ECOUTEZ LA RADIO :  

VFCRA any V7V(48)

volana aogositra      volana septambra     volana oktobra


ANKAPOBEANY          |   TONTOLO IAINANA    |  SOSIALY  |    FINOANA


  

EntteJournalOctobre2020


 

FAMPANDROSOANA NY FARITRA VATOVAVY FITO VINANY ‘‘ MIARA-DALANA NY FCRA SY NY GOVERNORAN’NY FARITRA ARY NY ASSOCIATION ROSHAN JAMIL ANY ANTOERANA.’’

FCRAGOUVManakara

Ho fampandehanana ny fampandrosoana any amin’ny  faritra vatovavy fito vinany,  taorian’ny  fanendrena ny Governora tany  antoerana, tsapa fa efa  miainga avy any ifotony amin’izao fotoana izao ny fampandrosoana saika manerana ny kominina miisa 47 mandrafitra ny renivohitra ny faritra. Tsy resaka intsony ny fampanantenana nataon’ny fitondrampanjakana tarihin’ny filoha Andry Nirina Rajoelina fa efa manomboka izany amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny Governoran’ny faritra vatovavy fito vinany,  ny  Jeneraly Razafitsotra Lucien laurel amin’ireo mpiara-miombonantoka aminy dia ny FCRA sy ny association Roshan Jamil any antoerana. Ho  famahana ny olan’ny fampianarana , ny fahasalamana ary  mba ho fanatsarana ny foto-drafitrasa efa misy ao antoerana raha araka ny fantatra dia napetraka tany amin’ny  kaominina ambanivohitr’ i sakoana, Distrikan’ny  Manakara ny atalata faha 06 oktobra lasa teo  ireo vato fototra  toy ny fanorenana sekoly ambaratonga voalohany na ny EPP izay ahitana efitra miisa 9 , ny fananganana efitrano fiterahana ho an’ireo vehivavy teraka sy fiandrasana marary any amin’ny kominina sakoana.  Ankoatra izay dia hasiam-panatsarana ihany koa ny tranom-pokonolona izay efa tena tonta tanteraka  any amin’ity  kominina sakoana ity.

 Tsy adinon’ireo mpiara-miombonatoka ihany koa ny famahana ny olan’ny soram-piankohonana tany antoerana ka efa natomboka tamin’io andro io ny fanamboarana ny kopia faobe  hoan’ireo  zaza tsy manana izany. Ireo no fanomezana maimaimpoana avy  amin’ny FCRA sy ny  ‘‘association Roshan  Jamil’’  izay miara-misalahy amin’ny  Governoran’ny  faritra vatovavy fito vinany .

Ankoatr’izay dia novatsiana fitaovana  ny kominina sakoana toy ny solosaina mba ahafahan’ireo mpiasan’ny kominina any antoerana manatanteraka ny asany amin’ny alalan’ny fanarahana teknolojia mifanaraka amin’ny toetr’andro. Santatra ambava rano izao hoy ireto mpiara-miombonantoka ireto amin’ny fandraisana anjara amin’ny resaka fampandrosoana ny faritra vatovavy fito vinany.

Nitondra fisaorana tamin’izao hetsika ara-pampandrosoana nentin’ireto malala-tanana  ireto izao araka izany ny  Governoran’ny faritra vatovavy fito vinany,  ny Jeneraly Razafitsotra Lucien laurel nandritra  ny fametrahana ny vato fototra hoan’ny fotondrafitrasam-pampandrosoana hatao any antoerana. Nanatrika izany lanonana  izany ireo tompon’andraikitra ara-panjakana isanam-baratongany tany amin’ny faritra .                                          

M’ze

 

Retour