ECOUTEZ LA RADIO :  

Gazety volana desambra [2020]

Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021] 


 FAMPIANARANA  | FINOANA |  SAMY HAFA


  

EntteJournalDecembre


FAMAHANA NY OLAN’NY KERE ANY ATSIMO ‘‘EFA AMPELANTANANA NY 100 TAPITRISA DOLARA AVY AMIN’NY BANKY IRAISAM-PIRENENA.’’

kereOk

Télécharger notre calendrier islamique 1442H en format pdf

Tongotra vakivaky no ilazàna ny zava-misy any atsimo raha oharina amin’ny zavatra hita maneran-tany izany. Tsy vao izao akory ny olan’ny kere tany amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara fa efa an-taonan’ny maro: Tsy fahampian-drano, tsy fisian’ny orana any antoerana, tsy fandriampahalemana, kizarizary ny foto-drafitrasa , sns…. izany no olana mampikatso tanteraka ny fampandrosoana izay kasain’ireo mpitondra nifanesy hatr’izay teto Madagasikara any amin’ity faritra izy. Ekena fa efa samy nanao izay tratrin’ny heriny avokoa ireo mpitondra nifanesy fa saingy tena tokony natao lahara-pahamehana tamin’izany dia ny fahamana ny  olan’ny kere satria efa maro no maty vokatr’io mosarena mandavan-taona any amin’ity faritra ity.{hijery ny lahatsoratra rehetra}

  

ETO MADAGASIKARA: MBOLA ILÀNA FITANDREMANA HATRANY NY COVID-19

covidMadaPxok

Na dia teo aza ny fialàn’i Madagasikara tao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana, tsapa fa mbola samy matahotra amin’ny ankapobeny ny ‘‘covid-19” ny rehetra raha ny fanadihadiana natao. Nilàza mikasika izany ireo izay nanaovana fanadihadiana isan-tokatrano teto Antananarivo fa «Matahotra mafy mihitsy ato, satria noho  ilay fisavoritahana be izay nitranga teny amin’ny seranana Ivato ..............

{hijery ny lahatsoratra rehetra}

  

ETO MADAGASIKARA ‘‘MANJAKA NY HERISETRA AMIN’NY RESAKA ASA, NAMOME SOSO-KEVITRA NY RJSET TAMIN’NY ALALAN’NY TOLO-DALÀNA C190 SY NY R206

travailAgressivPxOkNamela voka-dratsin’ny maro maneran-tany ny aretina covid-19, i Madagasikara ihany koa dia voakasik’izany, anisan’izany ny fahaverezan’asan’ireo Malagasy maro ankehitriny. Raha ny fanadihadiana natao hatrany, efa mananika any ho any amin’ny 405 tapitrisa ny olona very asa maneran-tany vokatra izany. 

Tsy ny asa ihany fa maro ireo nitomany mihitsy satria hatramin’ny ora iasana dia very ihany koa noho ny fihiboana. Vokatr’izay ary, nihena ny vola niditra isa-tokantrano, tao aza ireo mpiasa no tsy nahita na dia ariary iray aza noho ny tontolon-ny toe-karena (hotely, orinasa samihafa…) nikatso raha ny tranga teto nosy-be hell-ville no oharina amin’izany

FAHAVEREZAN’ASA TETO MADAGASIKARA ….IZA NO DISO?

Voalàza fa miisa 405 tapitrisa ny olona very asa maneran-tany vokatry ny fahatongavan’ny aretina covid-19. Nisy ireo mpampiasa no voatery nampihena ny isan’ny mpiasa ao aminy satria efa tsy naharaka intsony ny vola miditra nandritra izay fotoana izay hany ka tsy maintsy nirosoana izany fanesorana ny mpiasa izany mba hialana amin’ny fandaniana mihoapampana hoy ireo orin’asa sy mampiasa nanaovana fanadihadiana nandritra ny fihibohana teto Nosy-be. {hijery ny lahatsoratra rehetra} 

AKON’NY FARAN’NY TAONA ETO AMINTSIKA … MANARARAOTRA NY SASANY ‘‘IO FA MIAKATRA AVAKOA NY VIDIN’IREO PPN’’.

ppnPxpetit

Amin’izao ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona izao, tsikaritra fa manomboka miakatra indray ireo vidin’entana ilaina amin’ny fiainana andavan’andro. 

Raha ny filàzan’ireo mpivarotra sendra ny fanadihadiana natao mikasika ity tranga ity araka izany  ‘‘hatrany amin’ny mpamongady no efa ahitana izay fiakaran’ny vidin’entana izay,  ka rariny raha eny amin’ireo mpitsinjara madinika dia ahitana izay fiakarana izay’’.

Anisan’ny tena nahitana izay fiakarany izay ny vidin’ny lafarinina. Manodidina ny 2500Ar izany amin’izao. Efa tao anatin’ny fotoana lavalava no nahitana izany fiakaran’ireo vidin’entana ireo. Betsaka etsy andanin’izany ireo izay manao kaomandy mofo mamy ireny rehefa ankatokin’ny fetin’ny krismasy tahaka izao, ka mety hiakatra ihany koa ny vidin’ny mofo mamy amin’izao satria ny akora fototra no efa nidangam-bidy nialohany.

Niakatra ny vidin’ny menaka fihinana, teo aloha 5000Ar izany ary tafakatra hatrany amin’ny 6000Ar.........{hijery ny lahatsoratra rehetra}