ECOUTEZ LA RADIO :  

Gazety volana Febroary[2022]

Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021] || Gazety volana aprily [2021] || Gazety volana mey [2021] || Gazety volana Jona[2021] || Gazety volana Jolay[2021] || Gazety volana Aogositra[2021] || Gazety volana Septambra[2021] || Gazety volana Oktobra[2021] Gazety volana novambra [2021] || Gazety volana desambra [2021] || Gazety volana Janoary [2022] || Gazety volana Febroary[2022]




  

EntteJournalFev2022


ETO MADAGASIKARA ....TOKONY HAMPANARAHANA NY ZAVA-MISY NY FOTOAM-PAMPIANARANA MBA HISIAN’NY FITOVIANA AMIN’NY ZAZA MALAGASY.

EducationGrand

Tratra farany foana matetika ireo mpianatra any ambanivohitra sy any amin’ny distrika amin’ny tapany ilan’ny atsinanan’i Madagasikara amin’ny fiakaran’ny rano isan-taona. Matetika dia mahazo tsiny amin’ny Ray amandreny ny Ministera tomponandraikitra amin’ny tsy fanajanonana ny fampianarana amin’ny fotoana fahavaratra.  « Lasa ampitovian’ny Ministera ny olana rehetra misy eto Madagasikara amin’y resaka fampianarana» hoy ireo nanaovana fanadihadiana . Efa napetraka anefa ny ‘‘Plan Séctoriel de l’Education’’, ao anatin’izany rafitra vaovao izany no ahitana ny fotoana tokony hianaran’ny zaza malagasy, hatramin’izao anefa mbola tsy vita ny fampiharana azy io.

.............Tohiny


Ny Imam Ali (as)-Imam voalohany

ImamAliPetit

Ny Imam Ali (as) dia zanakalahin’i Aboutalib(as), ary Fatima zanakavavin’Assade no reniny. Izy dia zana-drahalahin-drain’ny Mpaminany Hajaina (s.a.w), ilay mpitarika ny mpino silamo ary izy no Ray nipoiran’ireo Imam rehetra.

Olona nanan-kaja, sy nanana toetra mendrika maro ary malala-tanana vonona lalandava hanampy ny hafa ny Imam Ali(as).Izy no olona voalohany nanaraka ny finoana Islamo niaraka tamin’ny Mpaminany Mohamad (saw) sy ny vadiny khadijat (ra), ary tsy mbola nanompo sampy mihitsy izy teo amin’ny fiainany. Tsy mbola nisy tafika notarihiny tamin’ireo ady natrehiny ka lavo izy, ary tsy mbola nandositra mihitsy izy, teo amin’ny sahan’ny ady.

...... Tohiny


Anisan’ny toriteny nataon’Imam Ali (as): Famaritana ny fahariana an’i Adama (as)

Imam AliPeti 2021

Avy eo, dia natambatr’Ilay Be Voninahitra ny tany mafy sy malemy, malefaka ary masaitra, mba ho lasa tanimanga izay notondrahany rano mandra-pahatonga azy ho madio, ary nopotsipotsehany tamin’ny hamandoana mandra-pahatonga azy ho madity, ka nosoritany tamin’izany ny sary misy rirany sy tonony, ary misy rantsana sy leferana: nataony mivongana izy mandra-pifikirany, ary nohamafisiny izy mandra-pahamainany, mandritra ny fotoana voafetra, sy fe-potoana voafaritra, avy eo dia notsofiny ..........Tohiny

FARITRA ATSIMO ....MAHAVELOMBOLO NY ZAVA-MISY, HO TAMPITRA AMIN’IZAY NY KERE .

KerePetit0621

Efa zary mahazatra ny sofina ny maheno ny kere any amin’ny faritra atsimo. Ny mpitondra rehetra nifandimby teto hatrizay dia samy nanao fa hitady vahaolana tamin’io nefa ny teo ihany no teo hoy ny fitenenana . Tafiditra ao anatin’ny velirano nifanaovan’ny filoha ankehitriny anefa ny hitondra vahaolana ara-tsakafo eto Madagasikara. Ny tokony hatao anefa ary mila fantatra ny laharapahamehana amin’ny atao amin’izany , izany hoe ny faritra tena voamafy no hitondrana vahaolana maharitra .

..........Tohiny


IREO KOMPANIAN-TSOLIKA ETO MADAGASIKARA ...MITETIKA HAMPIAKATRA NY VIDIN’NY SOLIKA, MITENY FA MANANA VOLA AMIN’NY FANJAKANA ...TOKONY HATAO MANGARAHARA NY KAJY.

carburantPetit202022

Mihenjandroa ny tady amin’ireo kaompaniantsolika eto amintsika sy ny fanjakana ankehitriny. Raha ny fanazavana azonay avy amin’ireo kaompania dia milaza izy ireo fa manana vola amin’ny fanjakana .Etsy ankilan’izay , ny fanjakana dia milaza fa manana vola ihany koa amin’izy ireo. Tokony hatao mangarahara ny kajy ahafantarana iza no tokony handoa vola amin’iza fa mifatratra aty amin’ny mpanjifa madinika ny fiakaran’ny vidin’ny solika.

........Tohiny


FITATERANA ETO ANDRENIVOHITRA …HARAHIMASO NY FAHASALAMAN’IREO TAXIBE MANOMBOKA IZAO.

.TransportVillPetit022022

Zotra maromaro eto andrenivohitra no efa tsy zoviana amin’ny mpandeha ny haratsin’ny kalitaon’ilay fiara ampiasain’ireo mpisehatra ao anatin’ny fitaterana .

Maro ireo taxibe nanao lozam-pifamoivoizana tato ho ato.

Nanao dinika andatabatra boribory, ho fanatsarana ny asan’ireo fiara fitaterana sy fanaraha-maso azy ireo hialana amin’ny gaboraraka ny fivondronamben’ny mpitatitra eo anivon’ny UCTU ........Tohiny



NY OMDA SY NY MINISTERA MPIAHY AZY...MIHENJANDROA NY TADY, MIVOANA ANY AMIN’NY TSY TOKONY HO IZY NY ADY HEVITRA HATAO.

omdaPetit022022

Nihenjandroa ny tady teo amin’ny Ministeran’ny Kolontsaina sy ny OMDA tamin’iny volana febroary iny.Tsy tiako bika sy alako tarehy ve no zava-mitranga sa misy mihitsy no tsy mamaky ilay lalana mifehy ny OMDA?

Raha ny fanambarana navoakan’ny Ministera mpiahy ity rafitra ity moa tamin’ity volana febroary ity dia mamporisika ny hisian’ny tolo-dalàna ahatongavana amin’ny fahaleovan-tenan’ny fitantanana ny zon’ny mpamorona ny Minisiteran’ny Serasera sy ...........Tohiny



ETO MADAGASIKARA …BETSAKA NY TANORA TE-HANANGANA NY ORINASANY NEFA TSY MAHAFANTATRA NY TOKONY HATAO.

tanoraMalagasyPetit022022

Anisan’ny sehatra entina mampandroso ny firenena iray ny fanentanana ny tanora hanangana ny orinasany. Azo atao izany raha eto Madagasikara manokana no jerena. Ny mahavariana eto amintsika mantsy, maro ny nahavita fianarana, maro ireo mitady asa, ary misy ny mirona amin’ny finiavana hanangana orinasa nefa saika tsy mahita lalana avokoa satria tsisy olona mirotsaka antsitrapo ho mpitarika ireny tanora ireny. Fanapahan-kevitra tsara izy io, indrindra ho an’ny Firenena toa an’i Madagasikara. Mbola malalaka sy ireo rantsam-batana hikarakarany ny tenany, sy ireo taova mampiova ny toerana misy azy, sy ny fahalalana entiny manavaka ny marina sy ny diso, sy ireo tsiro sy ireo fofona, sy ireo loko sy ireo karazana, avy amin’ny tany manana loko samihafa, sy mifanahaka mifanaraka, sy mifanohitra mifanipaka, sy toetra samy hafa, toy ny hafanana sy ny hatsiaka, ..........Tohiny