ECOUTEZ LA RADIO :  

Gazety volana desambra [2021]

Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021] || Gazety volana aprily [2021] || Gazety volana mey [2021] || Gazety volana Jona[2021] || Gazety volana Jolay[2021] || Gazety volana Aogositra[2021] || Gazety volana Septambra[2021] || Gazety volana Oktobra[2021] Gazety volana novambra [2021] || Gazety volana desambra [2021]




  

EntteJournalDecembre2021


AKON’NY FARAN’NY TAONA ETO AMINTSIKA … MANARARAOTRA NY SASANY ‘‘IO FA MIAKATRA AVOKOA NY VIDIN’IREO PPN’’.

Nouvel

Amin’izao ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona izao, tsikaritra fa manomboka miakatra indray ireo vidin’entana ilaina amin’ny fiainana andavan’andro. Raha ny filàzan’ireo mpivarotra sendra ny fanadihadiana natao mikasika ity tranga ity  dia nilaza fa ‘‘hatrany amin’ny mpamongady no efa ahitana izay fiakaran’ny vidin’entana izay,  ka rariny raha eny amin’ireo mpitsinjara madinika  mba ahitana izay fiakarana izay ihany koa’’.

Anisan’ny tena nahitana fiakarany ny vidin’ny lafarinina. Manodidina ny 2500Ar izany amin’izao. Efa tao anatin’ny fotoana lavalava no nahitana izany fiakaran’ireo vidin’entana ireo. Betsaka etsy andanin’izany ireo izay manao kaomandy mofo mamy ireny rehefa ankatokin’ny fetin’ny krismasy tahaka izao, ka mety hiakatra ihany koa ny vidin’ny mofo mamy amin’izao satria ny akora fototra no efa nidangam-bidy nialohany.................. (Tohiny)


[Ny nahariana an’ireo Anjely] Araka ny voalazan’Imam Ali (as) ao amin’ny boky Nahajoul-balagh

ImamAliPetit

Avy eo, Izy dia nampitriatra teo anelanelan’ireo lanitra avo, ka nofenoiny karazana Anjely izany:

Misy amin’izy ireo ny manao fiankohofana (soujoud) foana fa tsy mba manao fiondrehana (roukou), sy ireo manao fiondrehana foana fa tsy mba mitsangana mihitsy, sy ireo manao filaharana foana fa tsy mba miala amin’izany, sy ireo manao fiderana an’i Allâh (swt) fa tsy mba sasatra amin’izany, tsy mandaitra amin’izy ireo ny faharendreman’ireo maso, sy ny fanadinoan’ireo saina, sy ny fahalemen’ireo vatana, ary ny fahaverezan-kevitry ny fanadinoana.

Tohiny(Imam Ali(as)) 


IREO TSARA HO FANTATRA MIKASIKA NY ARETINA COVID 19 ETO MADAGASIKARA AMIN’IZAO

covidPetit

Mampirohirohy saina ny be sy ny maro amin’zao fotoana izao noho ny firongatry ny aretina covid 19 indray. Ankoatrany fandehanana any amin’ny tobim-pahasalamana raha ny fanazavana azo hatrany hatreto, ny fiaraha-monina dia mbola tsy mahafantratra mazava ny tokony hatao mba tsy ahazoana ilay aretina izay fantatra fa efa miparitaka.

Raha ny fanadihadiana natao anefa dia efa mizara maromaro ankehitriny ny aretina ka tsara ny ahafantarana azy io :.........(Tohiny)

NY SIGARA SY NY LOZA ATERANY ….MAHALASA SAINA FA MBOLA MARO IREO OLONA MIFOKA SY MANDRAY NY LOZA HOAN’NY FAHASALAMANY

sigaraPetit

Saika variana amin’ny fisian’ny corona avakoa ny olona amin’izao. Ny sasany aza rehefa tafaresaka eny amin’ireny toerana azo ipetrapetrahana ireny ka sendra mahazo resaka ny fihanakin’ny dia alaim-panany manila ny arovava orona, ao ihany koa ireo izay mandrehitra sigara ka mifampizara izany. Fahafatesana no resaka , tsy misy mamela na ilay aretina natao fa mahafaty ity na ny sikara izay mipololotra isa-minitra ao amin’ny avokavoka.

 Raha ny fanadihadiana natao, olona maherin’ny 8.300 isan-taona no maty eto Madagasikara..........

? (Tohiny)


ETO MAGAGASIKARA …ANKOATRAN’NY VIDIM-BARY, MAMPITENY NY MOANA NY VIDIN’NY SOLIKA AMIN’NY FARITRA SASANTSASANY.

solikaPetit

Amin’ny fitsarana sy fijery tsy miangatra , rariny ihany raha mampiakatra ny saran-dalana ireo mpitatitra hoy ireo izay nanaovanay fanadihadiana .Tafakatra hatrany amin’ny 10 000 ariary ny litatra amin’ny solika aty Mananara Avaratra  sy ny tapany avaratry ny faritra  Analanjirofo. Ny tsy fahampian’ny famatsiana no voalaza fa anton’izany hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Miantso ny mpandraharaha sy .......(Tohiny)


Ady amin’ny fidanGan’ny vidin’entana eto madagasikara ny fiakarana an-dalambe  no mba vahaolana hitan’ny sasany.

.ppnPxpetit

Fanamby lehibe nataon’ny fitondram-panjakana tamin’ny alàlan’ny ministeran’ny indostria, ny varotra ary ny asa-tanana ny hitazonana ny vidin’entana eny an-tsena, amin’izao vanim-potoanan’ny fety izao. Fotoana fanararaotan’ny mpivarotra mantsy ny vanim-potoana tahaka izao hampiakarana ny vidin’entana, indrindra fa ireo sakafo sy kojakoja ilaina amin’ny andavan’andro........(Tohiny)



FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA ETO MADAGASIKARA….TSY NATAO HIJERY FOTSINY FA HO MPANATANTERAKA NY TANORA

EvironnPetit

Natao ary samy resy lahatra ny maro anisa fa ny tanora tokoa no tosika hoan’ny fampandrosoana . Sehatra maro no efa ahitana ny fandraisan’izy ireo andraikitra amin’izao fotoana izao , isan’izay ny fiarovana ny tontolo iainana .Hetsika ho fanentanana ny tanora ho afaka, vonona ary sahy mandray andraikitra amin’ny fanajana sy fikolokoloana ny tontolo iainana no karakarain’ny minisitera misahana ny tanora manerana ny nosy ka ny faritra Menabe no nanombohana izany.........(Tohiny)

Tohin'ny gazety