ECOUTEZ LA RADIO :  

tohinI MADAGASIKARA

I MADAGASIKARA : NANDRAY ANJARA TAMIN’NY FIVORIAN’IREO GOVERINORAN’NY TAHIRIM-BOLA IRAISAM-PIRENENA ATY  AMIN’NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA.

Na dia eo aza ny ezaka te-hanorina sy hanangana fotodrafitr’asa eto amintsika, tsy afaka atao tiankano tsy tiankano izany fa miankina amin’ny eo ampelantanana. Etsy ankilany ihany koa, ny mpitantana dia efa nametrahan’ny maro anisa ny safidiny ka anjarany no mametraka ny laharapahamehana hatao amin’izay misy sy voafaritra ao amin’ny teti-bola ampiasaina. Tsy misy ‘‘ ABRAKA –ABRAKA’’ io fa tena tokony efa voafaritra ao anatin’ny ( LFI) Lois de Finance Initial ) avokoa izay rehetra hatao mandritra ny fanombohan’ny taona. Ny vola dia tsy maintsy tadiavina amin’ny fomba madio sy eken’ny lalana, efa misy ny fiarahamiasa amin’ny fikambanana iraisampirenena efa hatramin’ny ela izany. Izany hoe rehefa misy ny fanapahankevitra hatao dia mba manana ny ambara ao ihany koa isika malagasy fa tsy manaraka sy mipasoka ny efa malama fotsiny.  Tsy indray , ary tsy indroa fa imbetsaka no efa mivory isika  afrikanina , ny farany teo izao dia ny daty  faha 21 novambra 2023 no nanomboka nivory ireo Goverinoran’ny Tahirimbola iraisam-pirenena aty amin’ny faritra Atsimon’i Afrika. Tanjona ny ahafahan’ireo firenena ireo hanana solontena misimisy kokoa ampahenoana ny feony.  Noresahana koa ny  hanampy toerana fahatelo ho azy ireo amin’ny Filankevim-pitantanana na ny  fanomezana seza fahatelo ny Vondrona aty Afrika nandritra ireo Fihaonam-ben’ny FMI.Fifandresen-dahatra no natao raha toa ka ny volana Oktobra 2024 no ho tontosaina ny fifidianana mahakasika izany

Manana mpandrindra na « administrateurs » 2 ireo firenena 45 Afrikana aty amin’ny Faritra Atsimon’i Sahara, ka mizara roa :  ny voalohany dia ireo firenena miteny anglisy (OEDAE) ny faharoa kosa dia ireo izay miteny frantsay (OEDAF).

Nandray anjara tamin’ny fivoriana i Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola  amin’ny maha Goverinora azy. Mazava fa samy mba miady ny tombontsoany ao anatin’ny fikambanana ny vondrona , ny firenena tsirairay ka tokony ho velom-panantenana araka izany isika malagasy satria sady mpanapakevitra ihany koa amin’ireny fivoriam-be ireny.

Mze