ECOUTEZ LA RADIO :  

Gazety volana Oktobra[2022]

Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021] || Gazety volana aprily [2021] || Gazety volana mey [2021] || Gazety volana Jona[2021] || Gazety volana Jolay[2021] || Gazety volana Aogositra[2021] || Gazety volana Septambra[2021] || Gazety volana Oktobra[2021] Gazety volana novambra [2021] || Gazety volana desambra [2021] || Gazety volana Janoary [2022] || Gazety volana Febroary[2022] || Gazety volana Marsa[2022] || Gazety volana Aprily[2022] || Gazety volana Mey[2022] || Gazety volana Jona[2022] ||  Gazety volana Jolay[2022] || Gazety volana Aogositra[2022] || Gazety volana Septambra[2022] || Gazety volana Oktobra[2022]




  

EntteJournalSeptembra2022


MohammadGrand 1021

 

IREO FAHAGAGANA NOENTIN’NY MPAMINANY MOHAMAD (SAW)

Amin’ny akampobeny ireo Mpaminany rehetra nalefan’Andriamanitra dia nitondra fahagagana avokoa nentin’izy ireo nandresena lahatra ny vahoaka amin’ny maha Mpaminany azy, ka ohatra hoe ny Mpaminany Mosesy (as) dia nahavita namadika ny tehiny ho biby lava, ary nampisaraka ny ranomasina, torak’izany ihany koa ny Mpaminany Jesoa izay nahavita nampiteny ny moana sy nampahiratra ny jamba, nanasitrana ny boka sns…

Ka ny Mpaminany Mohammad (saws) ihany koa dia nitondrana fahagagana maro, anisan’izany ohatra ny nanaovany ny volana ho vaky anankiroa, teo ihany koa ny vato izay niresaka nijoro vavolombelona amin’ny maha-mpaminany azy, ary indray andro raha nitaraina nangetaheta ireo mpanaradian’ny Mpaminany sady mila hanao fidiovana masina (odouh) ihany koa saingy tsy nahita rano dia nataon’ny Mpaminany nivoaka rano toy ireny loharanoireny ny teo anelanelan’ny ratsan-tanany mba ho sotroin’ireo mpanaradia azy sy hidiovan’izy ireo.Ka maro ny fahagagana toy izany nataon’ny Mpaminany,.........

Tohiny


Anisan’ny toriteny nataon’Imam Ali (as) Ary ao amin’izany no itsinjaràny ny olombelona ho sokajy anankitelo.

Imam AliPeti 2021

Nampitandremana ny olona mikasika ny Paradisa sy ny Afobe izay manoloana azy! Koa izay mpiasa mavitrika dia tafita, ary izay mpikaroka mitaredretra dia mbola afaka manantena, fa izay mpanao tsirambina kosa dia hianjera ao amin’ny Afobe.

Ny ankavanana sy ny ankavia dia fahaverezana, fa ny làlana ampovoany ihany no tena làlana, eo aminy no misy an’ilay boky mandrakizay sy ireo dian’ilay Mpaminany, sy avy aminy no hanatanterahana ny “sonnah”, ary mankany aminy no fizorana farany.

..........

Tohiny

TONGA NY FAHAVARATRA ...FOTOAN’NY MOSARY NY MAINTSO AHITRA , EFA NANDRAY ANDRAIKITRA NY FANJAKANA .

asara

Faritra maro eto Madagasikara no matetika mitaraina amin’ny fotoanan’ny mosary. Maintso ny ahitra ,tsy misy zavatra azo atao sakafo ny olona ka mosary no matetika hitarainan’izy ireo. Ireo solombavambahoaka matetika dia mikapoka latabatra amin’ny fitarazohan’ny mosary any amin’izy ireo ,hoy ny solombavambahoaka voafidy tany amin’ny distrikan’i BETROKA , Andriamatoa NICOLAS Randrianasolo raha tafahaona tamin’ny mpanao gazety teto amin’ny gazety fahendrena ‘‘ Mihinana manga manta ny olona any aminay rehefa tonga ny mosary , 

Tohiny

TONTOLO IAINANA …EFA MANAMBANA NY FAHAPOTEHANY, ILAINA NY POLITIKA MATY PAIKA AMIN’NY FANARENANA IZAY HATAO.

madaMidadasika

Manana velaran-dranomasina midadasika i Madagasikara. Mitoetra ao amin’izany avokoa ireo harena ahafahana mampandroso firenena toy ny drakaka, makamba sy ireo hazandrano maro samihafa.Ankehitriny anefa efa mahazo vahana ny ambana amin’ny ala honko raha ny tapany avaratry ny nosy raha ny fanadihadiana natao tany antoerana. Tsy mijery fotsiny anefa ny fanjakana manoloana io toe-draharaha io fa manao ny haro fenitra rehetra, farafaharatsiny ny mba hitazomana ny vokatra izay misy eo ampelantanana. Miroso amin’ny fanarenana tsikelikely ny ala honko ny fanjakana aty amin’ny faritra diana........

Tohiny.

FAMPIASANA NY TAFIKA ...OMALY TSY MIOVA, NATAO HIARO NY FITONDRANA SA TENA TANDROKA ARON’NY VOZONA …TSY MAZAVA NY RESAKA.

foloalindah

Lova avy tany amin’ny fanjanahantany ny rafitra napetraka amin’ny fampiasana ny tafika malagasy izay ataon’ireo mpitondra mifambimby eto Madagasikara taorian’ny nahazoantsika ny fahaleovantena .Raha zohina ny tantara dia toy izao sy toy izao no rafitra napetrak’ireo mpanjanaka tamin’izay.

Fanjanahantany 29martsa 1947

Nandraisan’i GALLIÉNI an’i Madagasikara. Ny Lalàna tamin’ny faha-6 aogositra 1896 no nahalasa  Zanatany  frantsay  an’i Madagasikara miaraka amin’ireo Nosy manodidina azy.......

Tohiny

NY VEHIVAVY…TSY FANAKA MALEMY SY NATAO HIANDRY ATOLOTRA FA MBA TOMPONANDRAIKITRA IHANY KOA EO ANIVON’NY ANKOHONANY SY NY FIARAHAMONINA MISY AZY.

femmeRespo

Loharanon’aina ny vehivavy. Raha atao bango tokana. Fanontaniana manitikitika ny saina ny hoe: mipetraka ve ny maha-Reny ny vehivavy? Tsy lavina aloha fa misy ny tsara vintana mahazo izay toerana maha-Reny azy izay nefa tsy vitsy koa ny iharan’ny tsindry hazolena na ara-batana na ara-tsaina, firifiry ny vehivavy miady irery amin’ny fiainana satria reny. Mampametra-panontaniana ny hoe fa nankaiza ny Ray no lasa miandahy miambavy ny Reny? Reny midika hoe mpitaiza, mpanabe, mpiaro, mpikolokolo ny ankohonany, firy amin’ny vehivavy anefa no mitana izany andraikitra izany ao an-tokantrano, moa tsy ny baikon’ny lehilahy no tsy maintsy tanterahina? Mba tsy hisian’ny olana dia manaraka tsy fidiny ny vehivavy........

Tohiny