ECOUTEZ LA RADIO :  

TohinWIO

NY ATY AMIN’NY FARI-DRANOMASIMBE INDIANINA ANDREFANA (WIO): RESY LAHATRA AMIN’NY TOKONY HANANANA PAIKADIM-PANDRINDRANA NY RANOMASINA.

Ny ranomasina, harena foin’Andriamanitra omena ny olombelona. Miavaka ireo firenena sy ireo faritra ahitana ny ranomasina eto amin’izao tontolo izao. Mitsiriritra azy avokoa ireo mpizahatany satria mizy ny mampiavaka azy arakaraky ny kaontinanta misy azy, ny firenena misy azy sns… Raha i Madagasikara manokana dia manana ny lakadranon’i Mozambika sy i pangalana, ary izy io dia reharehantsika tokoa. Harena hitambarana amin’ny hafa ireo fa saingy manana isika ka miaro izany miaraka. Voa tsy ela akory , izany hoe  ny 20 novambra ka hatramin’ny 25 Novambra 2023 no hanatanterahana any Mombasa – Kenya ny atrik’asa fifampizarana sy fampiofanana mahakasika ny fanajariana ho fandrindrana ny fari-dranomasina (Planification Spatiale Marine). Tanjona ny hampahafantatra ny mpiantsehatra rehetra ny paikady iombonana aty amin’ny faritra andrefan’ny Ranomasimbe Indianina (WIO) ho an’ny drafi-panajariana ny ranomasina, handrindra ireo drafi-panajariana nasionalin’ireo firenena mpikambana rehetra ary hifampizara traikefa amin’io lafiny io.

Marihina fa mamatsy vola ny tetik’asa ny « Nairobi Convention Secretariat » sy ny « United Nations Environment Programme “ raha toa ka firenena valo  ahitana an’i Afrika Atsimo, Mozambika, Tanzania, Kenya, Seychelles, Maurice, Comores ary i Madagasikara no mandray anjara amin’izany .

Iriana araka izany ny hisian’ny fifanakalozana eo amin’ireo teknisiana isan-tsokajiny avy amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana, hampandroso ireo tetik’asa mifandray amin’ny drafi-panajariana sy fanatanterahana izany any amin’ireo firenena samihafa. Asa vadi-drano ny fiarovana ny ranomasina ka aoka samy ho tompon’andraikitra.

TohinMONDIALY

LALAO FIFANINTSANANA HIDIRANA AMIN’NY MONDIALY , TSY NAVELAN’I Barea HITSANGA-MENATRA I MADAGASIKARA.

Afaka ny tebiteby, nisinda ny sento, nisava ny tahotra tamin’ny Malagasy satria nibata

fandresena nanoloana an’i Tchad ny Barea an’i Madagasikara tany Maroc. Nandrombaka ny isa telo tamin’ny alalan’ny fandresena telo noho ny tsy misy manoloana ny «Les Sao» ny malagasy. Tafiditra ao anatin’ny andro faharoa amin’ny fifanintsanan’ny lalao eran-tany 2026 ity lalao ity. Nahafaty baolina roa i Njiva, tolotra avy any amin’ny Metanire sy El’Hadari. I Loïc Lapoussin kosa no nanamarika ny baolina fahatelo, izay mbola tolotra avy any amin’ny El’Hadari hatrany.

Nobodoin’ny Barea tanteraka ny fizaram-potoana voalohany. Somary nitady ny fomba rehetra hanasahala ny isa ny mpifanandrina tamin’ny fizaram-potoana voalohany raha efa nitarika iray noho ny tsy misy. Mitarika vonjimaika ao amin’ny vondrona I i Mali izay manana isa efatra rehefa avy nanao sahala tamin’i Repoblikan’i Centrafrique, ity farany izay nahazo isa iray. Eo amin’ny laharana fahatelo ny malagasy aorian’i Comores, izay samy manana isa telo avy. Mbola tsy nitoko kosa i Tchad. Mbola hifanandrina i Comores sy Ghana rahampitso, tafiditra ao anatin’ny andro faharoa.

Tsiahivina fa resin’ny Black Stars ganeanina tamin’ny isa iray noho ny aotra ny Barea nandritra ny lalao voalohany. Amin’ny taona 2024 indray ny tohin’ny fifanintsanana amin’ity lalao eran-tany 2026 ity. Samy mbola manana herijika avokoa ireo ekipa mpiray vondrona amin’ny Malagasy. Alefa barea , vitanareo io

ZAMANA

tohinNYANDROMAFANA

NY ANDRO MAFANA SY NY TEVI-DOHA

Ny andro mivadibadika indrindra raha sendra ny hafanana miakatra be no mahabetsaka ny trangana tevi-doha indrindra eo amin’ny ankizy.

Ny vanim-potoanan’ny main-tany izay mampafana ny andro dia maro ny fitandremana tokony atao satria somary ambany kokoa ny hafanana ny maraina raha miakatra ambony dia ambony ny hafanana amin’ny mitataovovonana hatramin’ny telo tolakandro. Izany no antony voalohany mahatonga ny tevi-doha.

Na eo aza ny fanentanana mahakasika ny fisotroana rano dia misy ihany koa ny tsara atao ny hiarovana amin’ny masoandro hialana amin’ireo karazana aretina na tranga mety hahazo ny zaza sy ny ankizy. Ho an’ny anio ary dia ny tevi-doha tranga izay vokatry ny fidanihan’ny masoandro be loatra no andeha ho resahina.

Maro ny antony mety hahatonga ny tevi-doha izay ny ankizy eo amin’ny roa taona  hatramin’ny folo taona no matetika tratrany. Tsara ny manamarika dieny ety am-piandohana fa tsy voatery ho ny hafanana be loatra ihany no mahatonga izany fa mety ho vokatry ny allergie na fanisinana lelo mafy loatra sy matetika ihany koa. Ny antony farany dia noho ny sery tsy vaky na koa noho ny tsy fahatomombanan’ny fiasan’ny lalan-drà madinika ao amin’ny orona.  Tsy natao hampatahotra anefa ny tevi-doha.

Ny fahamainan’ny rivotra mandritra ny vanin’andro mafana no antony voalohany mahatonga ny tevi-doha. Misy fomba maromaro hanajanonana ny fandehanan’ny rà amin’ny orona. Ny fomba haingana indrindra dia somary ahondrika ny loha ary potserina moramora ny orona eo ambanin’ny taolana mandritra ny 10 minitra eo ho eo sady manohy miaina amin’ny vava. Mety hahatelina rà mantsy raha mitraka izay hitarika fikorontanana indray amin’ny tsinay. Tsy azo asiana na inona na inona ihany koa ao anaty orona ary fadiana ny manisina lelo mba tsy hahabetsaka ny fatran’ny rà mandeha ka ho loza ho an’ilay zaza.

                Raha efa natao ireo fomba tsotra mba hijanonan’ny rà amin’ny orona nefa mbola tsy mijanona ao antin’ny 15 hatramin’ny 20 minitra ny rà dia manantonà mpitsabo mba hahazoana fitsaboana mifandraika amin’izany. Ireo mpitsabo ihany no afaka manome ny fanafody tokony hohanina amin’ny fampijanonana ny rà fa tsy azo atao ny manao dokotera tena.

Rosa Malala

 

TohinRano&zaza

NY FATRAN’NY RANO ILAIN’NY VATAN’NY ZAZA AO ANATIN’NY IRAY ANDRO

Miovaova arakaraky ny taona ny fatran’ny rano ilain’ny olombelona, na ny zaza vao teraka hatramin’ny fahatelo volana aza dia mila rano ihany koa.

Zava-dehibe eo amin’ny fahasalaman’ny olombelona ny rano na ho an’ny kely na ho an’ny lehibe. Manodididna ny 300ml isan’andro ho an’ireo latsaky ny 3 volana. Tsy midika izany fa azo hampisotroina rano avy hatrany ny zaza latsaky ny 3 volana.  Amin’ny alalan’ny nonon-dreny no idiran’izany anaty vatany. Tokony hisotro rano betsaka kokoa ireo reny mampinono noho izany hialana amin’ny tsy faham-piandrano.

Manomboka ny faha enim-bolany no azo omena rano ny zaza, raha ny nambaran’ireo mpitsabo. Miankina amin’ny lanjan’ny zaza ny fatran’ny rano tokony ho sotroiny. Ho an’ny zaza telo volana hatramin’ny faha-enim-bolana dia 125ml hatramin’ny 150ml isaky ny kilao no ilainy isan’andro. Raha ny filazan’ireo mpitsabo hatrany, dia misy ireo rano miditra anaty vatana amin’ny alalan‘ny sakafo be rano toy ny legioma na voankazo ho an’ireo izay efa mihinana ventin-tsakafo.

Ny amin’izao andro mafana izao indrindra, dia mila rano na ny kely na ny lehibe. Rano toy inona indray ary no tsara ho an’ny zaza ? Mafana ny andro, mila rano avokoa na ny lehibe na ny kely indrindra ny ankizy. Ny rano avy nampangotrahana sy voaaro amin’ny loto no tsara indrindra sotroina ho an’ny ankizy eny fa na ho an’ny lehibe ihany koa aza. Na maro aza ireo rano voadio manokana sy anaty tavoahangy plastika isan-karazany; mba tsy handaniana vola amin’ny fividianana ireny tsara hatrany ny mampangotraka rano sy mitahiry izany amin’ny toerana azo antoka. Afaka sotroina amin’ny fotoana rehetra iny rano iny.

                Eto am-pamaranana dia tsara hatrany ny manentana mba hisotro rano madio sy voaaro amin’ny loto. Ny fihinanana voankazo sy legioma be rano dia manampy hisoroka ny tsy fahampian-drano. Mampitombo ny hery fiarovana ao amin’ny vatantsika ihany koa ny fihinanana ireo ka manampy tsy ho azon’ny aretina samihafa.

Rosa Malala

 

TohinRAIKITRA NY TSENANNY LETCHI

ETO MADAGASIKARA: RAIKITRA NY TSENAN’NY LETCHI, MARO IREO ASA MIFORONA, MISITRAKA IZAY TANDRIFY AZY NY ISAM-BATANOLONA.

Fotoana fiakaran’ny vokatra letchi izao, manome asa na mivantana na ankolaka fa indrindra any amin’reo faritra misy azy ity vokatra iray ity. Efa ela no niandrasana ny daty hisokafan’ny fiotazana ka izao nisokatra nanomboka ny talata 21 novambra ny taom-piotazana letchi 2023 ho an’ny faritra Analanjirofo sy Atsinanana izao. Tao Ambinany , Ambodimanga II, distrika Fenoarivo Atsinanana no nanamarihana izany ho an’ny faritra Analanjirofo, notarihin’ny goverinora Randriamanantena Marcellin.

Tombanana ho 17 500 hatramin’ny 18 000 taonina ny vokatra haondrana any ivelany amin’ity taona ity, raha 15 200 taonina mahery kely izany tamin’ny taon-dasa.

Manodidina ny 1300 ariary no ividianana ny iray kilao eny amin’ny mpamokatra.

Efa miantrana ao amin’ny seranan-tsambo Toamasina ny sambo lehibe hitatitra ny vokatra any ivelany. Anisan’ny hitondra ny vokatra voalohany ny sambo Atlantic Clipper sy Baltic Skipper. Sambo telo no fantatra fa vonona hitatitra vokatra amin’ity taona ity.  An’arivony koa ny mpanangom-bokatra vononana hividy ny letchi any amin’ny tantsaha. Raha fehezina dia tombony hoan’i Madagasikara ny fananantsika ny letchi, manana kalitao tsara ary ilaina isika ka ny toetra sy fihetsika atao dia ny fitazomana mandrakariva ny fitokisan’ireo firenena izay manjifa ny vokatra avy aty amintsika amin’ny alalan’ny fanomezana ny kalitao tsara indrindra izay mampiavaka antsika amin’ny firenena hafa.