ECOUTEZ LA RADIO :  

HAJJ

ANKAPOBEANY    |    TOE-KARENA     |    FINOANA


EntteJournalAogositra


NY FIVAHINIANANA MASINA (HAJJ), ADIDY TAKIANA AMIN’NY MPINO SILAMO, INDRISY MANTSY FA TSY AFAKA NATAO IZANY TAMIN’ITY TAONA 2020 ITY.

 

hajj

“Ary manaova fiantsoana ny olona ho amin’ny Fivahinianana masina (Hajj) ianao. Fa ho tonga aminao am-pandehanana

an-tongotra izy ireo, sy amin’ny alalan’ny fitaingenana biby, izay avy amin’ny làlana lavitra rehetra, mba handray anjara amin’ireo tombontsoa izay nomena azy ireo, sy hiantso ny anaran’Andriamanitra amin’ny andro voatondro, amin’ny biby fiompy izay nomenay azy ireo. “Mihinàna amin’izany ianareo, ary ampihinano ihany koa, ireo mahantra fadiranovana” (Kor’any, Sourat Al-hadj,

Toko 22, And.27,28)Ny Mpaminany Abrahama (as), no nanangana ny trano masina Ka’ba mba hivondronan’ny olona hanatanteraka fanompoana an’Andriamanitra miaraka. Ary izy dia niantso ireo mpanompon’Andriamanitra mba hanatanteraka ny fivahinianana masina Hajj, ka hitodi-doha tanteraka amin’Andriamanitra. Izany antso izany dia tena nahomby tokoa, satria ny olona avy lavitra sy akaiky dia tonga any Lameka avokoa mandritra ny fotoana voatokana, namandeha tongotra izy ireo na mandeha amin’ny alalan’ny fitaovam-pitaterana. Ka ankehitriny dia hitantsika tokoa ireo

olona aman-tapitrisany tonga mivory amin’izany toerana masina izany isantaona noho ny antony efa nolazaintsika teo aloha.

Mandritra ny fotoana anatanterahana ny Hajj, dia mifanakalo hevitra ireo mpino silamo, ary

mamaritra fifanarahana, izay ho fanasoavana ny mpino silamo maneran-tany, ary mandritra izany fandehanana lavitra izany, dia manjary misy fifandraisana akaiky sy

fifanarahana matotra ary firahalahiana mafy orina ireo mpino silamo. Ny fivahinianana masina hadj dia mamelona indray ao

ampon’ireo mpino ny finoana sy ny fiverenana amin’Andriamanitra ka mahatonga azy ireo

hitodi-doha tanteraka amin’ilay Mpahary. Mandritra izany fandehanana izany, dia manao sorona biby ireo mpanao fivahinianana masina (hadji), toy ny omby vavy, ondry, rameva, ka miantso ny anaran’Andriamanitra izy ireo amin’izany. Hohanin’izy ireo ny ampahany amin’izany biby natao sorona izany, ary ny ampahany hafa kosa omena ireo mahantra. Amin’izao vanim-potoana iainantsika izao dia tsara raha misy fifanarahana mazava mikasika ny fampiasana na ny fandaniana ireo biby maro natao sorona ireo, izay tokony hampisakafoanana ireo mahantra, mba hialana amin’ny fandanilaniam-poana. Ny mpino silamo tsirairay dia tokony hanatanteraka fivahinianana masina

Hadj na dia indray mandeha aza eo amin’ny fiainany, raha toa ka manana fahafahana hanao izany izy sady mahafeno ireo fepetra hafa izay takiana.

Ny olona manana fahafahana feno, dia ireo izay afaka mandoa ny saran-dalany sy ny vatsy amin’izany, salama tsara, ary manana vola ampy ho apetrany amin’ny fianakaviany sady mbola misy ambim-bava mba hahafahan’ny fianakaviany mivelona mandra- pahatongavany, amin’izay izy milamin-tsaina amin’ny fanatanterahana ny fanompoana. Ary tsy tokony ahitana sakantsakana amin’ny lalana handehanany hanatanterahany izany fivahinianana masina izany. izany lanonana ara-panompoana izany dia tanterahina mandritra ny volana zhil Hajj.

HAJJ 2020, NAHIBOKIN’NY CORONA TANTERAKA

Ny tamin’ity taona 2020 ity, noho ny hamehana ara-pahasalamana dia tsy afaka nanao izany adidy masina izany ny mpino silamo manerantany satria noho ny  tsy maintsy fanajana ny fepetra iraisana amin’ny ady atao ara-pahasalanama iraisampirenena dia nanamakevitra ny rehetra fa tsy afaka hatao ny hajj izay fanao amin’ny fotoana ‘‘volana DHUL -AL HAJJ’’.  

MAKA NIRINA NICOLAS

Retour