ECOUTEZ LA RADIO :  

Gazety volana Janoary 2021

Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021]


ANKAPOBEANY          |  FAMPIANARANA  | FINOANA |  SAMY HAFA


  

EntteJournalFebr2021


VAROTRA SY FANJIFANA ETO AMINTSIKA…HENON’NY MPITONDRA NY TARAINAN’IREO MPANJIFA VARY ‘‘KAPOAKA MANARAM-PENITRA NO HO AMPIASAN’IREO MPIVAROTRA TSY HO ELA.’’

Reboizz

Télécharger notre calendrier islamique 1442H en format pdf

Miharihary eto amintsika ny fitaka sy fanambakana amin’ny resaka varotra sy fanjifana. Hita izany saika manenika amin’ny sehatra maro eto amintsika. Fampiakarana ny mason-karena ho 100% no tanjon’ireo mpivarotra hany ka mirona mankany amin’ny fitaka sy fanambakana ireo mpanjifany. Ny fanadihadiana natao no nahafana nahitana loharanom-baovao mikasika ny fitaka ataon’ireo mpivaro-bary amin’ny kapoaka fa misy amin’izy ireny no manao labozia ao anatin’ny kapoakam-bary izay hamarotany. Ny fitsirihana izay nataon’ny fanjakana mikasika ilay vato fandanjana manginy fotsiny, hatreto dia mbola mitohy ny tantara mikasika ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa izay hataon’ny fanjakana.{Ijery ny lahatsoratra rehetra}

  

EZAKA HO AMIN’NY FAMPANDROSOANA ETO MADAGASIKARA ‘‘IREO GOVERNORAM-PARITRA DIA TSY MAINTSY MAHAVITA LALANA 200KM HATRAMIN’NY 250KM ISAN-TAONA HOY NY FILOHA.’’

ConstRoutePXOK

Isan’ny mampitarazoka ny fampandrosoana eto amintsika hatr’izay ny tsy fisian’ny lalana. Vokatra izay dia mikatso avokoa ny vokatra tokony hiakatra any amin’ny tanan-dehibe. Ny olana aterak’izay anefa, marefo ny fari-piainan’ireo tantsaha satria io vokatra vokarin’ny tanany ihany no mba ahazoany sakafo nefa ambany dia ambany ny vidiny raha ireo olona manana fiara tsara sy raitra no tonga any aminy hividy izany vokatra  izany. Mitaraina matetika ny eto andrenivohitr’i Madagasikara amin’ny tsy fisian’ireo vokatra mety ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy iny vary sy ireo legioma atao sakafo saingy izay ny olana............................{hijery ny lahatsoratra rehetra}

  

ETO MADAGASIKARA MIDANGANA NY VIDIN-JIRO:  METY HITONDRA FAHOMBIAZANA NY FISOKAJIANA HO TOKO TELO NATAO AMIN’IZAO

jiramaPxOkTaona maro no efa nitarainana ity  vidin-jiro ity teto amintsika. Naro ireo mpitondra nifandimby,  saiky mbola manjavozavo ny vahaolana hatramin’izao. Fiakaran’ny vidinjiro, fahalotoan’ny rano sotroina, sns… ireo no matetika antso vonjy fanaon’ireo mpanjifa amin’ny tomponandraikitra.

Manoloana ny olana ao amin’ity orinasa ity araka izany, tsy mitsaha-mikaroka vahaolana ny tomponandraikitra ka amin’izao fotoana izao, nosokajian’ny Jirama ho telo ireo foibe mpamokatra herinaratra, ka arakarak’izay fandaniana  no amarotany amin’ireo mpanjifa, izay mbola sokajiany ho olon-tsotra, mpivarotra, mpamokatra na indostrialy. Sokajy 1 na Zone 1 : Ireo mpanjifa herinaratra vokarina avy amin’ny rano (Energie Hydraulique), na irony barazy irony, ivotoerana 21 no voakasik’izay. Sokajy 2 na Zone 2 : Ireo mpanjifa herinaratra vokarina avy amin’ny solika mavesatra (Fuel) Ivotoerana 02 no voakasik’izay. Sokajy 3 na Zone 3 : Ireo mpanjifa herinaratra vokarina avy amin’ny Gazoala (Gazole) Ivotoerana 92 no voakasik’izay. Mazava ho azy, fa tsy mitovy izany ny saran’ny Jiro aloan’ireo mpanjifa ireo arakaraky ny Sokajy misy azy............. {hijery ny lahatsoratra rehetra}

VIDIM-BARY ETO MADAGASIKARA ‘‘MIDANGANA HATRANY AMIN’NY 700 Ar NY KAPOAKA AMIN’IZAO, VARY TSINJO HATRANY AMIN’NY » 7000 TAONINA NO NAFARIN’NY FITONDRANA HAMIDY 500AR NY KAPOAKA.

ppnPxpetit

Taorian’ny fiakaran’ny vidim-bary ho 700 ar teto amintsika , miisa 7000 taonina no nafaran’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny SPM (State Procurment of Madagascar) mba hentina hamahana ny olan’ny vary eto amintsika. « Vary tsinjo » hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mponina manoloana ny fiakaran’ny vidim-bary ireto tonga ireto.

 Antony nahatonga izany fidangany izany raha ny fanadihadiana natao dia ny fihibohana nisy teto amintsika nandritra ny 6 volana, tsy afaka namokatra araka ny tokony ho izy ny mpamboly vary ka niakatra hoazy ny vidiny. Ny tany amin’ny faritra boeny aza efa tafakatra hatrany amin’ny 900Ar ny farany teo, saingy izao nahatongavan’izao vatsy jintso izao indray no mety hampihena izany vidim-bary izany any antoerana.

Haparitaka amin’ireo faritany rehetra ity vary ity mba hitsinjovana ny fahasahiranana mahazo ny vahoaka Malagasy hoy ny filohampirenena nandritra ny fidinany tany Toamasina tamin’ny fitsenana izao vary izao. Hamidy 500Ar ny kapoakan’izany « Vary Tsinjo » izany eny anivon’ireo tsena eny amin’ny Fokontany, ho entitra ny fanaraha-maso ataon’ny tomponandraikitra amin’ireo zatra lalandririnina amin’ny famarotana ity vary ity. Afaka roapolo andro dia ho tonga ny sambo faharoa hitondra 8500 taonina, ary hitohy hatrany isam-bolana ny fanafarana mandrapahamarin-toeran’ny vidim-bary eto amintsika hoy ny fanazavanan’ny Filohampirenena hatrany.

Mze