ECOUTEZ LA RADIO :  

Gazety volana novambra (2020)

Gazety volana aogositra(2020) || Gazety volana septambra 2020 || Gazety volana oktôbra 2020 || Gazety volana novambra (2020) || Gazety volana desambra (2020) || Gazety volana Janoary (2021) || Gazety volana febroary [2021] || Gazety volana martsa [2021] 


 FAMPIANARANA  || FINOANA ||  SAMY HAFA


  

EntteJournal novambra 2020


FANKALAZÀNA NY TSINGERINTAONA NAHATERAHAN’NY MPAMINANY MOHAMAD (SAW) NIARAHANA TAMIN’NY FSM TANY AMBILOBE: NIAVAKA IZANY, NAMOHA INDRAY NY FIFANKATIAVANA NISY FAHINY TANY ANTOERANA.

AmbilobeFSM

Télécharger notre calendrier islamique 1442H en format pdf

Toy ny mahazatra isan-taona amin’ny fankalazàna ny andro nahaterahan’ny Mpaminany Mohamad (saw), ny fianakaviam-be ny mpino silamo rehetra eto Madagasikara mivondronaao anatin’ny ‘‘FSM’’ no nikarakara izany, izay iombonan’ny Sounit, shiite , Khodja, Bohra,...Araka izany dia nifampitaona tany Ambilobe ny mpino silamo manerana an’i Madagasikara mba hankalaza niaraka izany andro izany ny 14 novambra 2020 lasa teo. 

Ny andron’ny 14 novambra natokana ho fankalazana ny andro nahaterahan’ny Mpaminany Mohamad (saw). Fifaliam-be narahin’ny fihainoana lahateny nifandimbiasan’ireo solontenam-panjakana sy ireo manampahaizana ato anatin’ny finoana silamo no hetsika nentina nandravaka ny fankalazàna ny andro nahaterahan’ny Mpaminany (saw) tany Ambilobe. {hijery ny lahatsoratra rehetra}

  

FANKALAZÀNA NY TSINGERINTAONA NAHATERAHAN’NY MPAMINANY MOHAMAD (SAW): NANEHO FIRAISAN-KINA TANTERAKA NY CRA NIARAKA TAMIN’IREO SILAMO SY NY FINOANA REHETRA TENY AMPASAPITO.wiladnaCRA Toy ny mahazatra isan-taona amin’ny fanka­làzana ny andro nahaterahan’ny Mpaminany Mohamad (saw), ny

CRA (Centre Rassoul Akram) etsy antohomadinika no nikarakara ny fankalazàna ny andro nahaterahan’ny Mpaminany Mohamad (SAW) izay natao teny amin’ny Gamo ampasapito ny alahady faha 8 ny volana novambra 2020 lasa iny.

Ny andron’ny 8 no natokana ho nankalazàna izany izay niarahana tamin’ireo mpino silamo sy ny finoana rehetra ary ireo tomponandraikim-panjakana maro  teny antoerana. Fahatongavan’ireo namana 

{hijery ny lahatsoratra rehetra}

  

ETO MADAGASIKARA : EFA TSARA RAFITRA NY VOLAVOLAN-DALANA 2021 IZAY NOLANIAN’IREO SOLOMBAVAMBAHOAKA FARANY TEO.

deputnov20vitaNolanian’ireo Solombavambahoaka ny alin’ny zoma 27 novambra 2020 teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2021. Rehefa avy nodinihin’ny vaomieran’ny ara-bola sy ny teti-bola nandritra ny andro vitsivitsy dia nentina teo amin’ny fivoriambe azon’ny besinimaro atrehina ary nolaniana tamin’ny endriny nasiam-panitsiana. Solombavam-bahoaka miisa 97 tonga nanatrika ny fivoriam-be teny amin’ny Antenimieram-pirenena no nandany ny volavolan-dalàna laharana 016/2020 mifehy ny teti-bolam-panjakana 2021 rehefa nasiam-panitsiana. Raha ny voarakitra ao anatin’ity lalàna ity dia tombanana ho 4,5% ny tahan’ny fitombon’ny harin-karena faobe ho an’ny taona 2021. {hijery ny lahatsoratra rehetra}

FANATANJAHAN-TENA ARA- BAOLINA KITRA NODIMANDRY TEO AMIN’NY FAHA-60 TAONANY DIEGO MARADONA

Nindaosin’ny fahafatesana androany 25 novambra 2020, teo amin’ny faha-60 taonany i Diego Armando Maradona Franco, fantatry ny maro tamin’ny anarana Diego Maradona teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra. Fijanonan’ny fo tampoka no voalaza fa nitarika izao fahafatesany izao. Kintan’ny kitra Arzantina izy. Nandrombaka ny amboara erantany tamin’ny 1986, ary nalaza tamin’ilay tanana majika namonoany baolina, nandritra ny fifanandrinan’i Arzantina tamin’i Angletera. Efa nisalotra ny anaram-boninahitra baolina volamena (Ballon d’or) ihany koa i Maradona ny taona 1995. 

maradonaPxOktxt

{hijery ny lahatsoratra rehetra} 

 

TSY FAHAMPIAN’NY JIRO ETO MADAGASIKARA , NITONDRA NY ANJARA BIRIKINY NY TETIKASA POWER AFRICA HOAN’IREO ORIN’ASA SY TOKATRANO ANY AMBANIVOHIRA

PowerUniSolarPxkiaNanolotra famatsiam-bola mitentina 1,2 tapitrisa dolara ho an’ny orinasa telo eto Madagasikara ny governemanta amerikana, amin’ny alàlan’ny Sampandraharaha Amerikana Misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID) 

sy ny tetikasa Power Africa, hampandrosoana ny tambajotra madinika, izay hamokatra herinaratra ho an’ny tokantrano sy orinasa ambanivohitra maherin’ny 5 200. 5% monja amin’ny mponina any ambanivohitr’i Madagasikara no mahazo herinaratra mivantana,na dia eo aza ireo loharanon’angovo azo havaozina toy ny masoandro, ny rivotra sy ny rano. Ary satria mety ho sarotra ny fidirana amin’ireo faritra lavi-toerana, dia izay indrindra no nampifantoka ny ezaka’i Power Africa amin’ny fampiasana ny herin’ny masoandro sy ny tambajotra madinika, miaraka amin’ny Ministeran’ny Angovo, ny Agence de Développement de l’Electrification Rurale (ADER), ary ny sehatra tsy miankina. Orinasa 17 no nanao fangatahana famatsiam-bola, ka taorian’ny fandinihana dia ireto no nahazo izany: Autarsys Madagascar, Hydro Ingenierie Etudes Et Realizations (H.I.E.R), ary Henri Fraise Fils & Cie. Raha atambatra dia hitondra herinaratra ho an’ny mponina maherin’ny 28 000 any amin’ny faritra telo: Amoron ‘i Mania, Atsimo Andrefana, sy Boeny ny famatsiam-bola.

                                                                                           AMAD