ECOUTEZ LA RADIO :  

SAMY HAFA(1120)

ETO MADAGASIKARA : EFA TSARA RAFITRA NY VOLAVOLAN-DALANA 2021 IZAY NOLANIAN’IREO SOLOMBAVAMBAHOAKA FARANY TEO.

deputnov20vita

Nolanian’ireo Solombavambahoaka ny alin’ny zoma 27 novambra 2020 teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2021. Rehefa avy nodinihin’ny vaomieran’ny ara-bola sy ny teti-bola nandritra ny andro vitsivitsy dia nentina teo amin’ny fivoriambe azon’ny besinimaro atrehina ary nolaniana tamin’ny endriny nasiam-panitsiana. Solombavam-bahoaka miisa 97 tonga nanatrika ny fivoriam-be teny amin’ny Antenimieram-pirenena no nandany ny volavolan-dalàna laharana 016/2020 mifehy ny teti-bolam-panjakana 2021 rehefa nasiam-panitsiana. Raha ny voarakitra ao anatin’ity lalàna ity dia tombanana ho 4,5% ny tahan’ny fitombon’ny harin-karena faobe ho an’ny taona 2021. Nitondran’ny Solombavam-bahoaka fanintsiana ny mahakasika ny fanafoanana ny hetra alaina amin’ny tataom-bidy (TVA) eo amin’ny famarotana volamena ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Izany no natao dia mba ho fanamafisana ny fananganana ny tahirin’ny volamena ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Nivoaka ny efitrano fivoriana ary nanao fanamarihana mikasika ity lalàna ity sy ny fomba nandaniana azy ireo solombavambahoaka Tiako I Madagasikara, avy amin’ny fanoherana. Tsy voahajana ny andininy faha-89 sy 92 amin’ny Lalampanorenena mamaritra ny fe-potoana andinihana sy andaniana ny lalàna fehizoro, toy ny lalàna mifehy ny tetibola hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa, nitondra teny azy ireo. Natao hamehana, tao anatin’ny efatra andro ny fandaniana io lalàna io, hoy izy, nefa manana 30 andro ny depiote handinihana azy. Teboka vitsivitsy mahakasika ity Lalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana lany teto amin’ny Antenimierampirenena ity : - Tombanana ho 22,8% ny tahan’ny fampiasam-bola na ”taux d’investissement” amin’ny taona 2021, raha toa ka 17,8% izany tamin’ny taona 2020. - Vinavinaina ho 4,5% ny tahantombon’ny toekarena amin’ny taona 2021. - Tombanana ho 6,2% ny fisondrotry ny vidim-piainana hatramin’ny taona 2023. Nahitana olana teo amin’ny tontolon’ny famatsiana tamin’ny taona 2020 ka nahatonga fiantraikany ratsy eo amin’ny lafiny tolotra eny an-tsena. - Andrasana ho 3 936.7 ny sandam-bola Dollar US / Ariary ho an’ny taona 2021. - Tombanana ho 3 700 miliara Ariary ny fandaniam-bolam-panjakana amin’ny taona 2021, raha 2 757 miliara Ariary tamin’ny taona 2020. - Momba ny fampandehanan-draharaha dia nidina teo amin’ ny 10% ny Minisitera rehetra. - Momba ny fanabeazana dia miroso amin’ ny fiantsorohana ny saram-pidiran’ ireo mpianatra any amin’ ny Sekolim-panjakana fototra sy ny karaman’ ireo mpampianatra FRAM. - Nampiakarina ho 25 miliara Ariary ny vola fanampiana ny Kaominina rehetra mitambatra. - Hampiakarina 31,9% ny fandaniam-bola eo amin’ny lafiny sosialy raha 27,5% tamin’ny taona 2020. - Novinavinaina ho 3 747, 72 miliara ariary ny fidiram-bola ara-ketra, ary 2 869,1 miliara ariary ny avy amin’ny Fadintseranana. 

Faralahy

 

TSY FAHAMPIAN’NY JIRO ETO MADAGASIKARA , NITONDRA NY ANJARA BIRIKINY NY TETIKASA POWER AFRICA HOAN’IREO ORIN’ASA SY TOKATRANO ANY AMBANIVOHIRA

PowerUniSolarPxkia

Nanolotra famatsiam-bola mitentina 1,2 tapitrisa dolara ho an’ny orinasa telo eto Madagasikara ny governemanta amerikana, amin’ny alàlan’ny Sampandraharaha Amerikana Misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID) sy ny tetikasa Power Africa, hampandrosoana ny tambajotra madinika, izay hamokatra herinaratra ho an’ny tokantrano sy orinasa ambanivohitra maherin’ny 5 200. 5% monja amin’ny mponina any ambanivohitr’i Madagasikara no mahazo herinaratra mivantana, na dia eo aza ireo loharanon’angovo azo havaozina toy ny masoandro, ny rivotra sy ny rano. Ary satria mety ho sarotra ny fidirana amin’ireo faritra lavi-toerana, dia izay indrindra no nampifantoka ny ezaka’i Power Africa amin’ny fampiasana ny herin’ny masoandro sy ny tambajotra madinika, miaraka amin’ny Ministeran’ny Angovo, ny Agence de Développement de l’Electrification Rurale (ADER), ary ny sehatra tsy miankina. Orinasa 17 no nanao fangatahana famatsiam-bola, ka taorian’ny fandinihana dia ireto no nahazo izany: Autarsys Madagascar, Hydro Ingenierie Etudes Et Realizations (H.I.E.R), ary Henri Fraise Fils & Cie. Raha atambatra dia hitondra herinaratra ho an’ny mponina maherin’ny 28 000 any amin’ny faritra telo: Amoron ‘i Mania, Atsimo Andrefana, sy Boeny ny famatsiam-bola.

 

 

 

                                                                                          AMAD

 

 

FANATANJAHAN-TENA ARA- BAOLINA KITRA NODIMANDRY TEO AMIN’NY FAHA-60 TAONANY DIEGO MARADONA:

maradonaPxOktxt

Nindaosin’ny fahafatesana androany 25 novambra 2020, teo amin’ny faha-60 taonany i Diego Armando Maradona Franco, fantatry ny maro tamin’ny anarana Diego Maradona teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra. Fijanonan’ny fo tampoka no voalaza fa nitarika izao fahafatesany izao. Kintan’ny kitra Arzantina izy. Nandrombaka ny amboara erantany tamin’ny 1986, ary nalaza tamin’ilay tanana majika namonoany baolina, nandritra ny fifanandrinan’i Arzantina tamin’i Angletera. Efa nisalotra ny anaram-boninahitra baolina volamena (Ballon d’or) ihany koa i Maradona ny taona 1995. In-589 nisalotra ny akanjon’ny ekipam-pirenena arzantina i Maradona, ary nahatafiditra baolina niisa 312 tamin’izany. « El Pibe de Oro », « Pelusa », « D10S », « El Diez », « Dieguito » ary koa « Le Maître », anaram-bositra niantsoana an’i Maradona avokoa ireo fony teny ambony kianja. Efa mpanazatra ihany koa i Maradona, ary efa nitantana ny ekipam-pirenen’i Arzantina. 

FAHAFATESAN’I DIEGO MARADONA , VOA TONDRO MOLOTRA NY MPITSABO AZY, NIAKATRA FITSARANA NY RAHARANA

Taorian’ny fahafatesana nahazo an’ity kintan’ny baolina kitra ity izay fantatra fa noho ny fijanonan’ny fo no nahazo azy, tsy nanaiky mora ireo zanany fa dia nampiakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana mba hiampangana ny mpitsabo azy. Mihenjan-droa ny tady amin’ny roa tonta vokatry ny ahiahy tsy hiavanana ka izany no antony nanankinan’ireto zaza navelan’i DIEGO MARADONA ireto fahatokisana any amin’ny fitsarana mba hikaroka ny marina.

Tetsy ankilan’izany anefa dia nanatanteraka valandresaka hoan’ny mpanao gazety ity mpitsabo ity tany antoerana mba hilazany fa tondro molotra no nahazo azy amin’ity raharaha ity. Nambarany fa anisany rehareha amin’ny maha mpitsabo azy ny fitsaboana olona malaza tahak’i DIEGO MARADONA izao ka tsy ny tenany velively no hanimba ny anarany amin’ny maha mpitsabo azy fa ny aina hoy ity mpitsabo ity dia an’Anandriamanitra ka raha misy ny aretina dia adidin’ny mpitsabo ny mitsabo fa tsy mahatazona aina izany raha tonga tokoa ny fetr’andro amin’ny zava-manana’aina iray hoy ny mpitsako an’i DIEGO MARADONA nandritra ny valandresaka nataony tamin’ny mpanao gazety hatrany.

                                                                                                                                                                                                        Mze