ECOUTEZ LA RADIO :  

Gazety volana oktôbra 2020

Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021]

 


TONTOLO IAINANA    ||  SOSIALY ||   FINOANA


  

EntteJournalOctobre2020


ETO MADAGASIKARA, EFA MAMPIOMANA NY TONTOLO IAINANA AMIN’NY FAHAPOTEHANY  ‘‘IO FA MIRONGATRA INDRAY NY FITRANDRAHANA ALA ANY AMIN’NY FARITRA ATSINANANA’’.

exploitationforestirePxOk

Télécharger notre calendrier islamique 1442H en format pdf

Mirongatra izay tsy izy ny fitrandrahana an-tsokosoko tsikaritra any amin’ny ala atsinanana tato ho ato. Anisan’ny lasibatry ny famotehana ny faritra arovan’ny Madagascar National Parks (MNP). Mpisehatra amin’ny tontolo iainana iray monina any amin’ny Distrikan’i Toamasina II no nampita ny hafatra. Mivoaka any atsinanan’Ambatondrazaka ny hazo sarobidy toy ny andramena sy ny voamboana. Misy ihany koa ireo mamadika ny ala voajanahary ho harina. Manginy fotsiny ny fisian’ireo mpitady vato sarobidy toy ny safira sy rubis ary ny volamena any an’ala. Tomponandraikitra ao an-tanàna sy olomboafidy miray tendro amin’ny mpanambola avy aty Antananarivo no fantatra fa miray tsikombakomba amin’ny famotehana ny ala noho ny fitadiavana tombontsoa manokana.  Manao ny ataony ihany koa ny tavy izay tsy ahitam-bahaolana mahomby mandrak’androany. Tsy any amin’ny ala atsinanana ihany anefa no ahitana fandripahan’ala toy izany fa saika manerana an’i Madagasikara manontolo mihitsy.  Mampahonena ny tranga misy any amin’ny alan’ny Mikea, araka ny tatitra hita tamin’ny fahitalavitra.  Dorana sy toa iniana potehana mihitsy izay sisa tsy lasa harina.{hijery ny lahatsoratra rehetra}

FAMPANDROSOANA NY FARITRA VATOVAVY FITO VINANY ‘‘ MIARA-DALANA NY FCRA SY NY GOVERNORAN’NY FARITRA ARY NY ASSOCIATION ROSHAN JAMIL ANY ANTOERANA.’

FCRAV7VOkHo fampandehanana ny fampandrosoana any amin’ny  faritra vatovavy fito vinany,  taorian’ny  fanendrena ny Governora tany  antoerana, tsapa fa efa  miainga avy any ifotony amin’izao fotoana izao ny fampandrosoana saika manerana ny kominina miisa 47 mandrafitra ny renivohitra ny faritra. Tsy resaka intsony ny fampanantenana nataon’ny fitondrampanjakana tarihin’ny filoha Andry Nirina Rajoelina fa efa manomboka izany amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny Governoran’ny faritra vatovavy fito vinany,  ny  Jeneraly Razafitsotra Lucien laurel amin’ireo mpiara-miombonantoka aminy dia ny FCRA sy ny association Roshan Jamil any antoerana. Ho  famahana ny olan’ny fampianarana , ny fahasalamana ary  mba ho fanatsarana ny foto-drafitrasa efa misy ao antoerana raha araka ny fantatra dia napetraka tany amin’ny  kaominina ambanivohitr’ i sakoana, Distrikan’ny  Manakara ny atalata faha 06 oktobra lasa teo  ireo vato fototra  toy ny fanorenana sekoly ambaratonga voalohany na ny EPP izay ahitana efitra miisa 9 , {hijery ny lahatsoratra rehetra}

ARBAINE 1442H, NIAVAKA NY FAHATSIAROVANA NY FAHA EFAPOLO (40) ANDRO NAHA MARITIORA AN’I MAM HOUSSEIN (AS) TANY AMIN’NY FARITRA VATOVAVY FITO VINANY

makaraFill2020PxOk

Raha atao indray mielatra ny tantara, ny volana Moharam, volana voalohany amin’ny alimanaka islamika , 

fiatombohan’ny taona feno alahelo izany araka ny tantara izay tsy mety adinon’ireo mpanaradia  sy mpitia ny taranaky ny Mpaminany (Ahloul-Bayt) isan-taona.

Ny faha 10 n’io volana io no nahalasa maritiora ny zafikelin’ny Mpaminany Mohamad (saw) izay fantatra tamin’ny teniny malaza manao hoe: « Houssein dia avy amiko ary izaho dia avy amin’i Houssein» Noho ny fahafantaran’ireo mpanaradia ny taranaky ny Mpaminany (saw)  maneran-tany fa indrindra isika eto Madagasikara izany teny izany dia antony  mahatonga ny afom-pitiavana  mivaivay tsy mety maty ao ampo ny fitiavana an’ny Imam Houssein (as). 

Araka ny fantatra ary hita sy heno amin’ny fampahalalam-baovao na eto an-toerana na any ivelany dia tsy mitsaha-mitombo hatrany ny olona mankalaza ny nahalasa maritiora ity zafikelin’ny Mpaminany(saw) ity, ary miara-hory amin’ny Mpaminany Mohamad(saw) sy ireo fianakaviany izan-taona.

FAHATSIAROVANA NY FAHA 40 ANDRO NAHALASA MARTIORA AN’IMAM HOUSSEIN (AS) …NAHAZOANA AKONY MANERANA NY NOSY, SAIKA TANY AMIN’NY FARITRA VATOVAVY FITO VINANY AVOKOA NY MASON’NY MPANARA-BAOVAO TETO AMINTSIKA.

Fitiavana raiki-tapisaka amin’ny mpino silamo Shiita eto Madagasikara  ny maha zavadehibe ny tolona nataon’ny Imam Houssein(as) tao karbala; Samy nankalaza ny andro faha 40 nahalasa martiora  Azy   avokoa  ny teto   Madagasikara.Ny zavatra hita anefa  mihalatsa-paka ao ampon’ny vahoaka sy ny mpino silamo shiita malagasy ankehitriny ny fahafahana izay vokatry ny tolon’Imam Houssein (as), ka izany no tsy namelan’izy ireo handalovan’ny andro faha 40 fotsiny,  izay nahalasa martiora  ny lehiben’ny tanora ao amin’ny paradisa.

Araka izany ary, saika nahazoana akony avokoa ny fankalazana ity andro faha 40 ity saika manerana an’ny nosy fa ny tany amin’ny faritra vatovavy fito vinany kosa no tena azo ambara fa nanintona ny fo ary nampatsiahy vetivety ny tantara tamin’izany andro izay nahalasa martiora ny zafikelin’ny Mpaminany. Nidina tany antoerana araka izany ny avy teny amin’ny CRA (Centre Rassoul Akram) tetsy antohomadinika mba haneho ny fiaraha-miory tamin’ireo mpino namana tany amin’ny faritra vatovavy fito vinany ka tao amin’ny kaominina sakoana no nihaonan’ny rehetra nandritra ny 8 andro. Fampianarana ireo mpino tany antoerana, ny fampatsiahivana ny tantara, famangiana ireo mpino namana tany amin’ny moske maro samihafa tany antoerana no saika amehezana ny fandaharam-potoanan’ireo delegasionana avy taty Antananarivo tonga tany antoerana. {hijery ny lahatsoratra rehetra}

ADY AMIN’NY SINTO-MAHERY ETO MADAGASIKARA: TOKONY HIROSO AMIN’NY “ PAYEMENT ÉLECTRONIQUE” AMIN’IZAY NY GASY MBA HIFANARAKA AMIN’NY FANDROSOANA MANERANTANY.

sintoMaheryPxOk

Ambodin’isotry, Analakely, Besarety, Behoririka,  sns … Maro ireo olona nanaovana fanadihadiana tamin’ireo toerana ireo, mitaraina ny amin’ny resaka sinto mahery. 

Haintsika tsara fa ny eny Behoririka ohatra dia toerana fividianan’ireo namana avy any amin’ny faritra entam-barotra toy ny lamba , kiraro, sns… hamidy any amin’ny faritra ka amin’ny ankabobeny dia lelavola no hoentin’ireo mpividy entana nefa maro no lasibatry ny sinto mahery vokatry ny fitondrana vola be mivezivezy ao anatin’ny kitapo. Manoloana io olana io ary, ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpandinika sy mpandalina ny politikapampandrosoana ny tanan-dehibe eto amintsika nilaza fa ny firosoana amin’ny payment électronique toy ny banking money, carte électronique  no vaha olana amin’ny resaka sinto mahery.{hijery ny lahatsoratra rehetra}