ECOUTEZ LA RADIO :  

Gazety volana fevrier[2023]

 

Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021] || Gazety volana aprily [2021] || Gazety volana mey [2021] || Gazety volana Jona[2021] || Gazety volana Jolay[2021] || Gazety volana Aogositra[2021] || Gazety volana Septambra[2021] || Gazety volana Oktobra[2021] Gazety volana novambra [2021] || Gazety volana desambra [2021] || Gazety volana Janoary [2022] || Gazety volana Febroary[2022] || Gazety volana Marsa[2022] || Gazety volana Aprily[2022] || Gazety volana Mey[2022] || Gazety volana Jona[2022] ||  Gazety volana Jolay[2022] || Gazety volana Aogositra[2022] || Gazety volana Septambra[2022] || Gazety volana Oktobra[2022] || Gazety volana Novambra[2022] || Gazety volana Desambra[2022] || Gazety volana Janoary[2022] || Gazety volana febroary[2023]




  

EntteJournalFevrier2023

       housseinas Ok

 

Imamo Houssein (as), Ilay fanilon’ny tari-dalana.

Iza moa ny Imamo Houssein (as) ?

Teraka tao Madina ny andro fahatelon’ny volana Cha’bane taona faha 4 Hijriya ny Imamo Houssein (as); zanak’i Ali Ibn Abi Twalib sy Fatimat Azzahra (as),  izay zanaka vavin’ny Mpaminany Mohammad (saw), ka araka izany dia zafikelin’ny Mpaminanintsika Mohammad (saw) ny Imamo Houssein (as). Mba hahafantarana bebe kokoa ny toe-panahin’ny Imamo Houssein dia ilaina ny mijery ny fototra izay nahitany masoandro. Fantatr’ireo mpino silamo tsara ny raiben’ny Imamo Houssein (as), avy amin’ny reniny, ny Mpaminany Mohammad (saw), Irak’Andriamanitra Izy, ary nampiely ny finoana Islamo. Tamin’ny fanolorany ny tenany manontolo ho an’Andriamanitra no nanaovany sorona ny ainy rehetra. Teraka tao amin’ny tranon’Andriamanitra (Kaaba) tany Lameka ny rain’ny Imamo Houssein (as), tsy iza moa izany fa ny Imam ALI (as), ilay vontom-pinoana tia vavaka, ilay mahery fo tsy misy toa azy.

Tohiny


Visite de courtoisie du nouvel ambassadeur de l’Inde au FCRA (Fifanampiana Centre Rassoul Akram) 

ambassadeInde0223

Son excellence Monsieur l’ambassadeur de l’Inde à Madagascar, Bandaru Wilsonbabu a effectué une visite de courtoisie au FCRA Antohomadinika hier 23 Février. Cette visite témoigne de la forte relation durable entre le FCRA et l’Inde. Lors de son allocution, Monsieur Bandaru Wilsonbabu a déclaré que l’ambassade de l’Inde est prête à aider les étudiants malgaches brillants du centre à poursuivre leurs études dans les universités indiennes en leur octroyant des bourses.

Il a également souligné que l’Inde est prête à donner main-forte au FCRA pour le développement des orphelins et des jeunes du centre. 

 

Tohiny

ARETINA MAHAZO NY OMBY : NY FARITRA DIANA SY VATOVAVY NO VOAKASIKA HATRETO, MANDRAY ANDRAIKITRA NY FANJAKANA

omby0223

 

Biby fiompy  17 tamin’ireo 469  tratran’ny areti-koditra na mivontovonto ny hoditra aty amin’ny Faritra Diana no maty raha ny antontanisa avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana. Ahiana ho ‘‘dermatose nodulaire contagieuse’’ na ‘‘dermatophilose’’, izay mifindra noho ny kaikitra ataon’ireo bibikely tahaka ny moka na ny kongona no mahazo ireo biby ireo. Omby 20 isa kosa no maty tao amin’ny faritra Vatovavy ny 5 hatramin’ny 12 janoary.  Heverina ho ‘‘fièvre de la vallée de rift’’ no nahazo azy ireo........

 

Tohiny

 

« Ny fahasalamana no voalohan-karena »  io oham-pitenenana io dia anisan’ny hatsinjovana fa napetraky ny malagasy ho laharam-pahamehana sy manan-danja ho an’ny zanak’olombelona ny fahasalamana. 

SantPublik0223

Anisan’ny zava-dehibe eo amin’ny fainan’ny zanak’olombelona  ny fahasalamana satria izy no miantoka ny hery sy tanjaka entina manatanteraka ny asa aman’andraikitra isan’andro ho an’ny lehibe; ary fitaovana iray entina manovo fahalalana amin’ny alalan’ny fianarana sy manampy ny ray aman-dreny amin’ny raharaha madinka ao an-tokatrano ho an’ireo zanaka. Ankoatra ireo olona efa mandroso taona; ny reny sy ny zaza dia anisan’ireo marefo ara-pahasalamana. Izay fahasalaman’ny reny sy ny zaza indrindra no itondrana antsika ato anatin’ny lahatsoratra.

..

Tohiny

Harena ny zanaka ary ny fahasalamana no voalohan-karena.

SantDuBb0223

Fomba anisan’ny manamafy ny fifandraisana eny anivon’ny fiaraha-monina na eo anivon’ny fianakaviana  ny mitsidika ireo mpivady vao tera-bao : havana ; namana na mpifanolobodirindrina.  Amin’ny fotoana tahaka ireny no tokony hitandreman’ ireo mpivady tera-bao sy ireo mpitsidika ny amin’ny tsy hanantonana akaiky loatra ilay zaza menavava. Betsaka ny olona mifamezivezy misidika ka betsaka toy izay ihany koa ny otrik’aretina miparitaka amin’ny efitra na trano misy ilay zaza vao teraka.  Mahakasika ny zaza madinika indrindra no entina ato anaty lahatsoratra.

Tohiny

FAMPIANARANA SY FAHASALAMAN’NY ZAZA ANTSEKOLY, HAMETRAHANA TOERAM-PITSABOANA MANERANA NY FARIM-PIADIADIAM-PAMPIANARANA 114 ETO MADAGASIKARA.SantEcolier0223

Maro amin’ireo zaza mpianatra malagasy any amin’ny ambaratonga misy azy any ampianarana no tsy misitraka ny fahasalamana tokony ho azony. Ankoatran’ny valanaretina maro samihafa izay mandalo mety ahazo ny zaza, hita fa ny fitsaboana mihitsy no lavitra azy ireo. Amin’izao fotoana izao ary, efa namolavola tetikasa entina hitondrana vahaolana amin’izany ny fanjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena  dia ny tetikasa «Tsinjo fahasalamana» izany . Izao no natao dia mba hitsinjovana ny fahasalaman’ny mpianatra an-tsekoly, izay antoky ny fahombiazan’izy ireo.

Tohiny

ASA TANANA ETO MADAGASIKARA ‘‘TOMPONY NANGATAKA NY ATINY IREO MPISEHATRA NANOLOANA NY TOLOTRA NISY HATR’IZAY.’’artisanatPetit0621

Mitaraina satria lasan’ny trondro vaventy any ivelan’i Madagasikara matetika ireo tolotra misy atao amin’ny asa tanana tokony ho vitan’ny malagasy mpisehatra amin’izany hoy ireo manao ny asa ho fivelomana izay nihaona taminay mpanao gazety eto amin’ny fahendrena. …. (na dia ireny manao sary hosodoko maneho ny hakanton’ny natiora eto amintsika ireny aza dia mbola tsy ny malagasy fa lasa any daholo) hoy ny fanazavan’izy ireo. Akoatr’izay, raha tsy lasa any ivelany dia mbola tsetsefin’ireo orinasa vaventy misy eto antoerana ihany koa nefa zavatra tokony ho vitan’ny olombelona tsotra izao no manao azy.......

Tohiny

FITAOVAN-TSERASERA HOAN’NY DAHOLOBE : TENA EFA LASA AMBANA HO AN’NY FAHALALAHANA MITENY NY FANAPARIAHANA VAOVAO TSY MARINA AO AMIN’NY ATERINETO SY NY IREO TAMBAJOTRAN-TSERASERA NATERANY.fb0223

Efa fahalalahana diso toerana ny fiheverana fa afaka miteny izay tiana ho tenenina ny olona iray raha any amin’ny fitaovan-tserasera toy ny facebook, sns…no hanehoana ny hevitra. Raha ny eto Madagasikara, lasa mpanao gazety daholo ny rehetra satria lasa mpitatitra vaovao sy ny zava-misy ary ny tsara ho fantatra ao anatin’io facebook io ny ankamaroan’ny Malagasy. Na dia misy ny lalana natao hamaritana ny fetra tokony tsy hihoaran’ny rehetra, rivotra efa nitsoka manerantany izany ka zary lasa tandra vadik’oditra ny ankamaroan’ny ambanilanitra.

Tohiny

FIARAHA-MIASAN’I MADAGASIKARA AMIN’IREO FIRENENA ANY IVELANY NIGOKA NY TOMBONTSOA NY CENI TAMIN’NY FANAMPIANA SY FIZARANA TRAIKEFA AZO AVY TAMIN’NY FIRENENA INDE SY INDONESIE.CINI 2022 copie

Ity taona 2023 ity dia fotoana natao hanomanana ny fifidianana hifanesy eto Madakasikara. Sempotra sy difotra tanteraka ny CENI amin’ny fanomanana ireo asa tsy maintsy atao mialoha mba hisian’ny fifidianana lavorary sy tomombana hatao eto Madagasikara. Efa nisokatra ary mbola mitazona ny fiarahamiasa amin’ireo firenen-kafa i Madagasikara, hita sy tsapa izany amin’ireo rafitra rehetra misy eto. Araka izany, naneho ny fahavononan’ny fireneny  hanome tanana ny  fanatevenana ny fahaiza-manaon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI).......

Tohiny