ECOUTEZ LA RADIO :  

Gazety volana Mey[2022]

Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021] || Gazety volana aprily [2021] || Gazety volana mey [2021] || Gazety volana Jona[2021] || Gazety volana Jolay[2021] || Gazety volana Aogositra[2021] || Gazety volana Septambra[2021] || Gazety volana Oktobra[2021] Gazety volana novambra [2021] || Gazety volana desambra [2021] || Gazety volana Janoary [2022] || Gazety volana Febroary[2022] || Gazety volana Marsa[2022] || Gazety volana Aprily[2022] || Gazety volana Mey[2022]




  


ImamAliGrand

ANISAN’NY TORITENY NATAON’IMAM ALI (AS) MIKASIKANY FIFIDIANANA AN’IREO MPAMINANY

Ary  nosafidin’Ilay Be Voninahitra ireo Mpaminany avy amin’ny taranany (Adama), nametraka fifanarahana tamin’izy ireo Izy amin’ny fitondrana ny Hafatra, sy nametraka antoka tamin’izy ireo amin’ny fampielezana ny finoana, fa ny ankamaroan’ny zava-boahariny dia nivadika tamin’ilay fifanarahan’i Allâh tamin’izy ireo, ka tsy nahalala ny Zony izy ireo, ary nametraka mpikambana miaraka Aminy, fa ireo satana no nampihataka azy ireo amin’ny fahafantarana Azy, sy nanakana azy ireo amin’ny fanompoana Azy, koa dia nalefany ireo Irany tamin’izy ireo, sy nalefany nifanarakaraka ireo Mpaminaniny teo amin’izy ireo,.........

Tohiny


FARITRA MENABE ….VONONA HANAMPY IREO TANORA HIAVO-TENA NY FANJAKANA AMIN’NY ALALAN’NY TETIKASA MIAVOTSE.menabepetit020622

Voaresaka matetika foana ny hoe ‘‘ ny tanora no antoky ny fampandrosoana an’i Madagasikara’’. Mora no miteny izany fehezan-teny izany izay ahitana litera 49 izay fa ny fanatanterahana azy no hiandrasan’ny tanora any ifotony liampivoarana tao anatin’ny 60 taona nahazoana ny fahaleovan-tena. Tsy atao ambava fotsinyi zany hoy ny filohampirenena fa arahin’asa, araka izany ary ny faritra Menabe no isantarana ny tetikasa « MIVOATSE ».........

Tohiny


ETO MADAGASIKARA …ADY MBOLA MITOHY NY ADY ATAO AMIN’NY ANDIAM-BALALA HOY IREO TANTSAHA IZAY MANAO ANTSO AMIN’NY FANJAKANA.

valalapetit020622

Tao anatin'ny volana vitsy izay dia tsy nitsahatra nitabataba ireo tantsaha noho ny firongatry ny adiam-balala ary saika ny distrika maro no efa lasibatra. Potika ny fambolena ary velaran-tany maro no efa nandalovany. Raha nanontaniana mahakasika ny paikady kosa ny avy amin'ny minisitera mpiahy dia nilaza fa “Ampy tsara ny fitaovana, ny fiara sy ny olona miasa ary ny fanafody hiatrehantsika ny ady amin’ny valala ary efa napetraka avokoa ireo fepetra momba ny tranga mety hiseho.” hoy ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, Harifidy RAMILISON..... 

Tohiny

FAMPIAKARANA KARAMAN’IREO MPIASA AMIN’NY SEHATRA TSY MIANKINA ….HIVOAKA TSY HO  ELA NY DIDIM-PANJAKANA.secteurprivePetit020622

Mametra-panontaniana ny mpiasa amin’ireny sehatra tsy miankina ireny amin’ny fampiakarana ny karaman’izy ireo hoe rahoviana ihany? Tsy afaka ny hanery ny mpampiasana amin’ny orinasa hiasany anefa izy ireo fandrao ho very asa hoy ny fanazavany. Mihaino ny fitarainan’izy ireo anefa ny fanjakana ka araka ny loharanom-baovao dia hivoaka tsy ho ela ny didim-panjakana fampiharana ny fampiakarana ny karaman’ireo mpiasa ao amin’ny sehatra tsy miankina.

Tohiny


ETO MADAGASIKARA ….MBOLA PETRAKOLANA MAKA TOERANA EO AMBONY LATABATRA NY RESAKA ANGOVO SY AKORANAFO.

EnergiePetit

Mitaraina ny manjifan’ny orinasa JIRAMA amin’ny tolotra izay tsy mamaly velively ny kalitaon’ny tinady izay takian’ny mpanjifa, nefa ny vidiny dia midangana araka izay tsy izy. Misy mihitsy aza ireo mpanjifa sendra ny fanadihadiana izay nataonay no milaza fa mba mangataka fanazavana any amin’ny JIRAMA manoloana ireo olana maro samy hafa ao amin’ny tolotra izay omeny ny mpanjifany ;  fa fanazavana lava sy tsy misy vahaolana no omen’ny JIRAMA azy ireo.

Tohiny

ETO MADAGASIKARA…MANAO VY VERY NY AINY IREO TANORA MALAGASY AMIN’NY FITADIAVANA ASA MANKANY IVELANY.

JeunMalgsPetit 0921

Maherin’ny 500 isambolana ireo tanora vavy sy lahy mivoaka eto Madagasikara mandeha mitady asa fivelomana any ivelany raha ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety teto amin’ny GAZETY FAHENDRENA ny taona 2017.

Vokatry ny fahantran’ny vahoaka Malagasy no antony mahatonga ny fanaovana vy very ny aina any ampitandranomasina hoy ny fanazavan’izy ireo.Tsy voatery hiadana ny tonga any, mety hijaly sy hiaritra ny mangidy eny fa na dia izany aza no antony nandehanana tany mba hitsakara-piadanana sy fahasambarana.

Tohiny