ECOUTEZ LA RADIO :  

Gazety volana Janoary [2022]

Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021] || Gazety volana aprily [2021] || Gazety volana mey [2021] || Gazety volana Jona[2021] || Gazety volana Jolay[2021] || Gazety volana Aogositra[2021] || Gazety volana Septambra[2021] || Gazety volana Oktobra[2021] Gazety volana novambra [2021] || Gazety volana desambra [2021] || Gazety volana Janoary [2022]




  

EntteJournalJanvier2022


ETO ANDRENIVOHITRA….DIFO-DRANO NY ANY ANATY TANANA , TOMPONANDRAIKITRA NEFA MIALA ANDRAIKITRA ISIKA MIANAKAVY

Inonda1Grand0122

Ny mpanototra tany , ny mpanary fako, ny kaominina , sns ….ireo no hiodikodinan’ny ady hevitra rehefa fahavaratra ka misy ny fiakaran’ny rano, ireo olona ireo no atao rangory fototry ny afo amin’ny fiakaran’ny rano vokatry ny tsy fandraisany andraikitra tandrify azy. Ny mpanototra tany no antony hoy ireo nanaovana fanadihadiana satria , izy ireo dia tsy mba manome  lalana ny rano hivoaka hiala ka hivarina any amin’ny fanariana azy. 

IZA MOA NO NANOME ALALANA NY MPANOTOTRA TANY ?

Voa tondro molotra ho mpanao kolikoly araka izany ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina izay mbola mamela tsy misy fitsirihana ny tany ho totofana eto andrenivohitra. Etsy akilany , mibaribary tsy takona hafenina otran’ny vay an-kandrina ny tsy firaharahian’ny vahoaka ny fanaovana maloto sy fanariana fako etsy sy eroa ka manentsina ireny lakandrano ireny izany.Mitaraina ho mila vonjy anefa ny vahoaka ,.............Tohiny


Toriteny nataon’Imam Ali (as),Famaritana ny fahariana an’i Adama (as)

ImamAliPetit

Avy eo, dia natambatr’Ilay Be Voninahitra ny tany mafy sy malemy, malefaka ary masaitra, mba ho lasa tanimanga izay notondrahany rano mandra-pahatonga azy ho madio, ary nopotsipotsehany tamin’ny hamandoana mandra-pahatonga azy ho madity, ka nosoritany tamin’izany ny sary misy rirany sy tonony, ary misy rantsana sy leferana: nataony mivongana izy mandra-pifikirany, ary nohamafisiny izy mandra-pahamainany, mandritra ny fotoana voafetra, sy fe-potoana voafaritra, avy eo dia notsofiny tao aminy ny Fanahiny ka nanjary olombelona manana fanahy mampihetsika azy, sy manana fisainana entiny manao zavatra, sy ireo rantsam-batana hikarakarany ny tenany,...... Tohiny


CORONA VIRUS SY NY FIFINDRANY ….PAIKADY MAHOMBY NO NORAISINA ARY MBOLA HORAISIN’NY FANJAKANA .

covidPetit

Maro ny efa lavo, tsy vitsy no marary any amin’ny hopitaly, ny miondra ny aretina nefa tsy marary dia efa tsy voaisa intsony amin’izao raha tsy ilaza isika ao anatin’ny faritra roa dia i DIANA sy ny faritra ANALAMANGA.

Mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasohana , piti-drora , sns …ny aretina corona virus, izay indrindra no antony nampiatoana ny fivoriana , nampiatoana ny fampianarana farany teo izay tsara ny hanamariana :.........Tohiny

MIJORO HO AN’NY TANINDRAZANY I  MALI , MISY TSY MANKASITRAKA ANEFA IZANY KA MAMPIASA NY CÉDÉAO ENTINA HAMPIADIANA ANTRANO NY VAHOAKA ANY ANTOERANA .

Malipetit012022

Hanavotra ny fireneny no tanjon’ireo vahoaka maro anisa miaraka amin’ny fitondrana tetezamita any Mali, setrin’izany anefa ny filatsahan’ny sazy hentitra amin’ny firenena eo ambany fitondran’i  col Assimi Goita. Fitondrana Tetezamita no misy any antoerana amin’izao, miaramila no nijoro nandray ny fitantanana nanomboka ny  volana May taona 2021 lasa teo.  Fanapahan-kevitra nivoaka ny faha 9 janoary teo, ..........Tohiny


TETIKASA TELEFERIKA ….RESAKA FAMPANDROSOANA NO ATAO, MISY MISINTONA HO RESAKA POLITIKA IZANY AMIN’IZAO FOTOANA IZAO.

telepheriquePetit0921

Ny hoe ‘‘ laharam-pahamehana’’ eto Madagasikara no tsy mazava amin’ny mpitazana ny toe-draharahampirenena miketraka ho mahitsy eo amin’ny hery ampovoany tsy misy fitanilana.

Samy misintona amin’ny tiany hitondrana ny ady hevitra ny tsirairay amin’izao satria efa ao anatin’ny fisasaham-potoana tsy hidirana amin’ny fifidianana isika. Hita izany na amin’ny sehatra ara-pahasalamana izay tokony tsy asiana resaka politika aza. Ny fitaterana antariby izay nampiteny ny moana ny adihevitra sy ny famporisihana politika hataon’ny sasany........Tohiny


HAPETRAKA NY POLITIKAM-PITSITSIANA MANOMBOKA IZAO , NORAVANA IREO “ORGANISME RATTACHÉ”

.OrganismRattaPetit012022

Teto Madagasikara hatrizay, ny vola mivoaka no betsaka raha oharina amin’ny vola miditra ao amin’ny kitapombolam-panjakana. Raha ny fanazavan’ny Ministry ny serasera moa dia mazava fa isany ahafahan’ireo ministra sy ireo teknisianina mangalatra teto amin’ny fitondrana ny fisian’izany “organisme rattaché” izany hoy ny fanazavany

Vola 1 300 miliara Ariary isan-taona no lany alefa amin’ny sampan-draharaha miankina amin’ny fanjakana (Organisme Rattaché), ........Tohiny



ETO MADAGASIKARA …TSY HIJANONA AMIN’NY FAMBOLENKAZO FOTSINY HO FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA FA HIARO IREO HAZO VOAVOLY NY MINISITERA TOMPON’ANDRAIKITRA .

EvironnPetit

Efa ao anatin’ny fotoana fambolen-kazo isika izao, hoy ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana. Azo atao avy hatrany, ary manentana ny amin’izany  mihitsy ny minisitera, ny mamboly amin’ny taniny manokana, na eo an-tokontany na eo an-jaridaina. Azo atao ihany koa ny mamboly hazo eny amin’ny tanin’ny orinasa na/sy tanim-panjakana, raha toa ka nahazoana alalana.

‘’Izay mamboly hazo manavotra firenena, izay mandoro ala mandoro tanindrazana’’..........Tohiny