireo biby dia tsy azo atao ny mamono azy ireny amin’ny tsy misy antony, ary ho an’ireo biby izay voatery vonoin’ny olombelona noho ny filan’izy ireo, dia tsy azo atao ny mamono azy eo imason’ny namany, ary tsy azo atao ihany koa ny mamono azy amin’ny andro alina, ary ho an’ireo antsy sy fitaovana izay ampiasaina hamonoana azy dia tokony atao maranitra tsara mba tsy ampijaly azy, ary rehefa vonoina ireo biby dia tokony ampisotroina rano in-telo alohan’ny hamonoana azy.Izany rehetra izany dia fampianarana maneho fitiavana sy fiantrana ireo biby. Ary manaporofo izany rehetra izany moa ny tenin’Andriamanitra izay voalaza ao anatin’ny boky masina kor’any manao hoe : “ Fa tsy nalefanay ianao, raha tsy ho famindram-po ho an’izao tontolo izao.”(Sourat Al-anbiya, toko 21, And.107).

Ka famindram-po sy fahasoavana ho an’izao tontolo izao ny fisian’ny Mpaminany sy ny fahatongavany tety an-tany, ary famindram-po sy fahasoavana ho an’izao tontolo izao ihany koa ny finoana Islamo izay noentiny. Ary manamafy izany moa ny tenin’Andriamanitra izay voalaza ao amin’ny boky masina kor’any manao hoe :“Tsy hanasazy azy ireo velively Andriamanitra raha mbola eo aminy ianao,..”(Sourat Al-anfal, Toko 8, And.33)izany hoe, tsy handefa sazy ho an’ny olombelona Andriamanitra raha mbola eo ny Mpaminany.

Nanana toetra sy fitondran-tena farany tsara ary niavaka tamin’ny zavaboahary rehetra ny Mpaminany, satria nanana fiantrana sy fangorahana ny olona rehetra izy, nanana toetra marina sy mendri-pitokiana, ary nametraka ny rariny sy ny hitsiny teo amin’ny fifandraisany sy ny fitondrany ny olona izay nanodidina azy, na tamin’ireo mpino silamo mpanaradia azy izany, na tamin’ireo olona hafa ivelan’ny finoana Islamo. Manam-porofo izany moa ny tenin’Andriamanitra izay voalaza ao anatin’ny boky masika kor’any manao hoe : “hamafisina faianao dia tena manana toetra ambony.”(SouratAl-qalam, Toko68, And.4).Izany hoe Andriamanitra ilay Tsitoha mihitsy no midera manokana ny Mpaminaniny amin’ny fananany toetra tsara farany ambony.Nilaza ny Mpaminany (saws) hoe : nanome baiko ahy Andriamanitra amin’ny zavatra miisa sivy : amin’ny fanompoana Azy ankarihary sy miafina, amin’ny filazana ny marina hatrany na ao anatin’ny filaminana na ao anatin’ny fahasahiranana, ny tsy fanaovana ny tafahoatra na mahantra na manan-karena, ny fanatsarana ny fifandraisana amin’ireo havana akaiky sy ireo namana izay nanapaka fihavanana, ny fanomezana zavatra ireo olona izay tsy mety mifandray amiko, mamela heloka ireo izay nandratra ny foko, ny fahanginako dia fifantohana feno amin’Andriamanitra, ary rehefa mandray fitenenana aho dia manonona ny anaran’Andriamanitra, ary rehefa mijery ireo zavaboaharin’Andriamanitra aho dia tokony ho ohatra fakan-tahaka ho azy ireo.”

 

FARALAHY

 

 

 

FANKALAZANA NY TSINGERINTAONA NAHATERAHAN’NY MPAMINANY MOHAMAD (SAW)  , HATAO ETO ANTANANARIVO NY AMIN’ITY TAONA ITY HOY NY  FIANAKAVIAM-BEN’NY MPINO SILAMO  ETO MADAGASIKARA  

Toy ny mahazatra isan-taona amin’ny fankalazana ny andro nahaterahan’ny Mpaminany Mohamad (saw), ny fianakaviam-be ny mpino silamo rehetra eto Madagasikara na ny ‘‘Association de la grande famille de la communauté Musulmane de Madagascar ’’ izay miombona ao anatin’ny ‘‘GFCMM’’ no mpikarakara izany, izay hiombonan’ny Sounit, shiite, Khodja, Bohra, ... Araka izany dia ‘‘hifampitaona eto Antananarivo indray amin’ity volana oktobra ity  mba hankalaza izany andro nahaterahan’ny Mpaminany Mohamad ( saw) izany miaraka izahay’’ hoy ny filoha nasionaly ny fikambanana , Andriamatoa Abdoul hady. Hizara fifaliana araka izany ny fianakaviam-ben’ny mpino silamo hentina indrindra hameloma-maso ity andro nahaterahan’ny Mpaminany (saw) ity izay tokony hifalian’ny rehetra izany. Tombanana ho maro ny ho tonga amin’io andro voatondro hankalazana izany andro masina izany raha araky ny nambaran’ny mpikarakara hatrany. Efa mipetrapetraka ny fanafarana ireo solontenan’ireo mpino avy any amin’ny faritra mba ho mpanotrona ity fety ity raha araky ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny fianakaviam-ben’ny mpino silamo eto Madagasikara. Hivoitra mandrindra ny andro fankalàzana ity fety ity araka izany ny mahakasika ny toetra tsara izay nananan’ny Mpaminany Mohamad( saw), izay nideran’Andriamanitra azy manokana . Fisaorana sahady no hatolotry ny fikambanan’ny mpino ho an’ireo rehetra izay ho tonga, hamela ny asa amandraharaha amin’io andro io hamelo-maso ny fankalazana ny andro nahaterahan’ny Mpaminany Mohamad(saw). Tsara ny manamarika fa anisan’ny vinan’ny fikambanana ny hanatanteraka ny fankalazana ny andro nahaterahan’ny Mpaminany Mohamad(saw) manerana an’i Madagasikara amin’ny manaraka. Mbola andalam-pikirakirana izany ny fikambanana amin’izao fotoana izao satria ilàna fiaraha-miasan’ireo mpino silamo namana any amin’ny faritra rehetra ny fikarakarana izany hoy hatrany ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny fikambanana izay nitondra ny fanazavàna mahakasika indrindra ny vina entina hankalazana izany fety be izany.

M’ze