ECOUTEZ LA RADIO :  

Gazety volana Janoary[2022]

 

Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021] || Gazety volana aprily [2021] || Gazety volana mey [2021] || Gazety volana Jona[2021] || Gazety volana Jolay[2021] || Gazety volana Aogositra[2021] || Gazety volana Septambra[2021] || Gazety volana Oktobra[2021] Gazety volana novambra [2021] || Gazety volana desambra [2021] || Gazety volana Janoary [2022] || Gazety volana Febroary[2022] || Gazety volana Marsa[2022] || Gazety volana Aprily[2022] || Gazety volana Mey[2022] || Gazety volana Jona[2022] ||  Gazety volana Jolay[2022] || Gazety volana Aogositra[2022] || Gazety volana Septambra[2022] || Gazety volana Oktobra[2022] || Gazety volana Novambra[2022] || Gazety volana Desambra[2022].|| Gazety volana Janoary[2022]




  

Janvier2023

       Imam Mahdi

 

Ny Imam Ali (as)-Imam voalohany Ilay lehiben’ireo mpino.

Ny Imam Ali (as) dia zanakalahin’i Aboutalib(as), ary Fatima zanakavavin’Assade no reniny. Izy dia zana-drahalahin-drain’ny Mpaminany Hajaina (s.a.w), ilay mpitarika ny mpino silamo ary izy no Ray nipoiran’ireo Imam rehetra.

Teraka tamin’ny faha 13 ny volana Rajab ny Imam Ali (as) andro alatsinainy araka ny filazan’ireo mpahay tantara, taona 600 taorian’i Jesoa kristy, na taona 30 taorian’ny taonan’ny elefanta, tao anatin’ny trano masina kaaba, izay tsy nisy olona teraka tao anatin’izany hatramizay, ary tsy hisy olona ho teraka ao anatin’izany mandrapahatonga ny andro farany.

 

Olona nanan-kaja, sy nanana toetra mendrika maro ary malala-tanana vonona lalandava hanampy ny hafa ny Imam Ali(as).Izy no olona voalohany nanaraka ny finoana Islamo niaraka tamin’ny Mpaminany Mohamad (saw) sy ny vadiny khadijat (ra), ary tsy mbola nanompo sampy mihitsy izy teo amin’ny fiainany. Tsy mbola nisy tafika notarihiny tamin’ireo ady natrehiny ka lavo izy, ary tsy mbola nandositra mihitsy izy, teo amin’ny sahan’ny ady.

Tohiny


VOLANA MASINA RAJAB 

rajab mois sacre

1- Navadiky ny taona indro tonga ilay Volana Masina 

Indro fa tamy indray tonga madondom-baravarana 

Ilay volana feno fahasoavana 

Volana Rajab, volana Masina an'Andriamanitra 

 

Tohiny

AKON’NY FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA « CHENESO « TATY AMIN’NY FARITRA DIANA...OLONA IRAY NO NAMOY NY AINY, TSY DIA NISY ZAVATRA SIMBA HOY NY TATITRA.

cyclone0123

 

Zaza lahy kely iray 10 taona no maty noentin-drano tao Amboloboso be , Distrikan’ny Antsiranana II ato anatin’ny faritra DIANA  ny alin’ny  faha 18 janoary 2023. Tsy nahitana fahasimbana sy fahavoazana firy ny tato amin’ny faritra izay ahitana distrika 5 mandrafitra azy  raha araka ny tatitra azon’ny avy eo anivon’ny «Comité Régional de la Gestion des Risque et de Catastrophe DIANA « CRGRC» ny faha 23 ny volana janoary 2023 lasa teo.......

 

Tohiny

 

KOLIKOLY MANJAKA AMIN’NY SEHATRY  NY TONTOLO IAINANA ‘‘ NAPETRAKA NY PAIKADY REHETRA HOMARIKY NY FANDRAISANA ANDRAIKITRA AVY AMIN’NY MINISTERA MPIAHY.

EvironnPetit

Ho sarotra ny fomba hamerenana an’i Madagasikara ho Nosy maintso indray raha mbola misy ny tia kely vokatry ny kolikoly na miainga avy amin’ny mpandray izany na avy amin’ny mpanolotra raha ny fanadihadiana natao .Namaritra paikady vaovao ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy, hiadiana amin’ny kolikoly eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana eto Madagasikara nanomboka tamin’ny taona lasa. Anisan’izany ny fametrahana ny rafitra vaovao iadiana amin’ny kolikoly na ny  »Structure Anti-Corruption »..

Tohiny

FOTOANA FAHAVARATRA ETO ANDRENIVOHITRA ‘‘TSARA FIOMANANA  NY TANAN’ANTANANARIVO, MADIO AVOKOA NY LAKANDRANO HOY NY APIPA.’’

AsaraTana070123

Olana mateti-pitranga eto amin’ny tanan’Antananarivo ny fiakaran’ny rano amin’ireny boriborintany izay iva ireny. Analakely, Besarety, Ankorondrano, 67ha sy Ankasina ary ireo faritra maro tsy voatanisa no matetika ahitana ireo mponina traboina isantaona noho ny fiakaran’ny rano amin’ny fotoana fahavaratra tahaka izao. Noho ny ezaka nataon’ny tomponandraikitra tamin’ity taona ity, ankehitriny dia tafavoaka soamantsara ny rano eto Antananarivo amin’izao na dia tsy mitsahatra aza ny firotsaky ny orana, hoy  Rafidimanantsoa Tojo Andry, tale jeneralin’ny APIPA. Madio avokoa ny iray ampahatelon’ny lakandrano eto Antananarivo.  Tsara fiomanana i Antananarivo, hoy izy. Tsy atahorana hisy fiangonan’ny rano....

Tohiny

ETO MADAGASIKARA ‘‘ MITARAZOKA NOHO NY ANTONY MARO SAMY HAFA NY RAHARAHAM-PITSARANA HOY IREO  MANAN-DRAHARAHA ENY.

fitsarana0123

Tsy mipetraka amin’ny tokony ho izy ny fitsarana tokony hisitrahan’ireo manan-draharaha eny amin’ny fitsarana raha ny fanadihadiana izay nataonay.Tsy ny tratry ny heloka be vava ihany fa na ireo izay voasazy 3 volana aza dia mety hamita 5 taona eny raha ny fitarazohan’ny fitsarana no somary hanaovana kajy ankandrina.Mitaraina araka izany ireo olona izay manan-draharaha eny anivon’ny fitsarana ny anton’ny mahatonga ny fitsarana eto Madagasikara manao io fomba fiasa io ?

.

Tohiny