ECOUTEZ LA RADIO :  

40 jours de l'Imam Houssein(as) 2020

volana aogositra      volana septambra     volana oktobra


ANKAPOBEANY          |   TONTOLO IAINANA    |  SOSIALY  |    FINOANA


  

EntteJournalOctobre2020


ARBAINE 1442H, NIAVAKA NY FAHATSIAROVANA NY FAHA EFAPOLO (40) ANDRO NAHA MARITIORA AN’I MAM HOUSSEIN (AS) TANY AMIN’NY FARITRA VATOVAVY FITO VINANY.

makaraFill2020PxOk

Raha atao indray mielatra ny tantara, ny volana Moharam, volana voalohany amin’ny alimanaka islamika , fiatombohan’ny taona feno alahelo izany araka ny tantara izay tsy mety adinon’ireo mpanaradia  sy mpitia ny taranaky ny Mpaminany (Ahloul-Bayt) isan-taona. Ny faha 10 n’io volana io no nahalasa maritiora ny zafikelin’ny Mpaminany Mohamad (saw) izay fantatra tamin’ny teniny malaza manao hoe: « Houssein dia avy amiko ary izaho dia avy amin’i Houssein» Noho ny fahafantaran’ireo mpanaradia ny taranaky ny Mpaminany (saw)  maneran-tany fa indrindra isika eto Madagasikara izany teny izany dia antony  mahatonga ny afom-pitiavana  mivaivay tsy mety maty ao ampo ny fitiavana an’ny Imam Houssein (as).

Araka ny fantatra ary hita sy heno amin’ny fampahalalam-baovao na eto an-toerana na any ivelany dia tsy mitsaha-mitombo hatrany ny olona mankalaza ny nahalasa maritiora ity zafikelin’ny Mpaminany(saw) ity, ary miara-hory amin’ny Mpaminany Mohamad(saw) sy ireo fianakaviany izan-taona.

FAHATSIAROVANA NY FAHA 40 ANDRO NAHALASA MARTIORA AN’IMAM HOUSSEIN (AS) …NAHAZOANA AKONY MANERANA NY NOSY, SAIKA TANY AMIN’NY FARITRA VATOVAVY FITO VINANY AVOKOA NY MASON’NY MPANARA-BAOVAO TETO AMINTSIKA.

Fitiavana raiki-tapisaka amin’ny mpino silamo Shiita eto Madagasikara  ny maha zavadehibe ny tolona nataon’ny Imam Houssein(as) tao karbala; Samy nankalaza ny andro faha 40 nahalasa martiora  Azy   avokoa  ny teto   Madagasikara.Ny zavatra hita anefa  mihalatsa-paka ao ampon’ny vahoaka sy ny mpino silamo shiita malagasy ankehitriny ny fahafahana izay vokatry ny tolon’Imam Houssein (as), ka izany no tsy namelan’izy ireo handalovan’ny andro faha 40 fotsiny,  izay nahalasa martiora  ny lehiben’ny tanora ao amin’ny paradisa.

Araka izany ary, saika nahazoana akony avokoa ny fankalazana ity andro faha 40 ity saika manerana an’ny nosy fa ny tany amin’ny faritra vatovavy fito vinany kosa no tena azo ambara fa nanintona ny fo ary nampatsiahy vetivety ny tantara tamin’izany andro izay nahalasa martiora ny zafikelin’ny Mpaminany. Nidina tany antoerana araka izany ny avy teny amin’ny CRA (Centre Rassoul Akram) tetsy antohomadinika mba haneho ny fiaraha-miory tamin’ireo mpino namana tany amin’ny faritra vatovavy fito vinany ka tao amin’ny kaominina sakoana no nihaonan’ny rehetra nandritra ny 8 andro. Fampianarana ireo mpino tany antoerana, ny fampatsiahivana ny tantara, famangiana ireo mpino namana tany amin’ny moske maro samihafa tany antoerana no saika amehezana ny fandaharam-potoanan’ireo delegasionana avy taty Antananarivo tonga tany antoerana. Araka ny fanadihadiana natao, nankasitraka ity fihetsika ity ny mpino tany antoerana satria tsapa fa mangetaheta izany fampianarana izany ny any amin’ny faritra ka velompisaorana ny tompon’andraikitra. Nahitana olona tsy latsaka ny 500 isanandro no tonga miatrika ny majalis tamin’ireo ivotoerana izay notsidihana , ary hita fa niakatra io isa io tamin’ny andro alakamisy ‘‘ 40 eme jours’’ izay nihaonan’ny rehetra teo amin’ny moske sakoana  nandritra ny filaharana natao. Izany no natao mba ho fampahafantarana ny mponina tany antoerana , hoy ny fitateram-baovao voaray tamin’ireo solontena avy aty Antananarivo, sy ireo avy any antoerana. Raha tany amin’ny distrikan’ny midongy manokana izay nandefasan’ny CRA delegasionina  tamin’ity famelomamaso ny faha 40 andro nahalasa martiora an’I mam Houssein ity, saika nitovy tsy nisy valaka ny teo sakoana ihany koa ny zava-nisy araka ny vaovao azo, nisy ny  fampianarana natao ho an’ireo olon-dehibe nandritra ny 5 andro niarahana tamin’ireo tanora nalefa tany antoerana.

 

…..Ny tany rehetra dia karbala, ny andro rehetra dia anchoura ….

Faralahy

 

Retour