ECOUTEZ LA RADIO :  

Journal mois de septembre 2020

volana aogositra      volana septambra 


ANKAPOBEANY          |  TOE-KARENA    |    FINOANA


EntteJournaLsept


NY FINOANA SILAMO SY NY TONTOLONY ‘‘PITIK’AFO AMIN’NY TANTARAN’IMAMO HOUSSEIN, ‘‘LESONA HOAN’NY REHETRA NY FIAINANY HOY NY MPINO SILAMO AVY EO ANIVON’NY CRA SY GMUR’’.

religionIslam

sary nindramina

Imamo HOUSSEIN (as) dia zanak’ Imamo ALI IBNI ABI TWALIB (as), sy i FATWIMATO ZAHRA (as) ilay zanakavavin’ny Mpaminany MOHAMMAD (sw), Mpaminany izay avy tamin’ny taranaky ny Mpaminany Ismael izay zanak’ i Abraham (as) ilay raiben’ ireo Mpaminany (sw) fantatry ny rehetra. Izy dia teraka tamin’ny faha 3 ny volana Sha’aban taona faha 4 taorian’ny fifindra-monina nankany Madinat (Hijri), izay nifanandrify tamin’ny faha 8 ny volana janoary taona 626 taorian’ny nahaterahin’i Jesosy Kristy.

Imamo HOUSSEIN (as) dia maty martiora tao karbala (Irak) tamin’ny fahafolon’ny volana Mouharam taona faha 61 Hijri, izay nifanandrify tamin’ny faha 10 ny volana oktobra taona 680 taorian’ny nahaterahan’i Jesosy Kristy.

GMUR MADAGASIKARA ‘‘MODELY AMIN’NY FANEFANA NY ADIDY  AMIN’IREO MPIARA-BELONA, MBOLA MITOHY NY FIARAHA-MIASA MIARAKA AMIN’NY BANQUE DE SANG’’

 

Teny filamatry ny fikambanana ‘‘ GMUR ’’matetika ny tenin’Imamo HOUSSEIN (as) manao hoe: «  …ny antony hivoahako dia hitarika ny olona hanao ny tsara sy hanakana ny olona amin’ny fanaovana ny ratsy… »

Efa nahatatra 18 taona lasa izay no niara-namaha olana mikasika ny tsy fahampian’ny rà eny anivon’ny hopitaly ity fikambanana ity. Ankoatran’ny fanomezan-drà izay ataony, miantsoroka ihany koa izy amin’ny fikirakirana ny resaka fahasalamana amin’ny ankapobeny toy ny fandefasana ny marary any ivelany .Amin’ny maha silamo ny mpikambana ao amin’ity fikambanana ity, adidy takiana amin’ny mpino tsirairay ny fitarihana ny olona amin’ny hatsarana sy ny fanakanana ny olona amin’ny haratsiana, fa tsy ampy fotsiny ny fanatanterahana fanompoana  raha tsy arahin’ny asa soa toy izao hoy izy ireo. Nambaran’ny tompon’andraikitra izay nanaovana fanadihadiana manokana ary fa ‘‘adidintsika olombelona rehetra ny mitarika amin’ny tsara, ary manakana amin’ny ratsy, indrindra manoloana ny zavatra izay mandalo eo ambany masontsika, satria izany voalohany indrindra dia maneho ny fitiavantsika ny hatsarana sy ny fahamarinana, ary maneho ny fitiavantsika ny hafa, izay fihetsika tian’Andriamanitra’’ ‘‘ voafaritra ao anatin’izany asa soa izany ny fifampitsinjovana amin’ny samy mpiara-belona na amin’ny sarotra izany , na amin’ny mora. 

 

NY FIARAHANA AMIN’NY TSARA, TAFAHAONA NY TIA SY NY MANINA, IRAY LALANA NY GMUR SY NY CRA ETSY ANTOHOMADINIKA.

Miara-misalahy amin’ny fikambanana rehetra ny CRA etsy antohomadinika fa indrindra amin’ireo fikambanana izay miantsoroka amin’ny fanaovana ny asa soa eny anivon’ny fiaraha-monina. Hita izany 

izay porofoin’ny fiaraha-miasa amin’ny ministera maro samy hafa toy ny fahasalamam-bahoaka, mponina,…sns

Amin’ny maha mpino silamo ry zareo etsy amin’ny CRA araka izany, adidy makadiry amin’izy ireo ny fifampitsinjovana amin’ny samy mpiara-belona, na amin’ny sarotra izany, na amin’ny mora. Efa maro ny fitarainana nataon’ny tompon’andraikitra eny anivon’ny fanangonan-drà eto amintsika mikasika ny tsy fahampian-drà eny amin’ny hopital, tsy nandray izany ho antso anefitra anefa ny CRA ‘‘ Centre Rasoul Akram’’sy ny GMUR ‘‘ Groupe Médical d’Urgence’’ fa avy hatrany dia nitondra ny anjarany manoloana izany toe-draharaha izany tamin’ny farany herin’andro lasa teo.

Fotom-pampianarana izay voisina ao amin’ny finoana silamo ny fifampitsinjovana, fifankatiavana, fifanitsiana amin’ny zavatra ratsy hoy ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny CRA ,ka izany indrindra no manosika sy ny maha tsy maintsy hanaovan’ireto fikambanana ireto ny adidy izay miandry azy amin’ny mpiara-belona mitovy aminy. Mbola tsy tara isika eto Madagasikara manoloana ny famitana ny adidy mitoetra amintsika amin’ireo mpiara-belona amintsika, ireo marefo ara-pivelomana, ireo manana ny tsy fahasalamana eny anivon’ny hopitaly hoy ny avy eo anivon’ny CRA sy ny fikambanana GMUR.Fototra tokony hitoetra eto amintsika hoy hatrany ireto farany ny fahamarinana, ny fananana faharetana, ny fanekena tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra, ary koa ny fifanakanana amin’ny fanaovana ny ratsy--------

Raha atao indray mitambatra ary izay rehetra voalaza mikasika ny tantaran’imamo Houssein (as) izay, nisy ny antso nataon’ny hoan’ny olombelona rehetra izay tsy nanavahany finoana sy ny ankolafim-pirazanana izany.Lesona hoan’ny rehetra ny tantarany hoy indrindra ny Filohampirenena iray tany amin’ny firenena afrikanina tatsimo ‘‘Nelson Mandela hoe ’’ izay nijoro vavolombelona amin’ny tokony hijoroana amin’ny fahamarinana hatrany. Nilàza izy manao hoe « Nandritra ny 20 taona mahery aho no tany amponja, ka indray alina dia tapa-kevitra aho fa hilefitra ary hanao sonia ireo didy sy fepetra napetraky ny governemanta ; saingy tampoka teo dia tsaroako ny Imamo Houssein sy ny tolona nataony tao karbala, ka nanjary nanome hery ahy ny Imamo Houssein mba hijoro mandrakariva amin’ny fitadiavana ny fahafahana ka notanterahako izany. »

 

MAKA NIRINA NICOLAS

 

 

AKON’NY VOLANA MOHARAM ...NIOMPANA TAMIN’NY ASA SOSIALY NY HETSIKA NATAON’NY CRA TAMIN’ITY TAONA ITY, ANY MANAKARA NO HATAO NY FAHATSIAROVANA NY FAHA 40 ANDRO.

donsanokk

Tsy mitsaha-mitombo isa-taona ny olona manerantany mamaly ny

antson’Imam Houssein tao karbala amin’ny fahatsiarovana ny

naha maritiora azy. Tsy ambakain’ny any karbala isika mpino silamo  raha ny eto madagasikara amin’ny faritra izay nandalovan’ny mpanao gazety ‘‘NY FAHENDRENA’’ tamin’ny fanadihadiana natao tamin’ity taona 2020 ity. Ankehitriny ny famaliana ny antso nataon’i Imam Houssein (as) tao karbala dia efa azo sokajiana ho amin’ny dingana rehetra tandrify azy  ny tsirairay, na amin’ny resaka fampianarana sy fanitarana ny finoana, na amin’ny resaka fiarovana azy fa indrindra amin’ny fifampitsinjovana amin’ny samy mpiara-belona amin’ny resaka sosialim-bahoaka. Manomboka mihamiroborobo ny fitiavana ireo fianakavian’ny Mpaminany, ary efa mihamahazo toerana ao ampon’ny mpino ny fandraisana anjara izay tokony hataony, ka tsy navelan’ny mpino silamo Shian teto Antananarivo ( CRA) handalo ny andro fahatsiarovana izay nahalavo maritiora ny zafin’i Mpaminany sy ny fianakaviany.Tamin’ity taona 2020 ity dia nisy ny indro kely tamin’ireo hetsika fanaon’ny CRA  isan-taona vokatry ny fisian’ny aretina corona izany.Tsy afaka niara-nankalàza izany teny amin’ny moske  ny mpino silamo satria tsy maintsy manaraka ny fepetra napetraky ny fitondrana amin’ny fiarovana ny ain’ny mpiara-belona tamin’ny alalan’ireo fepetra teto amin’ny tany sy ny fanjakana.

CRA  ANTOHOMADINIKA TSY MANADINO NY MPIARA-BELONA NA AMINNY SAROTRA NA AMINNY MORA

Na dia teo aza izany hamehana ara- pahasalamana izay tsy maintsy nolalovan’i Madagasikara vokatry ny aretina corona virus, nitohy avo roa heny anefa ny asa sosialy nataon’ny CRA niompana indrindra tamin’ireo asa sosialy fanomezana tosika ireo vahoaka tany amin’ny fihibohana,

 ireo olona tra-pahasahiranana vokatry ny fahamaizan’ny trano nahazo an’ireo vahoaka tetsy 67ha, hetsika izay niarahana nisalahy tamin’ny ministeran’ny mponina.

Ankoatr’izay, tsapan’ny CRA fa misedra olana ny eny amin’ny hopitaly amin’ny tsy fahampian-drà, nanao fanomezan-drà maimaimpoana ihany koa ny CRA mba ho famahana izany olana izany.

CRA ANTOHOMADINIKA…HITOHY ANY AMIN’NY FARITRA VATOVAVY FITO VINANY NY HETSIKA ARA-TSOSIALY.

Ankoatran’ny hetsika efa natao nandritra ny faha 10 andro ny volana Moharam teto Antananarivo, araka ny vaovao marom-pototra avy eny anivon’ny CRA, hitohy any amin’ny faritra vatovavy fitovinany ny hetsika ara-tsosialy hataon’ny CRA , hiompana amin’izany ihany koa ny fahatsiarovana ny faha 40 andro nahalasa maritiora an’ Imam Houssein( as) sy ireo fianakaviany ary ireo mpanara-dia taminy tao karbala.

 Ho hita handritra ity fotoana ity any antoerana araka izany, ankoatra ny asa sosialy izay efa mazana mpisitraka izany ny vahoaka any amin’ny faritra vatovavy fitovinany, dia hisy ihany koa  ny fampianarana finoana hoan’ireo vahoaka any antoerana. Hafana ny fahatsiarovana ny nahalasa maritiora an’Imam Houssein (as)  any amin’ity faritra ity satria afo tsy maty ao ampon’ny mpino izay mbola mitazona ny fampianarana izany fitiavana ny taranaky ny mpaminany sy ireo fianakaviany izany  hoy hatrany ny tomponandraikitra sendra anay teny amin’ny CRA.

Hisy ihany koa ny majalis izay hatao any antoerana.  Izany moa no hatao mba ho fameloma-maso ny tantara niseho tao karbala sy anehoana amin’ny mpiarabelona ny maha zava-dehibe io fahatsiarovana io.

M’ze

retour