ECOUTEZ LA RADIO :  

Gazety volana Jolay[2022]

Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021] || Gazety volana aprily [2021] || Gazety volana mey [2021] || Gazety volana Jona[2021] || Gazety volana Jolay[2021] || Gazety volana Aogositra[2021] || Gazety volana Septambra[2021] || Gazety volana Oktobra[2021] Gazety volana novambra [2021] || Gazety volana desambra [2021] || Gazety volana Janoary [2022] || Gazety volana Febroary[2022] || Gazety volana Marsa[2022] || Gazety volana Aprily[2022] || Gazety volana Mey[2022] || Gazety volana Jona[2022] ||  Gazety volana Jolay[2022]




  

EntteJournalJolay2022


Hajj0622

SOMBINY AMIN’NY TORITENY NATAON’NY MPAMINANY MOHAMMAD (saw) TAO GHADIR KOUM.

Hafatra masina iray mikasika ilay raharaha lehibe

Manaiky ny ho andevony aho sy mankasitraka ny fanjakany, ary hanambara ny hafatra izay nampitainy tamiko aho, fa raha tsy manao izany aho dia voavinaniko fa hisy loza tsy hay tohaina izay hianjady mafy amiko ka tsy misy na iza na iza afaka hiaro ahy amin’izany. Izy no mpandahatra lehibe sy sakaiza mendrika. Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy. Nampitandrina ahy Izy fa raha tazomiko tsy hambarako izay hafatra nampitainy tamiko mikasika an’i ‘Ali, dia tsy azo heverina ho nahatante­raka ny iraka nanirahana ahy hatrizay aho. Nilaza tamiko ihany koa Izy fa hampiala ahy handao an’ireo vahoaka. Izy no Allâh, Ilay Mahefa sy Mpamindrafo............

Tohiny


FITOKANANA FOTODRAFITRASA MARO MIFOTOTRA AMIN’NY FANABEAZANA SY NY FAHASALAMANA TAO AMIN’NY KAOMININA AMBANIVOHITRA SAKOANA DEPARTEMANTAN’I AMBAHIVE DISTRIKA MANAKARA FARITRA FITOVIGNANY.

InfractManakara

Tontosa ny talata 28 jona 2022 teo ny fitokanana ireo fitodrafitrasa maro manome lanja ny fanabeazana sy ny fahasalamana tao amin’ny kaominina Ambanivohitra Sakoana izay nataon’ny fikambanana mpanao asa soa ny « fifanampiana Centre Rassoul Akram (saw), FCRA », izany moa dia nahitana fotodrafitrasa toy ny « Ecole privée la sagesse », ny ivon-toerana natokana hitaizana ireo zaza kamboty, ny efitrano lehibe iray fanaovana sehatra ara-kolotoraly natokana ho an’ny tanora (salle culturelle pour le developpement de la jeunesse fitovignany),nisy koa ny fitokanana ny efitranom-pianarana vaovao miisa 3 ho fanitarana ny EPP ao antoerana, nahazo efitrano vaovao miisa 10 ihany koa ny tao amin’ny CSB II sakoana, ary izany dia natokana handraisana an-tanana ireo vehivavy avy niteraka, ka fokontany miisa 8 no hisitraka izany ao an-toerana.

Tohiny

ETO MADAGASIKARA …MATAHOTRA NY TANORA HISEHATRA AO ANATIN’NY ASA TENA, MARO ANEFA NO MIRENIRENY MILANJA DIPLOMA AMBONY.

artisanatPetit0621

Voaresaka matetika ny antony mahatonga ny fahantrana eto Madagasikara. Efa maro ny vahaolana naroso teto amin’ny pejy ,ary saika manodidina ny amin’ny famoronana asa ho an’ny tena no efa imbetsaka miverimberina eto. Tsy reraka ny mamerina izany fa  miankina amin’ny fiezahan’ny tsirairay ny fandrosoana sy ny fananan’asa ho an’ny rehetra. Tsy olana eto amintsika mihitsy amin’izao ny tsy fahaizan’ny tanora. Mamokatra firy moa ny oniversite ankehitriny amin’ny tanora Malagasy izay nahavita fianarana? Raha ny fanadihadiana no entina mikasika ity resaka ity izay natao tamin’ireo mpandinika ny zava-misy, ......... 

Tohiny

VIDIN-TSOLIKA ETO AMININTSIKA …MANGETAHETA  AMBONY LAKANA NY MALAGASY, MALAZA TSY HIHINANANA TOY NY VILIAN-TSAHONA NY AO TSIMIRORO SY NY ANY BEMOLANGA .

carburantPetit202022

Mba ovina ihany ho teraka ireo vato mitondra vohoka ahafahana hitrandrahana solika eto amintsika ? Tsy ny ao bemolanga ,tsy ny any tsimiroro …toa mijanona resaka fotsiny , kely sisa hiandrasana dia hivadika angano ho an’ny taranaka izany raha tsy handraisana fanapahan-kevitra. Tsy fantatra intsony izay tena fomba fikajiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara fa toa manao izay danin’ny kibony fotsiny ireo orinasa mpivarotra azy ireny. Mody ampidinina kely dia miakatra indray raha vao milamindamina ny vahoaka sy ny mpitatitra. .......Tohiny

TONTOLO IAINANA …EFA MANAMBANA NY FAHAPOTEHAN’NY ALA HONKO, MILA MIRONA MANKANY NY FAMBOLEN-KAZO

EvironnPetit

Manana velaran-dranomasina midadasika i Madagasikara. Mitoetra ao amin’izany avokoa ireo harena ahafahana mampandroso firenena toy ny drakaka, makamba sy ireo hasandrano maro samihafa.Ankehitriny anefa efa mahazo vahana ny ambana amin’ny ala honko raha ny tapan’ny avaratry ny Nosy araka ny fanadihadiana natao tany antoerana. Tsy mijery fotsiny anefa ny fanjakana manoloana io toe-draharaha io fa manao ny haro fenitra rehetra, farafaharatsiny ny mba hitazomana nyvokatra izay misy eo ampelantanana........Tohiny

ETO MADAGASIKARA, HIDITRA AMIN’NY FANAVAOZANA TANTERAKA NY LISI-PIFIDIANANA NY CENI

CINI 2022 copie

Raha vao miresaka ny fifidianana isika,mitamberina ao antsaina avy hatrany ireo hevitra tsy mitovy amin’ny resaka lisi-pifidianana nandritra ny 60 taona maninjitra teto amintsika. Zary lasa ambetintenin’ny sasany mihitsy moa ny ‘‘ resaka doublan’’ sns …amin’io lisi-pifidianana io. 

Vina napetraky ny birao vaovao amin’izao ny fanaovana ezaka manokana ny tsy hisian'ny anarana hiverina in-droa anaty lisitra, hiainga amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitra izany raha ny fanazavana azo avy amin’ny filohan’ny CENI, andriamatoa  Dama Andrianarisento .......

Tohiny