ECOUTEZ LA RADIO :  

TOE-KARENA

ANKAPOBEANY    |    TOE-KARENA     |    FINOANA


EntteJournalAogositra 


FANDRAHARAHANA ETO MADAGASIKARA,  MITARAINA HO MATY ANTOKA NY MPAMPIASA, NANAMPY TROTRAKA NY OLANA EFA MISY NY FITATERANA IREO MPIASA ENY ANIVON’NY ORINASA.

COMMERCE

Mitoreo ny mpampiasa amin’izao satria tsy vitan’ny olana efa nisy izay niainana hatrizay, mbola niampy indray izany noho ny izao ‘‘corona’’ izao : Nifandimby ny rahona sy ny masoandro amin’ny resaka fandraharahana eto madagasikara hoy ireo orinasa sendra ny fanadihadiana izay nataonay satria, ny fisokafana sy ny fikatonana izay natao tamin’ireo orinasa hoy izy ireo dia nisy fiantraikany ratsy izany amin’ny fihodinan’ny asa teny anivon’ireny orinasa ireny. Vokatr’izay dia nihena ny vola miditra, betsaka ihany koa ireo izay tsy maintsy nanala ny mpiasa vokatry ny tsy fanefana mihitsy ny karaman’ireo mpiasa. Mahatsiaro ho maty antoka ireo mpivarotra eto amintsika amin’izao raha araka ny fanadihadiana natao noho ny resaka ‘‘  Surproduction’’ satria tsisy mividy ny entana eny amin’ny magazay. 

Tsy misokatra ny làlana mampitohy ny faritra sy eto andrenivohitra, mitokamonina ny faritra atsinanana ‘‘ Tamatave’’ izay havokavok’i Madagasikara amin’ny resaka toe-karena. Any amin’ny faritra anefa nandritra izay fihibohana izay, mifanohitra tanteraka  amin’ny eto antananarivo ny zava-misy satria tsy manana entana indray ny any amin’ny faritra amin’izao raha araka ny fanadihadiana natao tany amin’ny faritra sasany eto andrenivohitra , izany hoe ‘‘ Rupture te stocks’’ no manjaka. Na dia eo aza ny famelan’ny fanjakana ny entana hivezivezy , misy amin’ireo izay mpividy ireny entana ireny avy any amin’ny faritra dia misafidy ny hiakara eto antananarivo mihitsy mba hisafidy izay entana mamaly ny filan’ireo mpanjifany, saingy tsy afaka atao izany hoy izy ireo hatrany. Olana mifampitohy araka izany ny olana satria ny eny ivato ihany koa dia mikatona , mitaraina mafy ireo mpanafatra entana any amin’ny firenena sonoa amin’izay, maro amin’izy ireny no voasoloky amin’ny resaka ‘‘  vente en ligne’’ izay tsy maintsy hirosoan’ny rehetra amin’izao fotoana izao.

FANDRAHARAHANA ….MIFANDIMBY NY RAHONA SY NY MASOANDRO ETO AMINTSIKA

Naneho ny fahavoazany ny mpandraharaha tamin’ny mpitondra fanjakana nandritra iny fihibohana faharoa  iny. Tsy antso an’efitra akory fa nahatsapa izany fahavoazana izany ny mpitondra ka namaly avy hatrany tamin’ny alalany fandraisana fepetra amin’ny fanalefahana ny fihibohana. Mitaraina ny mpivarotra, mitoreo ireo miantsoroka amin’ny resaka fandraharahana amin’ny fizahan-tany  amin’izao. Efa nisy ny vahaolana naroson’ny fitondrana mikasika izay : Raha amin’ny resaka fizahantany manokana dia efa niteny ny filoha fa hanome ny tambin-karaman’ny mpiasa misehatra amin’izany iray volana mba hanarenana io sehatra io.

Araka ny fanadihadiana natao, betsaka amin’ireo mpandraharaha ankehitriny no mangoron’entana amin’ny resaka fandraharahana satria mibaby trosa, maty antoka. Misy amin’ireo mpahay toe-karenaa eto amintsika aza namoaka kajy amin’ny fitantana ny vola mihodina ao amin’ny orinasa iray izay ahafahana maka sary antsaina ny fitsinjarana izany vola izany ao anatin’ny filan’ny orinasa ka toy izao izany kajy izany :Ny vola ao anatin’ny Orinasa Volamaty na Chiffre d’affaire = 100 Karaman’ny mpiasa - salaire = 30% Fampandehanan-draharaha na charge fixe = 30% Filana amin’ny akora ahodina na matière première = 30% Hetram-panjakana sy banky = Impôt et charge financière = 5% Tombom-barotra na bénéfice = 5% Ny mpiasa iray izany raha 30% amin’ny vola maty ny karamany, midika izany fa io mpiasa io mila mampiditra vola in-telo avo heny mahery (3.33%) amin’ny karamany vao manao embauche na mampiditra mpiasa iray ny orinasa. Raisintsika ohatra orinasa madinika manana mpiasa 10 mikarama SME 200 000ar avokoa ny mpiasa tsirairay, anamora ny kajy. Vata-karama amin’ny andavan’andro, tsy ampidirintsika ny hetram-panjakana sy ny CNAPS ary OSTIE = 200 000ar x 10 = 2 000 000ar/isam-bolana. Raha orinasa salama izany dia, manao vola maty 2 000 000ar x 3,33 = 6 660 000ar isam-bolana izy izany. - Ny karama 2 000 000ar - Ny Fampandehanan-draharaha izany tokony tsy hihoatra ny 2 000 000ar - Ny Akora 2 000 000ar - Ny hetram-panjakana 330 000ar (5% CA - impôt synthétique) - Ny Tombom-barotra na karaman’ny tompon’ny orinasa 330 000Ar (Tsy mieritreritra machine ho simba amin’io na amortissement sy investissement). Tonga ary ilay didy avy amin’ny fanjakana, izay orinasa te hisokatra dia tsy maintsy miantoka ny fakàna sy fanaterana ny mpiasa. Location minibus 100 000ar/j Izany hoe andaniana 10 000ar isaky ny mpiasa isan’andro ny fitaterana. 20 andro x 10 000ar = 200 000ar = SME (na SMIG karama faran’ny ambany) Karaman’ny mpiasa 200 000ar isam-bolana + Transport 200 000Ar = 400 000ar isam-bolana Vola maty - Chiffre d’affaire 6 660 000ar (eritreretina fa nisy client sy tsena hatrany) - Totaly vola lany amin’ny mpiasa mbola tsy misy hetram-panjakana 400 000ar x 10 = 4 000 000ar isam-bolana. - Akora 2 000 000ar - Fampandehanan-draharaha na ‘‘charge fixe’’ jirama, hofan-trano, télephone, fourniture... = Efa lany ny vola, miandry tompon-trano androaka, ny Jirama tsy amela ny trosa tsy aloa, ny ‘‘crédit télephonique’’  efa tsy misy fa dia atao Mp ( hafatra miafina) , zara aza facebook efa nisy ka tsy  andoavam-bola betsaka. ,  Hetram-panjakana antsy be miantona, mbola tsy aloa izao fa mbola ho avy ny fitakiana - Tombom-barotra = Nofinofy sisa matoa ny karaman’ny mpiasa tsy nakarina, tsy ampy izany ny fahefan’ny orinasa.

Mangataka ny hijerena akaiky ny zava-misy ankehitriny araka izany ireo mpandraharaha eto amintsika ireo satria mizaka ny tsy heran’ny aina amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao.

                                                                                                                                                                                                                                                                   Mze

 

 

hafatra hoan’ny mpiasa tena ….ataovy tsara ny asa novokarinao,  ry tanora namana AZA AMIDY MORA NY FAHAIZANA

Artisanat

Voaresaka matetika ny antony mahatonga ny fahantrana eto Madagasikara. Efa maro ny vahaolana naroso teto amin’ny pejy , ary saika manodidina ny amin’ny famoronana asa hoan’ny tena no efa imbetsaka miverimberina eto. Tsy reraka ny mamerina izany fa  miankina amin’ny fiezahan’ny tsirairay ny fandrosoana sy ny fananan’asa hoan’ny rehetra. Tsy olana eto amintsika mihitsy amin’izao ny tsy fahaizan’ny tanora. Mamokatra firy moa ny oniversite ankehitriny amin’ny tanora Malagasy izay nahavita fianarana? Raha ny fanadihadiana noentina mikasika ity resaka ity izay natao tamin’ireo mpadinika ny zava-misy, ireo izay mpahay toe-karena maneho hevitra tao amin’ny tambajotran-tserasera no atao indray mihelatra dia saika manodidina ny tsy fahamatorana amin’ny atao no olana eto amintsika, ao ihany koa sady tsy azo lavina fa betsaka amin’ireo manao asa tena ireo tsy mahafehy ny asa ataony nefa manao ihany  hanika mikorontana ny asa , menatra hony ny sasany ka tsy manontany ny namana: 

….. AO ANATIN’IZANY VE IANAO? NATAO HO ANAO INDRINDRA IZAO…

Rehefa misy asa atao, na asa vokatry ny saina, na ‘‘service’’, indrindra ny asa tanana, dia ataovy tsara hatrany. Raha misy ny tsy hay, aza menatra manontany olona, na mianatra. Hitaro hatrany ny fahaizana, fa mivoatra hatrany ny asa. Mety mandany fotoana kokoa, mety mandany vola ihany koa, fa ny tsara tsy mora, ary aza atao varoboba ny talenta anananao. Misy mividy hatrany ny tsara.  Ekena fa maty antoka ireo mamokatra ny zavatra tsara amin’izao krizy izao satria raha tsara ilay zavatra , tsara ihany koa ny vidiny ka tsy dia mandeha izany amin’izao satria tsy misy vola ny olona araka ny fanadihadiana natao. Matetika ihany koa ireo izay miasa tena dia diso kajy ka tsy mba manapaka mihitsy ny karamany ao amin’ilay asany ka voatery manao ‘‘suplementaire’’ any amin’ny orinasa hafa.  Raha heverinao fa 500 000ariary no tokony karamanao isam-bolana, nefa miasa tena ianao, dia kajio ny fotoana laninao hanaovana ilay asa. Raha niasa 8ora isan’andro ao anatin’ny 5 andro, dia 40ora x 4 herinandro =160ora isam-bolana izany. Ka 500 000ar/160ora = 3 125 ariary isan’ora, na 3 125 x 8ora= 25 000ariary isan’andro izany ny karamanao. Miampy ny masokarena amin’ireo entana amidy na amboarina. Raha manao asa-tanana, dia ampitomboina 2 ny masokarena vidin’ny akora, ary ampitomboina intelo ny karaman’ny mpiasa. Ohatra, mpanamboatra seza salon ianao 1- Masokarena: - Vidin-kazo sy éponge ary cuire, fantsika, colle... = 500 000ariary - Transport = 20 000ariary Totaly kojakoja= 500 000 + 20 000= 520 000ariary - Karaman’ny mpiasa (Kajiana toy ny teo ambony koa ohatrinona isan’ora na isan’andro ny mpiasa)= 5 andro x 15 000ariary = 75 000ariary - Fotoana laninao= 5 andro x 25 000ariary (kajy karama tetsy ambony) = 125 000ariary Totaly mpiasa = 75 000 + 125 000= 200 000 ariary - Vidiny amarotana ny seza salon: Totaliny masokarena kojakoja x 2 = 520 000 x 2 = 1 040 000Ariary. Na 100% no dikany. Totaly amarotana ny mpiasa (MO main d’oeuvre) = 200 000 x 3 = 600 000ariary, na 150% no dikany. Totaly amarotana ny seza salon 1 040 000 + 600 000 = 1 640 000ariary.

…TORO-HEVITRA RAHA HIVAROTRA IANAO …

 Aza dia manombana loatra satria hoe mbola hiady varotra ny olona, boriborio tsy lavitra ohatra 1 700 000ariary, dia tsy mihetsika amin’ny 1 500 000ariary intsony. 10-25% eo ny fihenam-bidy azo atao, izay no dikan’ireny hoe mividy pneu 4 dia 1 gratuit (25% de remise no dikan’izany). Ny karaman’ny mpiasa, izay tafiditra ao ny anao, tsy anaovana remise na fihenam-bidy mihitsy, any amin’ny akora izay nakanao tombony in-droa avo heny na 100% no ampidinanao. Tadidio hatrany fa misy hofatrano tafiditra io masokarena io, eny na tranonao tsy hofaina aza dia ampidirina hatrany, misy jiro sy rano, crédit téléphone ary ny hetram-panjakana. Tsy maka mpiasa raha tsy lafonao in-telon’ny anakaramanao azy izy, 30% volamaty na Chiffre d’affaire ny karaman’ny mpiasa. Ataovy an-tsaina hatrany fa: - Vola maty na Chiffre d’affaire: 100 - Karaman’ny mpiasa: 30% - Akora sy kojakoja: 30% - Fampandehanan-draharaha (hofan-trano, jirama, tél, déplacement, banque...): 30% - Hetram-panjakana: 5% - Tombom-barotra: 5% Ka raha vao misy mitanila ireo, dia matetika ny anao 5% io no majifa satria handoa ny volan’ny hafa hatrany ianao, dia miala maina eo. Tsy mitombona amin’ny asa fandraharahana izany ilay teny hoe «Ny aina fanary, ny vola fitady».Tsia, ny aina tsy fanary fa amidy in-telo avo eny, raha tsy izany dia midira fikambanana mpanao asa soa, fa tsy manao mpandraharaha, izay mitady vola no antom-pisiany. Aza menatra ny mitady vola, na ny fikasana te-ho mpanan-karena. Hatomohy ary ny asanao ry tanora fa eto ihany izahay raha misy azo hifanampiana…

                                                                                                                                                                                                                                                                                       Faralahy.

 

 

 

Resaka ‘‘PARADIS FISCAL’’ ...HAZAVA NY RESAKA, tsy hisy intsony ny tsy maty manota hoy ny filoha andry nirina rajoelina.

paradisfiscal

Betsaka ny resaka mandeha mikasika ny fanodikodinam-bola amin’izao fotoana izao. Tsikaritra hatramin’izay fa tsy nisy mangarahara mihitsy ny fitantanambolampanjakana hatramin’izay teto amintsika, nahagaga ny maro anefa fa nisy nikobokobonin’ny marina ny sasany namoaka ilay tsy ambaratelo mikasika ny ‘‘ paradis fiscal’’.

Namoaka tatitra ihany koa tetsy ankilany ny Banky iraisam-pirenena fa arakaraky ny fahamaroan’ny fanampiana omena ireo firenena afrikanina dia miakatra ihany koa ny vola mirotsaka any amin’ny banky mipetraka any amin’ireo Paradis fiscal, anisan’ny voatonona tao anatin’izany i Madagasikara.

Paradis fiscal Inona marina moa izany?

Araka ny fanadihadiana izay natao tamin’ireo mpahay toe-karena, nilàza izy ireo tamin’ny ankapobeny fa   ity paradis fiscal «Paradisa ara-ketra» ity dia natao mba hialana amin’ny fidangan’ny fandoavana hetra amin’ny fampiasam-bola miditra sy mivoaka amin’ny firenena anankiray. Ny firenena rehetra maneran-tany mantsy mivelona amin’ny hetra na vola aloan’ny mponina ao aminy, toy ny latsakemboka izany, ampandehanana ny raharaham-pirenena, andoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana, hanefana ny fampandehanan-draharaha, ampandehanana ny sekoly, ny hopitaly, ny fandriam-pahalemanana, fanamboarana fotodrafitrasa, toy ny làlana, ny sekoly, seranam-piaramanidina, barazy, fambolena, ny ladoany, TVA, na ‘‘Taxe sur la valeur ajoutée’’… izany hoe isaky ny mividy entana isika dia akana 20% amin’iny vidin’entana IRSA, 20% amin’ny vata-karamantsika ny ‘‘impôt sur le revenu’’, izay alaina amin’ny mpampiasa sy ny orinasa izay mahatratra 20% amin’ny tombom-barotra, na ‘‘impôt synthétique’’, na hetra 5% alaina amin’ny vola maty na chiffre d’affaire ho an’ireo orinasa madinika mba ho fampandehanana ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny.

NY TSY MATY MANOTA …TAPITRA HATREO HOY NY FILOHA.

Mamerina imbetsaka ny fitondrana amin’izao fa tsy ekena eto intsony ny tsy maty manota amin’ny resaka kolikoly izany. Nahetsika avokoa ny sampandraharaha manara-maso ny famotsiam-bola sy ny fanaraha-maso ny kolikoly, ny Samifin sy ny Bianco, izay mijery ireny vola maloto ny filàza azy, na vola nangalarina tamin’ny volam-panjakana io, na vola azo tamin’ny fanondranana entana antsokosoko sy ireo vola mety tsy mazava rehetra izay nahina fa nampidirin’ireo tompony any amin’ity ‘‘ paradis fiscal ity.

                                                                                                                                                                                                                                                                                           Mze

 

Retour