ECOUTEZ LA RADIO :  

TohinWIO

NY ATY AMIN’NY FARI-DRANOMASIMBE INDIANINA ANDREFANA (WIO): RESY LAHATRA AMIN’NY TOKONY HANANANA PAIKADIM-PANDRINDRANA NY RANOMASINA.

Ny ranomasina, harena foin’Andriamanitra omena ny olombelona. Miavaka ireo firenena sy ireo faritra ahitana ny ranomasina eto amin’izao tontolo izao. Mitsiriritra azy avokoa ireo mpizahatany satria mizy ny mampiavaka azy arakaraky ny kaontinanta misy azy, ny firenena misy azy sns… Raha i Madagasikara manokana dia manana ny lakadranon’i Mozambika sy i pangalana, ary izy io dia reharehantsika tokoa. Harena hitambarana amin’ny hafa ireo fa saingy manana isika ka miaro izany miaraka. Voa tsy ela akory , izany hoe  ny 20 novambra ka hatramin’ny 25 Novambra 2023 no hanatanterahana any Mombasa – Kenya ny atrik’asa fifampizarana sy fampiofanana mahakasika ny fanajariana ho fandrindrana ny fari-dranomasina (Planification Spatiale Marine). Tanjona ny hampahafantatra ny mpiantsehatra rehetra ny paikady iombonana aty amin’ny faritra andrefan’ny Ranomasimbe Indianina (WIO) ho an’ny drafi-panajariana ny ranomasina, handrindra ireo drafi-panajariana nasionalin’ireo firenena mpikambana rehetra ary hifampizara traikefa amin’io lafiny io.

Marihina fa mamatsy vola ny tetik’asa ny « Nairobi Convention Secretariat » sy ny « United Nations Environment Programme “ raha toa ka firenena valo  ahitana an’i Afrika Atsimo, Mozambika, Tanzania, Kenya, Seychelles, Maurice, Comores ary i Madagasikara no mandray anjara amin’izany .

Iriana araka izany ny hisian’ny fifanakalozana eo amin’ireo teknisiana isan-tsokajiny avy amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana, hampandroso ireo tetik’asa mifandray amin’ny drafi-panajariana sy fanatanterahana izany any amin’ireo firenena samihafa. Asa vadi-drano ny fiarovana ny ranomasina ka aoka samy ho tompon’andraikitra.