ECOUTEZ LA RADIO :  

PARADIS FISCAL

ANKAPOBEANY    |    TOE-KARENA     |    FINOANA


EntteJournalAogositra


Resaka ‘‘PARADIS FISCAL’’ ...HAZAVA NY RESAKA, tsy hisy intsony ny tsy maty manota hoy ny filoha andry nirina rajoelina.

 

paradisfiscal

Betsaka ny resaka mandeha mikasika ny fanodikodinam-bola amin’izao fotoana izao. Tsikaritra hatramin’izay fa tsy nisy mangarahara mihitsy ny fitantanambolampanjakana hatramin’izay teto amintsika, nahagaga ny maro anefa fa nisy nikobokobonin’ny marina ny sasany namoaka ilay tsy ambaratelo mikasika ny ‘‘ paradis fiscal’’.

Namoaka tatitra ihany koa tetsy ankilany ny Banky iraisam-pirenena fa arakaraky ny fahamaroan’ny fanampiana omena ireo firenena afrikanina dia miakatra ihany koa ny vola mirotsaka any amin’ny banky mipetraka any amin’ireo Paradis fiscal, anisan’ny voatonona tao anatin’izany i Madagasikara.

Paradis fiscal Inona marina moa izany?

Araka ny fanadihadiana izay natao tamin’ireo mpahay toe-karena, nilàza izy ireo tamin’ny ankapobeny fa   ity paradis fiscal «Paradisa ara-ketra» ity dia natao mba hialana amin’ny fidangan’ny fandoavana hetra amin’ny fampiasam-bola miditra sy mivoaka amin’ny firenena anankiray. Ny firenena rehetra maneran-tany mantsy mivelona amin’ny hetra na vola aloan’ny mponina ao aminy, toy ny latsakemboka izany, ampandehanana ny raharaham-pirenena, andoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana, hanefana ny fampandehanan-draharaha, ampandehanana ny sekoly, ny hopitaly, ny fandriam-pahalemanana, fanamboarana fotodrafitrasa, toy ny làlana, ny sekoly, seranam-piaramanidina, barazy, fambolena, ny ladoany, TVA, na ‘‘Taxe sur la valeur ajoutée’’… izany hoe isaky ny mividy entana isika dia akana 20% amin’iny vidin’entana IRSA, 20% amin’ny vata-karamantsika ny ‘‘impôt sur le revenu’’, izay alaina amin’ny mpampiasa sy ny orinasa izay mahatratra 20% amin’ny tombom-barotra, na ‘‘impôt synthétique’’, na hetra 5% alaina amin’ny vola maty na chiffre d’affaire ho an’ireo orinasa madinika mba ho fampandehanana ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny.

NY TSY MATY MANOTA …TAPITRA HATREO HOY NY FILOHA.

Mamerina imbetsaka ny fitondrana amin’izao fa tsy ekena eto intsony ny tsy maty manota amin’ny resaka kolikoly izany. Nahetsika avokoa ny sampandraharaha manara-maso ny famotsiam-bola sy ny fanaraha-maso ny kolikoly, ny Samifin sy ny Bianco, izay mijery ireny vola maloto ny filàza azy, na vola nangalarina tamin’ny volam-panjakana io, na vola azo tamin’ny fanondranana entana antsokosoko sy ireo vola mety tsy mazava rehetra izay nahina fa nampidirin’ireo tompony any amin’ity ‘‘ paradis fiscal ity.

                                                                                                                                                                                                Mze

 

Retour