ECOUTEZ LA RADIO :  

momba ara-toe-karena

volana aogositra      volana septambra 


ANKAPOBEANY          |  TOE-KARENA    |    FINOANA


  

EntteJournaLsept


RAHA NY FAMBOLENA NO VAHA OLANA ETO AMINTSIKA… ‘‘TSY ILÀNA ZAVATRA LAVITRA IZANY, HATOMBOY AMIN’IZAY MISY ALOHA, SAMY TOKONY HANANA NY ZAVATRA MAMPIAVAKA AZY NY FARITRA REHETRA ETO AMINTSIKA’’.

papayePare

Manoloana ny fahatrana efa nitarazoka nandritra ny taona maro teto amintsika ,ny fanadihadian natao nilàza fa vaha olana eto madagasikara ny fampiroboroboana ny sehatra eny ambanivohitra amin’ny alalan’ny fanatsràna ny fambolena izay ataon’ireo tantsaha.Tsy isafidianana izay tokony hatao fa mety avokoa ny vokatra misy eto amintsika , sady ialiana amin’ny sehatra iraisam-pirenena avakoa izy rehetra amin’ny ankapobeny.Ny ilany antsinanan’i Madagasikara no hita fa mamaly ny filàantsika amin’ny resaka fambolena. Toy ny efa misy any antoerana amin’izao no sady efa azo lazaina fa miroborobo ny fampolena  ny papaye solo. Miroborobo tokoa satria mora ny efa vita voly any no sady efa mamokatra ary mifanaraka amin’iny toe-tany amin’ny tamany atsinanana iny  ny Papaye solo. Ankoatra ny karazany efa misy tany an-taonany izay efa maro, dia nampidiran’ny CTHT na ny ‘‘Centre Technique Horticole’’ de Toamasina tany amin’ny faritra atsinanana  ihany koa ity karazana papaya solo ity ny  taona 2005, tamin’ny taona 2006 kosa ny FORMOSA sy ny SUNRISE. Ny papaye na (MAPAZA,VOAPAZA) dia voankazo avy any Mexique sy Amerika afovoany, nampidirina teto Madagasikara tany amin’ny taon-jato faha-XIX avy tao amin’ny nosy La Réunion. Anarana siantifika: « Carica papaya », voankazo fianakaviamben’ny « Caricaceae ».Tsikaritra fa tena maro ireo tantsaha mpamboly no misafidy mamboly an’ity karazana voapaza SOLO ity any amin’ny faritra araka izay, nisy ny tetik’asa  famporisihana ny tantsaha hamboly io vokatra io efa taona vitsivitsy lasa izay, ka lasa foto-piveloman’ny mponina maro, noho izy mora ambolena sady azo atao mandavan-taona. Miroborobo fatratra izany, ka am-jatony taonina isam-bolana ny vokatra mivoaka avy ao amin’ny faritra Toamasina ao. 

Na dia eo aza izay famkarana izay hoy Goverinoran’ny faritra atsinanana Atoa RAFIDISON, tokony omena fihofanana ny mpisehatra amin’ity resaka fampolena voapaza ity any antoerana, ary tokony tsy io fotsiny fa

  jerena ihany koa ireo karazam-boly hafa mety amin’y tsiron’ny tany any amin’ny faritra atsinanana. Ilaina any atoerana ihany koa ny fanamafisina ilay antsoina hoe (CHAÏNE DE VALEUR ) izany hoe ireo dingana sy rohy famokarana an’ilay voly, manomboka amin’ny fambolena ka hatrany amin’ny fiotazana sy famarotana azy. Ny fanaovana laharam-pahamehana ihany araka izany dia efa midika sahady amin’ny firosoana amin’ny fametrahana  ny « unité de transformation », izany hoe ny fanodinana eo an-toerana ny vokatra, amin’izay mba ho karazany maro ny tombony azon’ny mpamokatra any an-toerana. Ireo rehetra ireo anefa tokony ho asa vadidrano hiarahana amin’ny fanjakana sy ny mpamboly, izany hoe manao ezaka ny fanjakana amin’ny fanomezana tosika ny tantsaha sy fampidirana ny sehatra fambolena amin’ny maha matianina ireo mpisehatra aminy.Maro ireo toerana eto Madagasikara izay mamokatra ny vokatra maro samy hafa izay mampiavaka ny faritra 22 hatr’izay izay ho efa 23 izy amin’izao fotoana izao saingy lavitra andriana izy ireny ka zary latsaka ankilabao hatrany. Izao fotoana misy antsika izao anefa tsy fotoan’ny fitomanizana randraha hanendrehana ny hafa fa fotoana firosoana amin’ny fanatanterahana ny fikasana tsy vita hatr’izay amin’ity tanindrazana hiaraha-manana ity, aoka mba tsy hijanona ho fampanantenana fotsiny ny resaka nifanaovana amin’ny fampandrosoana fa fotoana izao, harosoy amin’izay ny dia tompoko. Miandry ireo teknisianina avar-pianarana amin’ny fambolena ny tantsaha any ambany ravin-kazo hanome izy ireo traikefa hentiny hanatsarana ny vokatra miala any amin’ny mba hampisokadina ny vokatra avy eto manadasikara amin’ny tsena iraisam-pirenena.

 

M’ze

NY FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA SY NY FITRANDRAHANA HAZO ETO MADAGASIKARA : MITSINJO LAVITRA NY MINISITRA TOMPON’ANDRAIKITRA ETO AMINTSIKA, ‘‘ALEO HATAO TERY OMBY RIRININA NY FITRANDRAHANA’’.

exploiForetOk

Manao ny ainy tsy ho zavatra ny mpiaro ny tontolo iainana eto amintsika manoloana ny fandripahana ataon’ireo mpanao izany. Na eny amin’ny faritra arovana aza, tsy tahotra tsy henatra dia manao izany ireo mihevi-tena fa ho  ambonin’ny lalàna. Ny fikorotanan’ny tontolo iainana hiaraha-manana anefa efa hiaraha-mahita amin’izao vokatr’io asa ratsy io. {hijeery ny lahatsoratra rehetra}

 

retour

exploiForetOk