ECOUTEZ LA RADIO :  

VAROTRA

ANKAPOBEANY    |    TOE-KARENA     |    FINOANA


ImagGazety 


FANDRAHARAHANA ETO MADAGASIKARA,  MITARAINA HO MATY ANTOKA NY MPAMPIASA, NANAMPY TROTRAKA NY OLANA EFA MISY NY FITATERANA IREO MPIASA ENY ANIVON’NY ORINASA.

COMMERCE

Mitoreo ny mpampiasa amin’izao satria tsy vitan’ny olana efa nisy izay niainana hatrizay, mbola niampy indray izany noho ny izao ‘‘corona’’ izao : Nifandimby ny rahona sy ny masoandro amin’ny resaka fandraharahana eto madagasikara hoy ireo orinasa sendra ny fanadihadiana izay nataonay satria, ny fisokafana sy ny fikatonana izay natao tamin’ireo orinasa hoy izy ireo dia nisy fiantraikany ratsy izany amin’ny fihodinan’ny asa teny anivon’ireny orinasa ireny. Vokatr’izay dia nihena ny vola miditra, betsaka ihany koa ireo izay tsy maintsy nanala ny mpiasa vokatry ny tsy fanefana mihitsy ny karaman’ireo mpiasa. Mahatsiaro ho maty antoka ireo mpivarotra eto amintsika amin’izao raha araka ny fanadihadiana natao noho ny resaka ‘‘  Surproduction’’ satria tsisy mividy ny entana eny amin’ny magazay. 

Tsy misokatra ny làlana mampitohy ny faritra sy eto andrenivohitra, mitokamonina ny faritra atsinanana ‘‘ Tamatave’’ izay havokavok’i Madagasikara amin’ny resaka toe-karena. Any amin’ny faritra anefa nandritra izay fihibohana izay, mifanohitra tanteraka  amin’ny eto antananarivo ny zava-misy satria tsy manana entana indray ny any amin’ny faritra amin’izao raha araka ny fanadihadiana natao tany amin’ny faritra sasany eto andrenivohitra , izany hoe ‘‘ Rupture te stocks’’ no manjaka. Na dia eo aza ny famelan’ny fanjakana ny entana hivezivezy , misy amin’ireo izay mpividy ireny entana ireny avy any amin’ny faritra dia misafidy ny hiakara eto antananarivo mihitsy mba hisafidy izay entana mamaly ny filan’ireo mpanjifany, saingy tsy afaka atao izany hoy izy ireo hatrany. Olana mifampitohy araka izany ny olana satria ny eny ivato ihany koa dia mikatona , mitaraina mafy ireo mpanafatra entana any amin’ny firenena sonoa amin’izay, maro amin’izy ireny no voasoloky amin’ny resaka ‘‘  vente en ligne’’ izay tsy maintsy hirosoan’ny rehetra amin’izao fotoana izao.

 

FANDRAHARAHANA ….MIFANDIMBY NY RAHONA SY NY MASOANDRO ETO AMINTSIKA

Naneho ny fahavoazany ny mpandraharaha tamin’ny mpitondra fanjakana nandritra iny fihibohana faharoa  iny. Tsy antso an’efitra akory fa nahatsapa izany fahavoazana izany ny mpitondra ka namaly avy hatrany tamin’ny alalany fandraisana fepetra amin’ny fanalefahana ny fihibohana. Mitaraina ny mpivarotra, mitoreo ireo miantsoroka amin’ny resaka fandraharahana amin’ny fizahan-tany  amin’izao. Efa nisy ny vahaolana naroson’ny fitondrana mikasika izay : Raha amin’ny resaka fizahantany manokana dia efa niteny ny filoha fa hanome ny tambin-karaman’ny mpiasa misehatra amin’izany iray volana mba hanarenana io sehatra io.

Araka ny fanadihadiana natao, betsaka amin’ireo mpandraharaha ankehitriny no mangoron’entana amin’ny resaka fandraharahana satria mibaby trosa, maty antoka. Misy amin’ireo mpahay toe-karenaa eto amintsika aza namoaka kajy amin’ny fitantana ny vola mihodina ao amin’ny orinasa iray izay ahafahana maka sary antsaina ny fitsinjarana izany vola izany ao anatin’ny filan’ny orinasa ka toy izao izany kajy izany :Ny vola ao anatin’ny Orinasa Volamaty na Chiffre d’affaire = 100 Karaman’ny mpiasa - salaire = 30% Fampandehanan-draharaha na charge fixe = 30% Filana amin’ny akora ahodina na matière première = 30% Hetram-panjakana sy banky = Impôt et charge financière = 5% Tombom-barotra na bénéfice = 5% Ny mpiasa iray izany raha 30% amin’ny vola maty ny karamany, midika izany fa io mpiasa io mila mampiditra vola in-telo avo heny mahery (3.33%) amin’ny karamany vao manao embauche na mampiditra mpiasa iray ny orinasa. Raisintsika ohatra orinasa madinika manana mpiasa 10 mikarama SME 200 000ar avokoa ny mpiasa tsirairay, anamora ny kajy. Vata-karama amin’ny andavan’andro, tsy ampidirintsika ny hetram-panjakana sy ny CNAPS ary OSTIE = 200 000ar x 10 = 2 000 000ar/isam-bolana. Raha orinasa salama izany dia, manao vola maty 2 000 000ar x 3,33 = 6 660 000ar isam-bolana izy izany. - Ny karama 2 000 000ar - Ny Fampandehanan-draharaha izany tokony tsy hihoatra ny 2 000 000ar - Ny Akora 2 000 000ar - Ny hetram-panjakana 330 000ar (5% CA - impôt synthétique) - Ny Tombom-barotra na karaman’ny tompon’ny orinasa 330 000Ar (Tsy mieritreritra machine ho simba amin’io na amortissement sy investissement). Tonga ary ilay didy avy amin’ny fanjakana, izay orinasa te hisokatra dia tsy maintsy miantoka ny fakàna sy fanaterana ny mpiasa. Location minibus 100 000ar/j Izany hoe andaniana 10 000ar isaky ny mpiasa isan’andro ny fitaterana. 20 andro x 10 000ar = 200 000ar = SME (na SMIG karama faran’ny ambany) Karaman’ny mpiasa 200 000ar isam-bolana + Transport 200 000Ar = 400 000ar isam-bolana Vola maty - Chiffre d’affaire 6 660 000ar (eritreretina fa nisy client sy tsena hatrany) - Totaly vola lany amin’ny mpiasa mbola tsy misy hetram-panjakana 400 000ar x 10 = 4 000 000ar isam-bolana. - Akora 2 000 000ar - Fampandehanan-draharaha na ‘‘charge fixe’’ jirama, hofan-trano, télephone, fourniture... = Efa lany ny vola, miandry tompon-trano androaka, ny Jirama tsy amela ny trosa tsy aloa, ny ‘‘crédit télephonique’’  efa tsy misy fa dia atao Mp ( hafatra miafina) , zara aza facebook efa nisy ka tsy  andoavam-bola betsaka. ,  Hetram-panjakana antsy be miantona, mbola tsy aloa izao fa mbola ho avy ny fitakiana - Tombom-barotra = Nofinofy sisa matoa ny karaman’ny mpiasa tsy nakarina, tsy ampy izany ny fahefan’ny orinasa.

Mangataka ny hijerena akaiky ny zava-misy ankehitriny araka izany ireo mpandraharaha eto amintsika ireo satria mizaka ny tsy heran’ny aina amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao.

Mze

 

retour