ECOUTEZ LA RADIO :  

FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA

volana aogositra      volana septambra 


ANKAPOBEANY          |  TOE-KARENA    |    FINOANA


  

EntteJournaLsept


NY FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA SY NY FITRANDRAHANA HAZO ETO MADAGASIKARA : MITSINJO LAVITRA NY MINISITRA TOMPON’ANDRAIKITRA ETO AMINTSIKA, ‘‘ALEO HATAO TERY OMBY RIRININA NY FITRANDRAHANA’’.  

exploiForetKias

Manao ny ainy tsy ho zavatra ny mpiaro ny tontolo iainana eto amintsika manoloana ny fandripahana ataon’ireo mpanao izany. Na eny amin’ny faritra arovana aza, tsy tahotra tsy henatra dia manao izany ireo mihevi-tena fa ho  ambonin’ny lalàna. Ny fikorotanan’ny tontolo iainana hiaraha-manana anefa efa hiaraha-mahita amin’izao vokatr’io asa ratsy io. Ny fambolena sy ny jono  efa tsy manome vokatra araka ny tokony ho izy, porofon’izany ireo vokatra fanondrantsika mankany ivelany efa mahamenatra ny ankamaroan’ny kalitao vokatry ny tsy fahampian’ny orana izany araka ny fanadihadiana natao. Efa nisy ny fitsipika napetraky ny ministera misahana ny tontolo iainana eto amintsika manoloana ny fitrandrahana ala izay hita fa goragora izany hatrizay. Ny volana janoary 2019 ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ‘‘MEDD’’ dia namoaka naoty laharana N°01/19/MEDD izay mandrara ny fitrandrahana ny hazo rehetra teto amintsika, na tamin’ny fomba ahoana izany, na tamin’ny fomba ahoana. Tafiditra tao anatin’izany nà ny hazo sarobidy nà ny hazo tsotra. Vokatr’izany dia nandalo kirizy navesatra ireo orinasa ara-dalàna mpisehatra tamin’ny fitrandrahana sy fanodinana hazo teto Madagasikara nandritra io fotoana io araka ny fanadihadiana natao. Efa nisy mihitsy aza  ny nanakatom-baravarana vokatry ny tsy fisian’ny akora ho ampiasaina. Nangataka fihaonana tamin’ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy izy ireo mba hijerena miaraka ny vahaolana amin’ny seham-pihariana sahaniny. Notanterahina ny zoma 11 septambra izany fihaonana nitadiavam-bahaolana teo amin’ny roa tonta izany, izay notarihin’ny Minisitra Raharinirina Baomiavotse Vahinala, sy ny tompon’andraikitra avy amin’ireo orinasa maro, toy ny : Hazovato, Bonet, Tropical Woods, GNEFEM, Kidoro, Eben Menuiserie, Kinga,… 

 

Nisy ihany koa ny solontena avy any amin’ny Faritra Boeny sy Atsimo Andrefana ary ny solontenan’ny mpikaroka avy ao amin’ny ESSA. Ny sasany tamin’ireto orinasa ireto izay manodina hazo ary manondrana izany any ivelany. Nanambara Ramatoa Ministra fa efa eo am-pijerena ny fomba ahafahana mamoaka ireo tahirin-kazo tsotra ny Ministera ankehitriny mba ahafahana hamatsy ireto orinasa ireto izay mitaraina fa misedra olana.

FANOKAFANA NY FITRANDRAHANA NY HAZO SARO-BIDY….MBOLA TSY VOAKASIKY NY VINAVINA MIHITSY…

 Na eo aza ny dinika nifanaovan’ny Minisitra tompon’andraikitra sy  ireo orinasa mpisehatra amin’ny hazo eto amintsika. Tapaka tamin’izany fa ny hazo tsotra ihany izany fa ny hazo sarobidy dia tsy mbola azo kitihina hatreto raha araka ny fikaroham-baovao natao. Ny fampahafantarana natao nandritra ity fihaonana ity dia tsy mahasahana ny filàna intsony ny hazo misy, ka tsy maintsy mifanome tanana amin’ny fanjakana ireo orinasa mpitrandraka sy mpanodina hazo ireo amin’ny fambolen-kazo, ary ireo hazo izay ilain’izy ireo amin’ny fihariana ataony no voleny, satria izay no politikan’ny fambolen-kazo entin’ny Ministera manomboka izao. Namporisika ihany koa izy ny tokony hivondronan’ireo orinasa ara-dalàna rehetra manerana an’i Madagasika mba ahafahana mamantatra azy ireo satria mbola ny 20%n’ireo orinasa ireo no voasolontena ao anatin’ity vondrona nihaona tamin’ny MEDD ity. Mamelona mpiasa maro ity seha-pihariana iray ity, hoy hatrany ny Minisitra, ka tsy maintsy itadiavana vahaolana. Fitrandrahana maharitra araka ny tokony ho izy no hapetraka. 

                                                                              Faralahy

 

 

 

     retour