ECOUTEZ LA RADIO :  

Tohiny(FAHATAPAHAN-JIRO MIFANDIMBY) [0423]

FAHATAPAHAN-JIRO MIFANDIMBY: TSY FAHAMPIAN’NY SOLIKA MAVESATRA SY MILINA NO ANTONY HOY NY JIRAMA.

Distrika maro eto Madagasikara no mitaraina amin’ny fahatapahan-jiro efa ho lava. Raha ny fanadihadiana nataonay eto anivon’ny gazety FAHENDRENA dia antony maro no tsy maintsy idiran’ny orinasa Jirama amin’ny fanapahan-jiro mifandimby amin’izao. Ny fanatsaharan’ny orinasa Henri Fraise et Fils ny milina mpihary herinaratra no antony ho an’ny any amin’ny faritra. Ho an’ny Antananarivo manokana kosa, ny tsy fahampian’ny solika mavesatra no olana. Ankoatra izay ny tsy fandoavan’ny orinasa maro ny trosan’ny orinasa Jirama izay miteraka tsy fahafahana manefa ny volan’ny mpamatsy solika.

Ireo no fanazavana nentin’ny minisitry ny Angovo sy Akoranafo, Andriamanampisoa Solo nandritra ny tafa nataony taminay.

Vahaolana heverina hampiova izao zava-misy izao ny fandoavan’ny tsirairay ny trosany. Eo koa ny fidirana tsikelikeky amin’ny « prépaiement». Isan’ny vahaolana fohy ezaka ny fitsitsiana ny solika misy eo am-pelatanana. Vahaolana lavitra ezaka ny fanafainganana ny fametrahana foibe famokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro miisa 37 amin’ny distrika 37 mba hialàna amin’ny fiankinan-doha amin’ny solika. Hafainganana koa ny fametrahana foibe famokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro eto amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo. Anisan’ny hanomboka atsy ho atsy ny 20MW ao Moramanga.

Na izany aza, efa manomboka mihena ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an’ny faritra sasany taorian’ny fitsinjarana solika hamokarana herinaratra, hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny Jirama. Mbola tsy mivaha tanteraka anefa ny olana amin’izao fotoana izao. Misy ny faritra mampihatra izany mafimafy kokoa toa an’i Mahajanga, Nosy-Be, Ambositra sy ny maro hafa. Maharitra eo amin’ny ora roa eo ny fahapahana isaky ny foibe fiaingan’ny herinaratra ho an’Antananarivo, mety mihoatra izay ny any amin’ny faritra.

 

Mze