ECOUTEZ LA RADIO :  

Gazety volana Desambra[2022]

 

Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021] || Gazety volana aprily [2021] || Gazety volana mey [2021] || Gazety volana Jona[2021] || Gazety volana Jolay[2021] || Gazety volana Aogositra[2021] || Gazety volana Septambra[2021] || Gazety volana Oktobra[2021] Gazety volana novambra [2021] || Gazety volana desambra [2021] || Gazety volana Janoary [2022] || Gazety volana Febroary[2022] || Gazety volana Marsa[2022] || Gazety volana Aprily[2022] || Gazety volana Mey[2022] || Gazety volana Jona[2022] ||  Gazety volana Jolay[2022] || Gazety volana Aogositra[2022] || Gazety volana Septambra[2022] || Gazety volana Oktobra[2022] || Gazety volana Novambra[2022] || Gazety volana Desambra(2022).




  

Decembre 2022


ImamAliGrand

ANISAN’NY TORITENY NATAON’IMAM ALI (HO AMINY ANIE NY FIADANANA)[IZAY MIFONO FAMPIOFANANA AN’IREO MAHANTRA MBA HANANA FIONONAM-PO SY FANABEAZANA AN’IREO MPANAN-KARENA MBA HANAM-PIANTRANA.]

[Fampiofanana an’ireo mpanan-karena]

Ry olombelona, tena marina fa tsy afaka manao na inona inona amin’ireo havany ny olona iray – na dia mpanan-karena aza izy – raha tsy misy ny fanohanan’izy ireo azy amin’ny alalan’ny tànana na tenin’izy ireo, fa izy ireo ihany no afaka manosika azy avy ato aoriana sy afaka manalavitra azy amin’ny olana mianjady aminy, ary izy ireo ihany no tena manam-pangorahana aminy raha toa izy ka niharam-pahoriana. Fa ny teny mamy ataon’ny olona iray ka ataon’i ALLAH tavela eo amin’ny vahoakany no tsara kokoa ho azy noho ny harena izay napetrany holovain’ny hafa.

Tohiny


AMBATOVY : HAHARITRA 20 TAONA NY FAMPIASAM-BOLAN’NY FIRENENA JAPONEY ETO MADAGASIKARA.

ambatovyPetit

Tsy mora ny fampandrosoana ny firenena iray raha tsy misy ny fiarahamiasa mivelatra amin’ny firenena rahavavy raha ny nambaran’ireo mpahay toe-karena sy fifandraisana manerantany.Ankoatrany firenena Frantay izay efa mahazatra ny fifandraisan’i Madagasikara aminy, manana tombony raha amin’ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany i Madagasikara amin’ny fifandraisany amin’ny firenena Japonay. Mbola mitohy araka izany ny fiarahamiasa ary aharitra 20 taona ny fijanonan’i Japon ao Ambatovy raha ny fanazavana azo hatrany. Izany no fantatra nandritra ny fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ny masoivohan’i Japon, monina sy miasa eto Madagasikara,.......

Tohiny

JIROFO : NIHENA HATRANY AMIN’NY 800 TAONINA NY VOKATRA TAO ANALANJIROFO TAMIN’ITY TAONA ITY.

jiramaPxOk

 

Nihena hatrany amin’ny 800 taonina ny vokatra jirofo nivoaka tao amin’ny faritra Analanjirofo tamin’ity taona ity, noho ny fiantraikan’ny rivodoza nandalo; raha manodidina ny 1 200 taonina izany tamin’ny herin-taona, hoy ny goverinora Randriamanantena Marcelin. Fantatra anefa fa ny 20 oktobra lasa teo ny tsenan’ny jirofo 2022-2023 ho an’ny faritra .

Tohiny

 

TOE-KARENA MALAGASY NY LFI 2023 : ‘‘ ANTENAINA HIAKATRA NY HARIN-KARENA HOY I CHRISTINE RAZANAMAHASOA.’’

ecoSinoa0521Petit

Mila tosika ny toe-karena malagasy saika amin’ny lafin’ny rehetra izany. Efa manao ny ezaka tandrify azy ry zareo avy etsy amin’ny antenimierampirenena amin’ny fandaniana ny lalana natao hifehezana ny tetibolam-panjakana entina hanodinana ny raharaha eny anivon’ny Ministera maro samihafa.Napetraka ny politikampitsitsiana amin’izay, nojerena ihany koa ny tokony hiazakazahana amin’ny fampandrosoana. Antenaina hitondra amin’ny fitomboan’ny harin-karena faobe eto amin’ny firenena ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2023 nolanina teo anivon’ny Antenimiera, hoy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena,.......

Tohiny

FITSARANA MITETY VOHITRA : TSY MISY IDIRAN’NY RESAKA POLITIKA NY MPITSARA MAMITA NY ASANY HOY NY MINISTRY NY FITSARAN ATOA FRANÇOIS RAKOTOZAFY’’

JusticePubPetit

Manoloana ny resaka misy mamadika ny asan’ireo mpitsara manao ny fitsarana mitety vohitra amin’izao, naneho ny heviny ny minisitry ny fitsarana sy mpitazona ny tombokasem-panjakana fa tsy terena ny olom-pirenena sy ny mpitsara mbamin’ny mpiraki-draharaha amin’ny fanatanterahana ny Fitsarana mitety vohitra, anomezana sora-pahaterahana sy karapanondrom-pirenena maimaimpoana ho an’ny olona mbola tsy manana izany”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Rakotozafy François ny 06 oktobra 2022 teo. Tafiditra anatin’ny asan’ny mpitsara io, hoy izy, fa tsy zava-baovao akory....

Tohiny

AKON’NY FARAN’NY TAONA ETO ANTSIRANANA...… MANARARAOTRA MAMPIAKATRA NY VIDIN’ENTANA NY SASANY   

FinDannee2022DieogoOk

Amin’izao ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona izao, tsikaritra fa manomboka miakatra indray ireo vidin’entana ilaina amin’ny fiainana andavan’andro. Raha ny filàzan’ireo mpivarotra sendra ny fanadihadiana natao mikasika ity tranga ity , ‘‘hatrany amin’ny mpamongady no efa ahitana izay fiakaran’ny vidin’entana izay,  ka rariny raha eny amin’ireo mpitsinjara madinika dia ahitana ihany koa  ny fiakaran’ny vidin’enatana ’’ hoy ny fanazavan’izy ireo.

.

Tohiny