ECOUTEZ LA RADIO :  

ASAN-TANANA

ANKAPOBEANY    |    TOE-KARENA     |    FINOANA


EntteJournalAogositra


hafatra hoan’ny mpiasa tena ….ataovy tsara ny asa novokarinao,  ry tanora namana AZA AMIDY MORA NY FAHAIZANA

Artisanat

Voaresaka matetika ny antony mahatonga ny fahantrana eto Madagasikara. Efa maro ny vahaolana naroso teto amin’ny pejy , ary saika manodidina ny amin’ny famoronana asa hoan’ny tena no efa imbetsaka miverimberina eto. Tsy reraka ny mamerina izany fa  miankina amin’ny fiezahan’ny tsirairay ny fandrosoana sy ny fananan’asa hoan’ny rehetra. Tsy olana eto amintsika mihitsy amin’izao ny tsy fahaizan’ny tanora. Mamokatra firy moa ny oniversite ankehitriny amin’ny tanora Malagasy izay nahavita fianarana? Raha ny fanadihadiana noentina mikasika ity resaka ity izay natao tamin’ireo mpadinika ny zava-misy, ireo izay mpahay toe-karena maneho hevitra tao amin’ny tambajotran-tserasera no atao indray mihelatra dia saika manodidina ny tsy fahamatorana amin’ny atao no olana eto amintsika, ao ihany koa sady tsy azo lavina fa betsaka amin’ireo manao asa tena ireo tsy mahafehy ny asa ataony nefa manao ihany  hanika mikorontana ny asa , menatra hony ny sasany ka tsy manontany ny namana: 

….. AO ANATIN’IZANY VE IANAO? NATAO HO ANAO INDRINDRA IZAO…

Rehefa misy asa atao, na asa vokatry ny saina, na ‘‘service’’, indrindra ny asa tanana, dia ataovy tsara hatrany. Raha misy ny tsy hay, aza menatra manontany olona, na mianatra. Hitaro hatrany ny fahaizana, fa mivoatra hatrany ny asa. Mety mandany fotoana kokoa, mety mandany vola ihany koa, fa ny tsara tsy mora, ary aza atao varoboba ny talenta anananao. Misy mividy hatrany ny tsara.  Ekena fa maty antoka ireo mamokatra ny zavatra tsara amin’izao krizy izao satria raha tsara ilay zavatra , tsara ihany koa ny vidiny ka tsy dia mandeha izany amin’izao satria tsy misy vola ny olona araka ny fanadihadiana natao. Matetika ihany koa ireo izay miasa tena dia diso kajy ka tsy mba manapaka mihitsy ny karamany ao amin’ilay asany ka voatery manao ‘‘suplementaire’’ any amin’ny orinasa hafa.  Raha heverinao fa 500 000ariary no tokony karamanao isam-bolana, nefa miasa tena ianao, dia kajio ny fotoana laninao hanaovana ilay asa. Raha niasa 8ora isan’andro ao anatin’ny 5 andro, dia 40ora x 4 herinandro =160ora isam-bolana izany. Ka 500 000ar/160ora = 3 125 ariary isan’ora, na 3 125 x 8ora= 25 000ariary isan’andro izany ny karamanao. Miampy ny masokarena amin’ireo entana amidy na amboarina. Raha manao asa-tanana, dia ampitomboina 2 ny masokarena vidin’ny akora, ary ampitomboina intelo ny karaman’ny mpiasa. Ohatra, mpanamboatra seza salon ianao 1- Masokarena: - Vidin-kazo sy éponge ary cuire, fantsika, colle... = 500 000ariary - Transport = 20 000ariary Totaly kojakoja= 500 000 + 20 000= 520 000ariary - Karaman’ny mpiasa (Kajiana toy ny teo ambony koa ohatrinona isan’ora na isan’andro ny mpiasa)= 5 andro x 15 000ariary = 75 000ariary - Fotoana laninao= 5 andro x 25 000ariary (kajy karama tetsy ambony) = 125 000ariary Totaly mpiasa = 75 000 + 125 000= 200 000 ariary - Vidiny amarotana ny seza salon: Totaliny masokarena kojakoja x 2 = 520 000 x 2 = 1 040 000Ariary. Na 100% no dikany. Totaly amarotana ny mpiasa (MO main d’oeuvre) = 200 000 x 3 = 600 000ariary, na 150% no dikany. Totaly amarotana ny seza salon 1 040 000 + 600 000 = 1 640 000ariary.

…TORO-HEVITRA RAHA HIVAROTRA IANAO …

 Aza dia manombana loatra satria hoe mbola hiady varotra ny olona, boriborio tsy lavitra ohatra 1 700 000ariary, dia tsy mihetsika amin’ny 1 500 000ariary intsony. 10-25% eo ny fihenam-bidy azo atao, izay no dikan’ireny hoe mividy pneu 4 dia 1 gratuit (25% de remise no dikan’izany). Ny karaman’ny mpiasa, izay tafiditra ao ny anao, tsy anaovana remise na fihenam-bidy mihitsy, any amin’ny akora izay nakanao tombony in-droa avo heny na 100% no ampidinanao. Tadidio hatrany fa misy hofatrano tafiditra io masokarena io, eny na tranonao tsy hofaina aza dia ampidirina hatrany, misy jiro sy rano, crédit téléphone ary ny hetram-panjakana. Tsy maka mpiasa raha tsy lafonao in-telon’ny anakaramanao azy izy, 30% volamaty na Chiffre d’affaire ny karaman’ny mpiasa. Ataovy an-tsaina hatrany fa: - Vola maty na Chiffre d’affaire: 100 - Karaman’ny mpiasa: 30% - Akora sy kojakoja: 30% - Fampandehanan-draharaha (hofan-trano, jirama, tél, déplacement, banque...): 30% - Hetram-panjakana: 5% - Tombom-barotra: 5% Ka raha vao misy mitanila ireo, dia matetika ny anao 5% io no majifa satria handoa ny volan’ny hafa hatrany ianao, dia miala maina eo. Tsy mitombona amin’ny asa fandraharahana izany ilay teny hoe «Ny aina fanary, ny vola fitady».Tsia, ny aina tsy fanary fa amidy in-telo avo eny, raha tsy izany dia midira fikambanana mpanao asa soa, fa tsy manao mpandraharaha, izay mitady vola no antom-pisiany. Aza menatra ny mitady vola, na ny fikasana te-ho mpanan-karena. Hatomohy ary ny asanao ry tanora fa eto ihany izahay raha misy azo hifanampiana…

                                                                                                                                                                                                              Faralahy.

Retour