ECOUTEZ LA RADIO :  

Gazety volana Aogositra[2022]

Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021] || Gazety volana aprily [2021] || Gazety volana mey [2021] || Gazety volana Jona[2021] || Gazety volana Jolay[2021] || Gazety volana Aogositra[2021] || Gazety volana Septambra[2021] || Gazety volana Oktobra[2021] Gazety volana novambra [2021] || Gazety volana desambra [2021] || Gazety volana Janoary [2022] || Gazety volana Febroary[2022] || Gazety volana Marsa[2022] || Gazety volana Aprily[2022] || Gazety volana Mey[2022] || Gazety volana Jona[2022] ||  Gazety volana Jolay[2022] || Gazety volana Aogositra[2022]




  

EntteJournalAogositra2022


kabala

 

IMAM HOUSSEIN NITOLONA HO AN’NY FAHAMARINANA

IZA MOA NY IMAM HOUSSEIN (AS) ?

 Teraka tao Madina ny andro fahatelon’ny volana Cha’bane taona faha 4 Hezira ny Imam Houssein (as); zanak’i Ali Ibn Abi Twalib sy Fatimat Azzahra (as),  ilay zanaka vavin’ny Mpaminany Mohammad (saw). Araka izany dia zafikelin’ny Mpaminany Mohammad (saw) ny Imam Houssein (as). Ny Mpaminany Mohammad (saw) dia taranaky ny Mpaminany Ismaely (as) izay zanaky ny Mpaminany Abrahama (as) Raiben’ireo Mpaminany.

Tohiny


TSY FITIAVANA DISO TOERANA NO TSY ITIAVAN’IREO OLONA SASANY AN’IMAMO HOUSSEIN (AS), ILAY SAMBOFIARAN’NY FANAVOTANA…. MIVERENA FA MBOLA TSY TARA

doanOk01Petit04

Maro ireo olona eran’izao tontolo izao no mahalala an’Imamo Houssein (as), ary tsy voatery ho mpanaraka ny finoana Islamo ihany izy ireo, fa maro koa ireo hafa finoana no tena mahalala sy manaja fatratra Azy. Fa inona moa no anton’izany?

Olona masina sy manan-kaja miavaka ny Imamo Houssein (as) satria nitsinjo ny zanak’olombelona tsy ankanavaka. Nijoro mba hanohitra ny tsindrihazolena, nanipaka ny tsy ara-drariny ary nanao sorona ny tenany sy ny fianakaviany tao Karbala ho an’ny fahamarinana ny Imamo Houssein (as), ), ka nahatonga Azy nomena ny anaram-boninahitra hoe : Raim-panorina ny fahafahana. Lasa fanilo ho an’ny taranaka faramandimby ny sorona nataon’Imamo Houssein (as) ka izay no nahatonga ireo voan’ny tsindrihazolena nandray azy ho modely.

Tohiny

MOHARRAM 2022  ...NIOMPANA TAMIN’NY ASA SOSIALY NY HETSIKA NATAON’NY fCRA tany sakoana, faritra fitovinany.

HoussenPetit 2021

Tsy mitsaha-mitombo isa-taona ny olona manerantany mamaly ny antson’Imam Houssein (as) tao karbala amin’ny fahatsiarovana ny nahamaritiora azy. Tsy ambakain’ny any karbala isika mpino silamo raha ny eto Madagasikara amin’ny faritra izay nandalovan’ny mpanao gazety ‘‘NY FAHENDRENA’’ tamin’ny fanadihadiana natao tamin’ity taona 2022 ity. Ankehitriny ny famaliana ny antso nataon’Imam Houssein (as) tao karbala dia efa azo sokajiana ho amin’ny dingana rehetra tandrify ny tsirairay, na amin’ny resaka fampianarana sy fanitarana ny finoana, na amin’ny resaka fiarovana azy fa indrindra amin’ny fifampitsinjovana amin’ny samy mpiara-belona amin’ny lafiny sosialim-bahoaka.

Tohiny

fitrandrahana volamena eto madagasikara...tompony mangataka NY atiny ireo toerana ahitana ny harena...tsy misy nA inonA NA inona vita azo avy amin’ny tamberim-bidy ny any AMBILOBE.

orPetits

Famantarana manokana ny Distrikan’ny Ambilobe ny kaominina betsiaka izay toerana misy volamena maro sady amin’ny kalitao tsara indrindra eto Madagasikara.

Mahatratra 894,3 taonina ny volamena nivoaka tao amin’ny kaominina Betsiaka sy ny manodidina azy izay ao anatin’ny distrikan’ny Ambilobe, faritra Diana tao anatin’ny 22 taona (2000-2022) nisian’ny fitrandrahana, hoy ny filohan’ny komity mpampihatra ny DINA , Razafy Tsimiovalaza Richard........

Tohiny 

Eto madagasikara ...MATIANTOKA LAVITRA andriana ny tantsaha, 2 800 ariary ny kilaon’ny tsaramaso any Miandrivazo.

haricotsrougesPetits

Mitotongana ny vidin’ny tsaramaso ao Miandrivazo amin’izao fiakaran’ny vokatra izao noho ny fanararaotana ataon’ny mpanangom-bokatra amin’ny tantsaha. Tafidina 2 800 Ariary ny iray kilaon’ny tsaramaso amin’izao, raha 3 500 Ariary izany teo aloha hoy ny fanazavana. .... ‘‘Novidina 1 200 Ariary anefa ny iray kapoaka tamin’ny fividianana masomboly, avy eo mbola nambolena izany ary mbola maro ny famoaham-bola izay vao tonga amin’ny fotoampihotazana tahaka izao izahay’’ hoy ireo tantsaha........

Tohiny