ECOUTEZ LA RADIO :  

Gazety volana febroary 2021

Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021]


TONTOLO IAINANA ||  SOSIALY || FAMPIANARANA || TOE-KARENA  ||  FAMPANDROSOANA || FAHASALAMANA || FINOANA 



  

EntteJournalFebr2021

Télécharger notre calendrier islamique 1442H en format pdf


FAMBOLEN-KAZO 2021, NANATANTERAKA NY ANJARA-BIRIKINY NY MPINO SILAMO MIVONDRONA AO AMIN’NY FIKAMBANANA GFCMM(GRANDE FAMILLE DE LA COMMUNAUTÉ MUSULMANE DE MADAGASCAR)

Reboizz

Zana-kazo miisa 1500 fototra no voavolin’ny fianakaviam-ben’ny mpino silamo teny ambohitratrimo.Mpino silamo mivondrona ao anatin’ny Fianakaviamben’ ny fikambanana silamo eto Madagascar na ny GFCMM(Grande Famille de la Communauté Musulmane de Madagascar) no niara-nisalahy tamin’izany izay avy amin’ireo Mosquée sy Foibem-pampielezampinoana miisa 8 teto Antananarivo no tonga nanatanteraka izany. Tsy diso anjara tamin’io ihany koa ireo fikambanan’ny tanora sy ny vehivavy ato anatin’ny finoana, ary nahitana taratr’ireo mpianatra izay tsy silamo nefa mahatsiaro ho manana adidy amin’ny tanindrazany no hita teny. Nivoitra nandritra ny fandraisam-pitenenana fa adidy amin’ny tanindrazana ary voafaritra mazava ao amin’ny boky masina Kor’any sy ny hafatry ny Mpaminany Mohammad ( SAW) ny fanajana sy fandavorariana ny tontolo manodidina. Manana andraikitra lehibe amin’izany ny mpino silamo.........(tohiny)


FANKALAZÁNA NY ANDRON’NY VEHIVAVY 08 MARTSA 2021 ‘‘ HIDINA ANKIANJA NY EKIPAN’NY RADIO RVS SY NY FCRA MIARAKA AMIN’IREO MPITSABO HANAO FIZAHAM-PAHASALAMANA MAIMAIMPOANA.

8mars2021Petits

Hanatanteraka hetsika ara-tsosialy ny radio RVS (90.6 MHZ) sy ny fcra ( Fanampiana Centre Rasoul-Akram) avy etsy amin’ny CRA (Centre Rassoul Akram) Antohomadinika ho fankalazana ny 08 martsa 2021.Horaisin’ireo ekipa mandrafitra ny radio RVS sy ny fcra

( Fanampiana Centre Rasoul-Akram) amin’ity taona ity ny daty ny 08 Martsa ho fotoanan’ny  tolontanana avy amin’izy ireo izay hijerena manokana ny lafin’ny sosialy : (fahasalamana , fanentanana amin’ny fahadiovana amin’ny alalan’ny fampiasana rano isan’andro, ...........(tohiny)

NY VEHIVAVY....AZO LAZAINA HO FANAKA MALEMY FOANA VE NEFA MBA MANANA ANDRAIKITRA IHANY IZY IRENY?

mreAfricaineOkPetits

Loharanon’aina ny vehivavy. raha atao bango tokana. Fanontaniana manitikitika ny saina ny hoe: mipetraka ve ny maha-Reny ny vehivavy? Tsy lavina aloha fa misy ny tsara vintana mahazo izay toerana maha-Reny azy izay nefa tsy vitsy koa ny iharan’ny tsindry hazolena na ara-batana na ara-tsaina, firifiry ny vehivavy miady irery amin’ny fiainana satria reny. Mampametra-panontaniana ny hoe fa nankaiza ny Ray no lasa miandahy miambavy ny Reny? Reny midika hoe mpitaiza, mpanabe, mpiaro, mpikolokolo ny ankohonany,...........(tohiny)


ETO MADAGASIKARA ‘‘SAHIRANA IREO MPAMPIANATRA FRAM AMIN’NY  FANDRAISANA NY TAMBIN-KARAMANY, NANAMPY AZY IREO NY FANJAKANA’’.

Education01Petits

Ho fitsinjovana ny fahasahiranan’ireo raiaman-dreny mampiana-janaka eny anivon’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana no antony politikan’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena tamin’ny fanafoanana ny vola faloa ho tambin-karaman’ireo mpampianatra izay mbola tsy mpiasam-panjakana nefa miantsehatra ao anatin’ny fampianarana( mpampiantra fram). Tetsy andanin’izany anefa , tsikaritra fa misedra olana ireo mpampianatra fram ireo amin’ny fahazoan’izy ireo ny tambin-karamany. Nanomboka tamin’ny tapaky ny taompianarana 2020 no efa tsy nandray karama ireo mpampianatra fram ireo......(tohiny)


FAMPIANARANA ETO MADAGASIKARA :  MAMPISAHOTAKA NY FANJAKANA SY  NY ENY AMIN’NY ANJERY MANONTOLO NY VATSIMPIANARANA SAIKA ISAN-TAONA , HISY VAHAOLANA IHANY VE ZANY?

UniverMadPetite

‘‘Hevitra tera-bary’’ no azo hilazana azy raha ny resaka momba vatsim-pianarana eny amin’ireo Oniversite ankehitriny. Ao ireo milaza fa tsy tokony omena vola ireo mpianatra satria efa tsy mandoa vola eny amin’ny Oniversite. Maro ihany koa ireo mpianatra no entina misotro toaka sy hanaovana revy ny bourse, misy aza moa ilay fitenenana hoe «Riche d’un jour», ka rehefa tsy ampy ihany ilay bourse, dia atao laboraingy indray andro. Ao ireo tena mifofotra mianatra nefa tsy manana ny ampy ka io vola kely omen’ny fanjakana io ihany no mba entiny manampy azy amin’ny fiainana mandritra ny fianarana......(tohiny)


Tohin'ny gazety