ECOUTEZ LA RADIO :  

tohinNYANDROMAFANA

NY ANDRO MAFANA SY NY TEVI-DOHA

Ny andro mivadibadika indrindra raha sendra ny hafanana miakatra be no mahabetsaka ny trangana tevi-doha indrindra eo amin’ny ankizy.

Ny vanim-potoanan’ny main-tany izay mampafana ny andro dia maro ny fitandremana tokony atao satria somary ambany kokoa ny hafanana ny maraina raha miakatra ambony dia ambony ny hafanana amin’ny mitataovovonana hatramin’ny telo tolakandro. Izany no antony voalohany mahatonga ny tevi-doha.

Na eo aza ny fanentanana mahakasika ny fisotroana rano dia misy ihany koa ny tsara atao ny hiarovana amin’ny masoandro hialana amin’ireo karazana aretina na tranga mety hahazo ny zaza sy ny ankizy. Ho an’ny anio ary dia ny tevi-doha tranga izay vokatry ny fidanihan’ny masoandro be loatra no andeha ho resahina.

Maro ny antony mety hahatonga ny tevi-doha izay ny ankizy eo amin’ny roa taona  hatramin’ny folo taona no matetika tratrany. Tsara ny manamarika dieny ety am-piandohana fa tsy voatery ho ny hafanana be loatra ihany no mahatonga izany fa mety ho vokatry ny allergie na fanisinana lelo mafy loatra sy matetika ihany koa. Ny antony farany dia noho ny sery tsy vaky na koa noho ny tsy fahatomombanan’ny fiasan’ny lalan-drà madinika ao amin’ny orona.  Tsy natao hampatahotra anefa ny tevi-doha.

Ny fahamainan’ny rivotra mandritra ny vanin’andro mafana no antony voalohany mahatonga ny tevi-doha. Misy fomba maromaro hanajanonana ny fandehanan’ny rà amin’ny orona. Ny fomba haingana indrindra dia somary ahondrika ny loha ary potserina moramora ny orona eo ambanin’ny taolana mandritra ny 10 minitra eo ho eo sady manohy miaina amin’ny vava. Mety hahatelina rà mantsy raha mitraka izay hitarika fikorontanana indray amin’ny tsinay. Tsy azo asiana na inona na inona ihany koa ao anaty orona ary fadiana ny manisina lelo mba tsy hahabetsaka ny fatran’ny rà mandeha ka ho loza ho an’ilay zaza.

                Raha efa natao ireo fomba tsotra mba hijanonan’ny rà amin’ny orona nefa mbola tsy mijanona ao antin’ny 15 hatramin’ny 20 minitra ny rà dia manantonà mpitsabo mba hahazoana fitsaboana mifandraika amin’izany. Ireo mpitsabo ihany no afaka manome ny fanafody tokony hohanina amin’ny fampijanonana ny rà fa tsy azo atao ny manao dokotera tena.

Rosa Malala