ECOUTEZ LA RADIO :  

SOSIALY

volana aogositra      volana septambra     volana oktobra


ANKAPOBEANY          |   TONTOLO IAINANA    |  SOSIALY  |    FINOANA


  

EntteJournalOctobre2020


FAMPANDROSOANA NY FARITRA VATOVAVY FITO VINANY ‘‘ MIARA-DALANA NY FCRA SY NY GOVERNORAN’NY FARITRA ARY NY ASSOCIATION ROSHAN JAMIL ANY ANTOERANA.’’

FCRAGOUVManakara

Ho fampandehanana ny fampandrosoana any amin’ny  faritra vatovavy fito vinany,  taorian’ny  fanendrena ny Governora tany  antoerana, tsapa fa efa  miainga avy any ifotony amin’izao fotoana izao ny fampandrosoana saika manerana ny kominina miisa 47 mandrafitra ny renivohitra ny faritra. Tsy resaka intsony ny fampanantenana nataon’ny fitondrampanjakana tarihin’ny filoha Andry Nirina Rajoelina fa efa manomboka izany amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny Governoran’ny faritra vatovavy fito vinany,  ny  Jeneraly Razafitsotra Lucien laurel amin’ireo mpiara-miombonantoka aminy dia ny FCRA sy ny association Roshan Jamil any antoerana. Ho  famahana ny olan’ny fampianarana , ny fahasalamana ary  mba ho fanatsarana ny foto-drafitrasa efa misy ao antoerana raha araka ny fantatra dia napetraka tany amin’ny  kaominina ambanivohitr’ i sakoana, Distrikan’ny  Manakara ny atalata faha 06 oktobra lasa teo  ireo vato fototra  toy ny fanorenana sekoly ambaratonga voalohany na ny EPP izay ahitana efitra miisa 9 , ny fananganana efitrano fiterahana ho an’ireo vehivavy teraka sy fiandrasana marary any amin’ny kominina sakoana.  Ankoatra izay dia hasiam-panatsarana ihany koa ny tranom-pokonolona izay efa tena tonta tanteraka  any amin’ity  kominina sakoana ity.

 Tsy adinon’ireo mpiara-miombonatoka ihany koa ny famahana ny olan’ny soram-piankohonana tany antoerana ka efa natomboka tamin’io andro io ny fanamboarana ny kopia faobe  hoan’ireo  zaza tsy manana izany. Ireo no fanomezana maimaimpoana avy  amin’ny FCRA sy ny  ‘‘association Roshan  Jamil’’  izay miara-misalahy amin’ny  Governoran’ny  faritra vatovavy fito vinany .

Ankoatr’izay dia novatsiana fitaovana  ny kominina sakoana toy ny solosaina mba ahafahan’ireo mpiasan’ny kominina any antoerana manatanteraka ny asany amin’ny alalan’ny fanarahana teknolojia mifanaraka amin’ny toetr’andro. Santatra ambava rano izao hoy ireto mpiara-miombonantoka ireto amin’ny fandraisana anjara amin’ny resaka fampandrosoana ny faritra vatovavy fito vinany.

Nitondra fisaorana tamin’izao hetsika ara-pampandrosoana nentin’ireto malala-tanana  ireto izao araka izany ny  Governoran’ny faritra vatovavy fito vinany,  ny Jeneraly Razafitsotra Lucien laurel nandritra  ny fametrahana ny vato fototra hoan’ny fotondrafitrasam-pampandrosoana hatao any antoerana. Nanatrika izany lanonana  izany ireo tompon’andraikitra ara-panjakana isanam-baratongany tany amin’ny faritra .                                          

M’ze

 

ADY AMIN’NY SINTO-MAHERY ETO MADAGASIKARA: TOKONY HIROSO AMIN’NY “ PAYEMENT ÉLECTRONIQUE” AMIN’IZAY NY GASY MBA HIFANARAKA AMIN’NY FANDROSOANA MANERANTANY.

sintoMaheryPxOk

Ambodin’isotry, Analakely, Besarety, Behoririka,  sns … Maro ireo olona nanaovana fanadihadiana tamin’ireo toerana ireo, mitaraina ny amin’ny resaka sinto mahery. Haintsika tsara fa ny eny Behoririka ohatra dia toerana fividianan’ireo namana avy any amin’ny faritra entam-barotra toy ny lamba , kiraro, sns… hamidy any amin’ny faritra ka amin’ny ankabobeny dia lelavola no hoentin’ireo mpividy entana nefa maro no lasibatry ny sinto mahery vokatry ny fitondrana vola be mivezivezy ao anatin’ny kitapo. Manoloana io olana io ary, ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpandinika sy mpandalina ny politikapampandrosoana ny tanan-dehibe eto amintsika nilaza fa ny firosoana amin’ny payment électronique toy ny banking money, carte électronique  no vaha olana amin’ny resaka sinto mahery.Efa mianiga tsikelikely anefa izany raha araka ny fanadihadiana natao satria  ny telma izao efa miroso tsikelkely amin’izany amin’ny alalan’ny Mvola amin’ny fanomezana tolotra Carte Visa international izay ahafahana maka vola na aiza na aiza maneran-tany amin’ny alalan’ny ‘‘distributeur automatique Visa’’. Tsara ihany koa ny fahafahana mampiasa ilay carte Mvola amin’ny fividianana entana amin’ireo mpivarotra manana ny antsoina hoe ‘‘terminal Visa’’ (TPE) hoy atrany ny valin’ny fanadihadiana natao tamin’ireo hafanana amin’ny resaka toe-karena sendra ny mpanao gazetinay. . Tsara ihany koa ny carte Mvola satria afaka hividianana entana na service amin’ireo mpivarotra eny amin’ny internet na vente en ligne. Tsara kosa raha asiana assurance miaraka amin’ilay carte, toy ny vol, agression au DAB, fraude raha tsy ianao no nampiasa ny carte, na misy halatra sur internet, azo atao option ny assurance vie sy assurance voyage . Ilaina ny firosoana amin’izy ireny satria mampihena ny tsy fandriam-pahalemana  ary hanalavitra tanteraka ny fikirakirana vola be an-tanana  hany ka hampisy ny fakampanahy ho an’ireo zatra manao ratsy.

PAYEMENT ÉLECTRONIQUE…NATAO  HOAN’NY SARABAMBEMBAHOAKA VE ?

Resy lahatra ny rehetra amin’ny tolotra vokatrin’ny tsyfahandriampahalemana eto amintsika hampiasa ny resaka ‘ ‘ payement èlectronique’’ nefa midangana hoy izy ireo ny saran’izany ka tsy zaka ny vahoaka madinika.Mbola azo leferina ihany ny 20 000ar alaina eo ampividianana ilay carte any amin’ny shop Mvola, fa ilay sarany 4-6% alaina amin’ny fakana vola iraisam-pirenena kosa tafahoatra loatra. Ny Carte bleue dia afaka ampiasaina amin’ireo banky samihafa, raha ny Union Européenne dia nametra ho lalàna any Europe fa tsy mahazo mihoatra ny 0,23% ny frais alaina amin’ny fampiasana ny Carte bleue (commission d’interchange de paiement (CIP)), raha 0,29% izany teo aloha. Ary ny mpivarotra no mizaka izay frais izay fa tsy ny mpanjifa. Ny banky tsirairay afaka mametra ny sarany fa tsy mahazo mihoatra io fetra io. Io sarany io miampy 0,04% amin’ny Taux Interbancaire de Cartes en Opposition (TICO), izay sarany alain’ny banky samy banky amin’ny mety hosoka mitranga. Ny Carte bleue izany dia mitentina 0,9011 % ny sarany amin’ny vola alaina amin’ny réseau CB, raha 1,3640 % amin’ny réseau Visa, ary 1,9164 % amin’ny réseau Mastercard. Mila manisy fetra izany ny fanjakana Malagasy amin’ny sarany alaina amin’ireto payement électronique ireto fa tsy avela samy amaritra ny azy midangana ny banking money sy ny Carte bleue na Carte Visa. Mankahery an’ny Mvola anefa amin’ilay dingana lehibe, izay antenaina hihena ny sarany, na ny amin’ny banking money na amin’ny Carte Mvola satria ny vahoaka no antony nanaovana azy ka ny fitsinjovana ny sarambabe no tokony hapetraka ao anatin’izany.

M’ze

Retour