ECOUTEZ LA RADIO :  

Tontoloiainana(N°48)

volana aogositra      volana septambra     volana oktobra


ANKAPOBEANY          |  TONTOLO IAINANA    |  SOSIALY  |    FINOANA


  

EntteJournalOctobre2020


ETO MADAGASIKARA, EFA MAMPIOMANA NY TONTOLO IAINANA AMIN’NY FAHAPOTEHANY  ‘‘IO FA MIRONGATRA INDRAY NY FITRANDRAHANA ALA ANY AMIN’NY FARITRA ATSINANANA’’.

exploitationforestirePxOk

Télécharger notre calendrier islamique 1442H en format pdf

Mirongatra izay tsy izy ny fitrandrahana an-tsokosoko tsikaritra any amin’ny ala atsinanana tato ho ato. Anisan’ny lasibatry ny famotehana ny faritra arovan’ny Madagascar National Parks (MNP). Mpisehatra amin’ny tontolo iainana iray monina any amin’ny Distrikan’i Toamasina II no nampita ny hafatra. Mivoaka any atsinanan’Ambatondrazaka ny hazo sarobidy toy ny andramena sy ny voamboana. Misy ihany koa ireo mamadika ny ala voajanahary ho harina. Manginy fotsiny ny fisian’ireo mpitady vato sarobidy toy ny safira sy rubis ary ny volamena any an’ala. Tomponandraikitra ao an-tanàna sy olomboafidy miray tendro amin’ny mpanambola avy aty Antananarivo no fantatra fa miray tsikombakomba amin’ny famotehana ny ala noho ny fitadiavana tombontsoa manokana.  Manao ny ataony ihany koa ny tavy izay tsy ahitam-bahaolana mahomby mandrak’androany. Tsy any amin’ny ala atsinanana ihany anefa no ahitana fandripahan’ala toy izany fa saika manerana an’i Madagasikara manontolo mihitsy.  Mampahonena ny tranga misy any amin’ny alan’ny Mikea, araka ny tatitra hita tamin’ny fahitalavitra.  Dorana sy toa iniana potehana mihitsy izay sisa tsy lasa harina. 

Manginy fotsiny ny fisian’ireo mpitady vato sarobidy toy ny safira sy rubis ary ny volamena any an’ala. Tomponandraikitra ao an-tanàna sy olomboafidy miray tendro amin’ny mpanambola avy aty Antananarivo no fantatra fa miray tsikombakomba amin’ny famotehana ny ala noho ny fitadiavana tombontsoa manokana.  Manao ny ataony ihany koa ny tavy izay tsy ahitam-bahaolana mahomby mandrak’androany. Tsy any amin’ny ala atsinanana ihany anefa no ahitana fandripahan’ala toy izany fa saika manerana an’i Madagasikara manontolo mihitsy.  Mampahonena ny tranga misy any amin’ny alan’ny Mikea, araka ny tatitra hita tamin’ny fahitalavitra.  Dorana sy toa iniana potehana mihitsy izay sisa tsy lasa harina.

 

  ….HATAO IZAY HIAROVANA NY ALA HOY NY FILOHA ANDRY NIRINA RAJOELINA TANY AMIN’NY FARITRA ANOSY.

 Raha tonga nitsidika ny faritra misy ala mpamatsy rano ny tanànan’i Tolagnaro ny filoha Andry

Rajoelina  ny  talata faha 6 oktobra  teo dia nanamafy fa tsy maintsy atao izay hiarovana ny ala. Manahirana dia manahirana tokoa anefa ny asa fiarovana ny ala eto amintsika vokatry ny fahantran’ny vahoaka any ambanivohitra, ireo izay mihevi-tena fa ho ambonin’ny lalàna ihany koa etsy andanin’izany dia manararaotra araka izay azony atao raha sendra varina kely ny tomponandraikitra. Tsy kivy anefa ny tomponandraikitra tarihin’ny Ministera mpiahy ny tontolo iainana fa manao araka izay azo atao amin’ny alalan’ny fampiharana ny lalàna manan-kery (Tolerance zero) amin’ireo izay minia mandika ny lalàna napetraka mba hiarovana ny tontolo iainana. Hita tsy azo afenina ny ezaka ataon’ny fitondrana ankehitriny amin’ny ady atao amin’ny fahapotehan’ny tontolo iainana  satria tsy nanavahana izany sady efa misy olona ambony no voarohirohy amin’ny resaka famotehana ala tany amin’ny faritra menabe.

M’ze

 

Retour