TohinRano&zaza

NY FATRAN’NY RANO ILAIN’NY VATAN’NY ZAZA AO ANATIN’NY IRAY ANDRO

Miovaova arakaraky ny taona ny fatran’ny rano ilain’ny olombelona, na ny zaza vao teraka hatramin’ny fahatelo volana aza dia mila rano ihany koa.

Zava-dehibe eo amin’ny fahasalaman’ny olombelona ny rano na ho an’ny kely na ho an’ny lehibe. Manodididna ny 300ml isan’andro ho an’ireo latsaky ny 3 volana. Tsy midika izany fa azo hampisotroina rano avy hatrany ny zaza latsaky ny 3 volana.  Amin’ny alalan’ny nonon-dreny no idiran’izany anaty vatany. Tokony hisotro rano betsaka kokoa ireo reny mampinono noho izany hialana amin’ny tsy faham-piandrano.

Manomboka ny faha enim-bolany no azo omena rano ny zaza, raha ny nambaran’ireo mpitsabo. Miankina amin’ny lanjan’ny zaza ny fatran’ny rano tokony ho sotroiny. Ho an’ny zaza telo volana hatramin’ny faha-enim-bolana dia 125ml hatramin’ny 150ml isaky ny kilao no ilainy isan’andro. Raha ny filazan’ireo mpitsabo hatrany, dia misy ireo rano miditra anaty vatana amin’ny alalan‘ny sakafo be rano toy ny legioma na voankazo ho an’ireo izay efa mihinana ventin-tsakafo.

Ny amin’izao andro mafana izao indrindra, dia mila rano na ny kely na ny lehibe. Rano toy inona indray ary no tsara ho an’ny zaza ? Mafana ny andro, mila rano avokoa na ny lehibe na ny kely indrindra ny ankizy. Ny rano avy nampangotrahana sy voaaro amin’ny loto no tsara indrindra sotroina ho an’ny ankizy eny fa na ho an’ny lehibe ihany koa aza. Na maro aza ireo rano voadio manokana sy anaty tavoahangy plastika isan-karazany; mba tsy handaniana vola amin’ny fividianana ireny tsara hatrany ny mampangotraka rano sy mitahiry izany amin’ny toerana azo antoka. Afaka sotroina amin’ny fotoana rehetra iny rano iny.

                Eto am-pamaranana dia tsara hatrany ny manentana mba hisotro rano madio sy voaaro amin’ny loto. Ny fihinanana voankazo sy legioma be rano dia manampy hisoroka ny tsy fahampian-drano. Mampitombo ny hery fiarovana ao amin’ny vatantsika ihany koa ny fihinanana ireo ka manampy tsy ho azon’ny aretina samihafa.

Rosa Malala