ECOUTEZ LA RADIO :  

Gazety volana Oktobra[2021]

Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021] || Gazety volana aprily [2021] || Gazety volana mey [2021] || Gazety volana Jona[2021] || Gazety volana Jolay[2021] || Gazety volana Aogositra[2021] || Gazety volana Septambra[2021] || Gazety volana Oktobra[2021]


FINOANA || TOE-KARENA  || FAMPANDROSOANA || SOSIALY || SAMY HAFA



  

EntteJournalOctobre2021


MPAMINANY MOHAMMAD, INDRAFO SY FAHASOAVANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO.

kaaba

Iza moa ny Mpaminany Mohammad ?

Ny Mpaminany MOHAMMAD (saws) dia teraka tamin’ny taona malaza antsoina hoe AMOUL FIL; izay azo adika amin’ny teny malagasy manao hoe « taonan’ny elefanta », tamin’ny faha fito ambiny folo ny volana RABIL AWAL (volana fahatelo amin’ny fanisan’andro silamo),570 taona taorian’ny Jesoa kristy, misy koa moa ireo mpahay tantara sasany milaza hoe tamin’ny faharoa ambinifolon’ny volana RABIL AWAL no nahaterahany tao LAMEKA.

Ireo mpahay tantara ihany koa moa dia milaza fa ny Mpaminany MOHAMMAD (saws) dia teraka roa volana taorian’ny nahafatesanan’ny Rainy antsoina hoe ABDOULLAH, izany hoe ny Mpaminany MOHAMMAD (saw) dia teraka kamboty tsy mba nifankahita tamin’ny Rainy niteraka azy .

Ny Mpaminany Mohammad (saws) dia taranaky ny Mpaminany Abrahama (as), satria izy dia taranaky ny Mpaminany Ismael zanaky ny Mpaminany Abrahama (as), izay nifindra-monina tany Lameka niaraka tamin’ny Reniny Hagar, noho ny baiko avy amin’Andriamanitra.

Avy amin’ny foko Kouraish antsoina hoe bani Hachim ny fiavian’ny Mpaminany, izay foko arabo nanana ny maha izy azy indrindra tao Lameka tamin’izany fotoana izany.(Lahatsoratra rehetra)


FANKALAZANA NY TSINGERINTAONA NAHATERAHAN’NY MPAMINANY MOHAMAD (SAW)  , HATAO ETO ANTANANARIVO NY AMIN’ITY TAONA ITY HOY NY  FIANAKAVIAM-BEN’NY MPINO SILAMO  ETO MADAGASIKARA

MohammadPetit 1021

Toy ny mahazatra isan-taona amin’ny fankalazana ny andro nahaterahan’ny Mpaminany Mohamad (saw), ny fianakaviam-be ny mpino silamo rehetra eto Madagasikara na ny ‘‘Association de la grande famille de la communauté Musulmane de Madagascar ’’ izay miombona ao anatin’ny ‘‘GFCMM’’ no mpikarakara izany, izay hiombonan’ny Sounit, shiite, Khodja, Bohra,(Lahatsoratra rehetra)


ETO MADAGASIKARA,  MANJAKA NY TSY MATY MANONTA AMIN’NY FANONDRANANA IREO HARENA SARO-BIDY SY VOAJANAHARY ANTSOKOSOKO.

traficTsMatyManontaPetit 1021

Mbola ezaka atao satria olana tsy mitsaha-mitombo eto Madagasikara ny fanondranana an-tsokosoko ny harena voajanahary sy ny kolikoly mifandraika amin’izany. Araka ny fanadihadiana nataonay dia sokatra maherin’ny 21 000 no tratra teto Madagasikara mandritra ny fikasana hanondrana an-tsokosoko, teo anelanelan’ny taona 2018 sy 2021, ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe : ‘‘ IZA NO AMBADIK’IZANY REHETRA IZANY ?(Lahatsoratra rehetra)

VOARESAKA IHANY NY FAMPANDROSOANA MIAINGA AVY ANY IFOTONY NEFA TSY NISY RESAKA INTSONY NY AMIN’IREO FIFIDIANANA KAOMINALY TOKONY HAVERINA.

DecentralisationDevMadaPetit 1021

Miara-manaiky na ny avy amin’ny andaniny , na ny avy amin’ny ankilany fa tokony hiainga avy any ifotony ny fampandrosoana an’ny Madagasikara. ‘‘Ny fanomezana andraikitra ny any ifotony no politika entina hanatanterahana ny fampandrosoana’’  hoy ireo olom-pirenena.  Miankina amin’ny finiavan’ny mpitondra hizara fahefana amin’ireo vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana anefa no hanananteraka na tsia izany rehetra izany .

….INONA ANEFA NY ZAVA-MISY ?(Lahatsoratra rehetra)


HAZAKAZAKA AMIN’NY FANEHOANA NY TANJAKA ARA-TOEKARENA MANERANTANY IO FA NANAINGA NY SAMBONDANITRA SINOA SHENZHOU-13 AMIN’ILAY TENA HIKA FARANY.

Na dia eo aza ny fisian’ny aretina corona virus ,  samy tsy manaiky lembenana ny firenena efa nanana ny tanjaka hatramin’izay voasoratra ao anatin’ny tantara . Ankoatran’ny zavatra efa ananan’ny firenena sinoa tanjaka , io fa nampiseho ny maha izy azy izy ka nampiaingany ny asabotsy alina tamin’ny 00ora23min (zoma 16ora23 GMT), 16 oktobra 2021, tany Gobi,(Lahatsoratra rehetra)


Tohin'ny gazety